FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 60:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Nataonao nahita fahoriana ny vahoakanao.+

      Nampisotroinao divay izahay, ka nivembena.+

  • Isaia 51:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 “Mifohaza! Mifohaza! Miarena, ry Jerosalema+ izay nisotro tamin’ny kaopin’ny fahatezerana teny an-tanan’i Jehovah.+ Nosotroinao ny tao anatin’ilay kaopy mampivembena, ka notaperinao.+

  • Jeremia 49:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Fa izao no nolazain’i Jehovah: “Na tsy mpisotro amin’ny kaopiko aza izy ireo, dia tsy maintsy hisotro.+ Koa ianao indray ve no havela ho afa-maina tsy ho voasazy? Tsy havela ho afa-maina mihitsy ianao, satria tsy maintsy hisotro amin’ny kaopiko ianao.”+

  • Apokalypsy 14:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 dia hisotro koa ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra izay araraka tsy mitampoka ao anatin’ny kaopin’ny fahatezerany,+ sady hampijalina+ amin’ny afo sy ny solifara+ eo imason’ny anjely masina sy ny Zanak’ondry.

  • Apokalypsy 16:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Dia nizara telo ilay tanàna lehibe,+ ary rava ireo tanànan’ny firenena. Ary notsarovan’Andriamanitra i Babylona Lehibe,+ mba homena ny kaopy misy ny divain’ny fisafoaky ny fahatezerany.+

  • Apokalypsy 18:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Valio araka izay nataony izy,+ ary avo roa heny mihitsy aza, eny, avo roa heny noho izay nataony no ataovy aminy koa.+ Ao amin’ny kaopy+ izay nasiany zava-pisotro mifangaro, dia asio zava-pisotro mifangaro avo roa heny+ ho azy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara