FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 14:49
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 49 Ary ireto avy ny zanakalahin’i Saoly: I Jonatana+ sy Jisvy ary Malkisoa.+ Ary ny anaran’ny zanany roa vavy dia Meraba,+ vavimatoa, sy Mikala,+ zandriny.

  • 1 Samoela 19:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Ary nisy olona nirahin’i Saoly+ mba hanao andry maso ny tranon’i Davida, sy hamono azy ho faty ny ampitso maraina.+ I Mikala vadin’i Davida kosa anefa nilaza taminy hoe: “Raha tsy mandositra izao alina izao ianao, dia hovonoina ho faty rahampitso.”

  • 1 Samoela 25:44
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 44 Ary i Saoly efa nanome an’i Mikala+ zanany vavy, izay vadin’i Davida, ho vadin’i Palty,+ zanak’i Laisy avy any Galima.+

  • 2 Samoela 3:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Dia hoy i Davida: “Mety izany! Hanao fifanekena aminao aho, nefa misy zavatra iray monja angatahiko aminao: ‘Tsy mahazo mahita ny tavako+ ianao raha tsy mitondra an’i Mikala+ zanakavavin’i Saoly rehefa tonga hifanatri-tava amiko.’”

  • 2 Samoela 6:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Rehefa tonga tao amin’ny Tanànan’i Davida ny Vata masin’i Jehovah, dia nitazana avy teo am-baravarankely i Mikala+ zanakavavin’i Saoly. Koa nony nahita an’i Davida Mpanjaka nitsinjaka sy nandihy nihodinkodina teo anatrehan’i Jehovah izy, dia nanamavo+ azy anakampo.+

  • 1 Tantara 15:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Rehefa tonga tao amin’ny Tanànan’i Davida ilay Vata misy ny fifanekena+ nataon’i Jehovah, dia nitazana avy teo am-baravarankely i Mikala+ zanakavavin’i Saoly. Koa nony nahita an’i Davida Mpanjaka nitsinjatsinjaka sy nitotorebika izy,+ dia nanamavo+ azy anakampo.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara