FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 16:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Lasa etona ilay ando avy eo, ary nisy zavatra manify mikarepoka tany an-tany efitra,+ dia zavatra toy ny ranomandry mitsiratsiraka+ teny amin’ny tany.

  • Eksodosy 16:35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 Ary nihinana mana nandritra ny efapolo taona ny zanak’Israely,+ mandra-pahatongany tany amin’izay tany nisy mponina.+ Ny mana no sakafon’izy ireo mandra-pahatongany tany amin’ny sisin’ny tany Kanana.+

  • Nomery 11:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Tahaka ny voan-kotimila+ ny mana,+ ary toy ny ditin’ny hazo matambelo+ no fahitana azy.

  • Deoteronomia 8:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Koa nampanetry tena anao izy, ka namela anao ho noana,+ sy nanome anao mana+ ho sakafo, dia ny mana izay tsy fantatrao sady tsy fantatry ny razanao, mba hampahafantarana anao fa tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.+

  • Nehemia 9:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Nomenao mofo avy tany an-danitra izy ireo rehefa noana,+ ary namoahanao rano avy tamin’ny vatolampy rehefa nangetaheta,+ ka nasainao niditra+ haka an’ilay tany efa nanangananao tanana sy nianiananao homena azy.+

  • Jaona 6:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Ny razantsika mantsy nihinana ny mana+ tany an-tany efitra, araka ny voasoratra hoe: ‘Mofo avy any an-danitra no nomeny hohanin’izy ireo.’”+

  • 1 Korintianina 10:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 ary nihinana sakafo ara-panahy+ mitovy ihany izy rehetra,

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara