-
Ezra 9:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Mpanompo izahay+ nefa tsy nafoinao na dia andevozina aza, ry Andriamanitray ô!+ Maneho hatsaram-panahy feno fitiavana aminay kosa ianao eo anatrehan’ireo mpanjakan’i Persa,+ mba hamelombelomana anay ka hananganana ny tranon’Andriamanitray+ sy hanorenana indray ireo toerany rava,+ ary hanomezana anay manda vato+ eto Joda sy Jerosalema.
-
-
Nehemia 1:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Ry Jehovah ô! Aoka re ny sofinao mba hihaino tsara ny vavaka+ ataon’ity mpanomponao, sy ataon’ireo mpanomponao, izay finaritra amin’ny fahatahorana ny anaranao e!+ Ary mba ataovy mahomby re izay ataon’ny mpanomponao anio e,+ ka ataovy miantra ahy io lehilahy io.”+
Mpandroso zava-pisotron’ny+ mpanjaka aho tamin’izay.
-