Deoteronomia 25:15 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 15 Vatomizana marina sy ara-dalàna foana no tokony hanananao. Ary efaha marina sy ara-dalàna foana no tokony hanananao, mba ho lava andro iainana ianao eo amin’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao anao.+ Salamo 21:4 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 4 Ny ho ela velona no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany.+Nataonao lava andro iainana tokoa izy, eny, mandrakizay mihitsy aza.+ Salamo 91:16 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 16 Hataoko ela velona izy ka ho afa-po amin’izany,+Ary hataoko izay hahazoany famonjena avy amiko.+ Ohabolana 3:16 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 16 Andro maro no eo an-tanany ankavanana,+ ary harena sy voninahitra no eo an-tanany ankavia.+
15 Vatomizana marina sy ara-dalàna foana no tokony hanananao. Ary efaha marina sy ara-dalàna foana no tokony hanananao, mba ho lava andro iainana ianao eo amin’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao anao.+
4 Ny ho ela velona no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany.+Nataonao lava andro iainana tokoa izy, eny, mandrakizay mihitsy aza.+