8 Hidina aho hanafaka azy eo an-tanan’ny Ejipsianina,+ ka hitondra azy hiala amin’izany tany izany mba hiakatra ho any amin’ny tany soa sady malalaka, dia tany tondra-dronono sy tantely+ izay tanin’ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.+
7 Ary halaiko ho oloko tokoa ianareo,+ ka ho Andriamanitrareo aho.+ Ary ho fantatrareo tokoa fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay mamoaka anareo ho afaka amin’ny enta-mavesatra ampitondrain’i Ejipta anareo.+