FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 3:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 dia hotanterahiko tokoa izany teninao izany.+ Koa homeko fo hendry sy mahiratra ianao,+ ka tsy hisy tahaka anao na ny tany alohanao na ny any aorianao.+

  • 1 Mpanjaka 4:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Nomen’Andriamanitra fahendrena+ sy fahiratan-tsaina+ tsy nisy hoatr’izany i Solomona, sady nomeny fo tena mahay manavaka,+ ka be dia be tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina+ no nomeny azy.

  • Joba 35:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Izy no mampianatra+ antsika hahay noho ny biby ambonin’ny tany,+

      Ary mahatonga antsika ho hendry noho ny voro-manidina eny amin’ny lanitra.

  • Ohabolana 2:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Fa i Jehovah no manome fahendrena,+ ary avy amin’ny vavany ny fahalalana sy ny fahaiza-manavaka.+

  • Mpitoriteny 2:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Ny olona ankasitrahan’Andriamanitra+ no omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana,+ fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba homena an’izay ankasitrahan’Andriamanitra.+ Zava-poana koa izany, sady toy ny misambo-drivotra fotsiny.+

  • Daniela 1:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ary nomen’Andriamanitra fahalalana sy fahaizana ny soratra rehetra sy ny fahendrena+ rehetra ireo ankizy efatra ireo. Ary nahay namantatra ny hevitry ny fahitana sy nofy i Daniela, na inona na inona karazan’izany.+

  • Matio 11:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Koa hoy i Jesosy tamin’izay fotoana izay: “Ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany ô, midera anao ampahibemaso aho, satria efa nafeninao tamin’ny hendry sy ny mahira-tsaina izany, fa nahariharinao tamin’ny zaza kosa.+

  • Jakoba 1:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Koa raha misy aminareo tsy ampy fahendrena,+ aoka izy tsy hitsahatra hangataka izany amin’Andriamanitra,+ fa malala-tanana amin’ny rehetra izy sady tsy manome tsiny.+ Dia homena azy izany.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara