FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 30:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Hihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao mantsy ianao, mba hitandrina ny didiny sy ny lalàny voasoratra ato amin’ity boky misy ny lalàna ity,+ satria hiverina amin’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ianao.+

  • 1 Samoela 7:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Koa hoy i Samoela tamin’ny taranak’Israely manontolo: “Raha amin’ny fonareo manontolo no iverenanareo amin’i Jehovah,+ dia esory tsy ho eo aminareo ny andriamani-kafa+ sy ireo sarin’i Astarta.+ Atodiho amin’i Jehovah ny fonareo ka aza avela hiovaova, ary manompoa azy irery ihany,+ dia hanafaka anareo eo an-tanan’ny Filistinina izy.”+

  • Jeremia 4:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 “Raha hiverina ianao, ry Israely ô”, hoy i Jehovah, “dia miverena amiko.+ Ary raha harianao tsy ho eo anatrehako ireo zava-maharikoriko+ notompoinao, dia tsy ho lasa mpirenireny ianao.

  • Joela 2:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ary ny fonareo no rovito,+ fa tsy ny akanjonareo.+ Dia miverena amin’i Jehovah Andriamanitrareo, fa tsara fanahy sy mamindra fo izy,+ sady tsy mora tezitra+ no be hatsaram-panahy feno fitiavana.+ Ary hanenina ny amin’ilay loza kasainy hampiharina izy.+

  • Malakia 3:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Efa hatramin’ny andron’ny razanareo ianareo no niala tamin’ny fitsipiko sy tsy nitandrina izany.+ Miverena amiko, dia hiverina aminareo aho”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.

      Ary hoy ianareo: “Ahoana no hiverenanay aminao?”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara