FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 18:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 “‘Aza misy atokana*+ ho an’i Moleka+ ny taranakao. Aza zimbazimbaina+ amin’izany fomba izany ny anaran’Andriamanitrao. Izaho no Jehovah.+

  • Levitikosy 20:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 “Izao no holazainao amin’ny zanak’Israely: ‘Tsy maintsy vonoina ho faty izay manolotra ny taranany ho an’i Moleka,+ na anisan’ny zanak’Israely izy, na vahiny monina eo amin’ny Israely. Hitora-bato azy ho faty ny vahoaka.

  • Deoteronomia 18:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Aoka tsy hisy eo aminao ny olona mandoro* ny zanany lahy na ny zanany vavy ao anaty afo,+ na manao sikidy,+ na mampiasa herin’ny maizina,+ na mitady fambara,+ na mpilalao ody,+

  • 2 Mpanjaka 17:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Nolaviny foana ny fitsipik’Andriamanitra sy ny fifanekena+ nataony tamin’ny razany, ary ny fampahatsiahivana+ nolazainy tamin’izy ireo mba hampitandremana azy. Ary nanaraka sampy tsy misy ilana azy+ izy ireo tahaka an’ireo firenena nanodidina azy, ka lasa tsy nisy ilana azy+ koa. Efa nandidy azy anefa i Jehovah mba tsy hanao toy ireny firenena ireny.+

  • Jeremia 32:35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 Nanorina an’ireo toerana avo ho an’i Bala,+ ao amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma,+ koa izy ireo mba handoroana* ny zanany lahy sy ny zanany vavy ao anaty afo,+ ho an’i Moleka.+ Tsy nandidy azy hanao izany anefa aho+ ary tsy tao an-tsaiko* akory aza ny hanao izany zava-maharikoriko izany.+ Nanao izany izy ireo mba hahatonga ny Joda hanota.’+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara