FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 8:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 “Izao no hampiharina amin’ny Levita: Ny dimy amby roapolo taona no ho miakatra no hiditra ho isan’ireo manao ny fanompoana momba ny tranolay fihaonana.

  • Nomery 18:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Ary hanao ny adidiny aminao sy ny andraikiny amin’ny tranolay manontolo izy ireo.+ Ny fitaovan’ny toerana masina sy ny alitara ihany no tsy azony hatonina, mba tsy ho faty+ ianareo sy izy ireo.

  • Nomery 31:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Ilay antsasany izay anjaran’ny zanak’Israely kosa no akanao iray isaky ny dimampolo, na amin’ny olona na amin’ny omby, na amin’ny ampondra, na amin’ny ondry aman’osy, na amin’ny karazana biby fiompy rehetra, ka omeo ny Levita,+ izay manana andraikitra ao amin’ny tranolain’i Jehovah.”+

  • 1 Tantara 23:32
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 Anisan’ny fanompoana nataon’izy ireo tao an-tranon’i Jehovah koa ny fiambenana+ ny tranolay fihaonana sy ny toerana masina,+ ary ny fiambenana ny taranak’i Arona rahalahin’izy ireo.+

  • 2 Tantara 13:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Fa ny anay kosa, i Jehovah no Andriamanitray,+ ary tsy nahafoy azy izahay. Mpisorona taranak’i Arona no manao fanompoana ho an’i Jehovah, ary toy izany koa ny Levita izay manao ny anjara raharahany.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara