Nehemia 13:14 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 14 Mba tsarovy aho,+ ry Andriamanitro ô, noho izany zavatra izany. Ary aza hadinoina+ ny hatsaram-panahy feno fitiavana nasehoko momba ny tranonao+ sy ny fanompoana natao tao. Nehemia 13:31 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 31 Nalamiko koa ny famatsiana kitay+ amin’ny fotoana voatondro sy ny voaloham-bokatra. Mba tsarovy aho,+ ry Andriamanitro ô, ka aoka hahazo sitraka aminao.+ Salamo 18:24 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 24 Enga anie i Jehovah hamaly ahy araka ny fahamarinako,+Sy araka ny fahadiovan’ny tanako eo imasony!+ Salamo 106:4 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 4 Tsarovy aho Jehovah ô, ka ankasitraho toy ny ankasitrahanao ny olonao.+Aoka ianao hikarakara sy hamonjy ahy,+ Malakia 3:16 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 16 Tamin’izany andro izany, dia nifampiresaka tamin’ny namany avy ireo matahotra an’i Jehovah.+ Ary nihaino tsara i Jehovah ka nandre izany.+ Dia nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany,+ ho an’ireo matahotra an’i Jehovah sy misaintsaina ny anarany.+
14 Mba tsarovy aho,+ ry Andriamanitro ô, noho izany zavatra izany. Ary aza hadinoina+ ny hatsaram-panahy feno fitiavana nasehoko momba ny tranonao+ sy ny fanompoana natao tao.
31 Nalamiko koa ny famatsiana kitay+ amin’ny fotoana voatondro sy ny voaloham-bokatra. Mba tsarovy aho,+ ry Andriamanitro ô, ka aoka hahazo sitraka aminao.+
24 Enga anie i Jehovah hamaly ahy araka ny fahamarinako,+Sy araka ny fahadiovan’ny tanako eo imasony!+
4 Tsarovy aho Jehovah ô, ka ankasitraho toy ny ankasitrahanao ny olonao.+Aoka ianao hikarakara sy hamonjy ahy,+
16 Tamin’izany andro izany, dia nifampiresaka tamin’ny namany avy ireo matahotra an’i Jehovah.+ Ary nihaino tsara i Jehovah ka nandre izany.+ Dia nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany,+ ho an’ireo matahotra an’i Jehovah sy misaintsaina ny anarany.+