12 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Miakara atỳ amiko, atỳ an-tendrombohitra ary mijanòna atỳ, fa tiako homena anao ireo takela-bato mbamin’ny lalàna sy ny didy hosoratako, mba hampianarina azy.”+
18 Ary raha vao vita ny teny nataony tamin’i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny takela-bato roa misy ny Tenin’ny Vavolombelona,+ dia ny takela-bato nosoratan’ny rantsantanan’Andriamanitra.+