3 Dia niainga ny vadiny, ka nankany aminy mba hanambitamby azy hody. Ary nitondra mpanompo+ iray sy ampondralahy roa izy. Dia nasain-dravehivavy nampandrosoina tao an-tranon-drainy izy. Koa raha vao nahita azy ny rain-dravehivavy, dia faly nihaona taminy.