19 Ary avy tamin’ny tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny bibidia rehetra sy ny biby manidina rehetra eny amin’ny lanitra. Dia nentiny ho any amin-dralehilahy ireny mba hahitana izay hiantsoany azy avy. Ary izay niantsoan-dralehilahy ny zavamananaina* tsirairay,+ dia izany no anarany.+
10 ary amin’ny zavamananaina* rehetra eo aminareo, dia ny vorona sy ny biby fiompy ary ny bibidia rehetra eny ambonin’ny tany, eny, izay rehetra nivoaka avy tao anatin’ny sambofiara, mbamin’ny zavamananaina rehetra eny ambonin’ny tany.+