19 Dia nodorany ny tranon’Andriamanitra,+ ary noravany ny mandan’i+ Jerosalema. Nodoran’izy ireo koa ny tilikambo fonenana rehetra teo aminy, mbamin’ny zava-tsarobidiny rehetra,+ ka rava avokoa ny zava-drehetra.+
14 Koa hataoko sahala amin’i Silo+ ity trano niantsoana ny anarako ity,+ na dia itokisanareo aza.+ Ary hataoko toy izany koa ity toerana nomeko anareo sy ny razanareo ity.
12 Koa hasaina toy ny saha i Ziona noho ny nataonareo, ary ho lasa korontam-bato miavosa i Jerosalema.+ Ary ny tendrombohitra misy ny tranon’Andriamanitra dia ho toy ny toerana avo any an’ala.