-
Deoteronomia 14:23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao, any amin’izay toerana hofidiny hampitoerana ny anarany no hihinananao ny ampahafolon’ny varimbazahanao+ sy ny divainao vaovao sy ny menakao, ary hihinananao ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinao,+ mba hianaranao hatahotra an’i Jehovah Andriamanitrao mandrakariva.+
-
-
Deoteronomia 16:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Ary hifaly eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao,+ any amin’izay toerana hofidin’i Jehovah Andriamanitrao hampitoerana ny anarany,+ ianao sy ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy sy ny mpanompolahinao sy ny mpanompovavinao sy ny Levita ao an-tanànanao mbamin’ny mpivahiny+ sy ny kamboty ray+ ary ny mpitondratena+ eo aminao.
-