FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 15:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Ary hoy koa Izy: “Raha mihaino tsara ny feon’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, ary manao izay mahitsy eo imasony ka tena mihaino ny didiny sy mitandrina ny fitsipiny rehetra,+ dia tsy hisy halefako aminareo ny aretina nalefako tamin’ny Ejipsianina,+ fa izaho no Jehovah izay manasitrana anareo.”+

  • Deoteronomia 7:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Hesorin’i Jehovah tsy ho eo aminao tokoa ny aretina rehetra. Ary tsy hisy hataony mahazo anao ny areti-mandoza rehetra tany Ejipta izay efa fantatrao,+ fa izay rehetra mankahala anao kosa no hataony azon’izany.

  • Salamo 41:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 I Jehovah no hanohana azy eo amin’ny fandriana aharariany.+

      Hikarakara azy eo amin’ny farafarany ianao, mandritra ny fotoana aharariany.+

  • Salamo 147:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Manasitrana+ an’ireo torotoro fo izy,+

      Ary manisy fehy ny ratran’izy ireo.+

  • Isaia 33:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Ary tsy hisy mponina hilaza hoe: “Marary aho.”+ Ho voavela heloka+ ny olona monina ao amin’ilay tany.

  • Jeremia 17:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Sitrano aho, Jehovah ô, dia ho sitrana.+ Vonjeo aho, dia ho voavonjy,+ fa ianao no deraiko.+

  • Jakoba 5:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Fa hanasitrana ilay marary ny vavaka+ atao amim-pinoana, ary i Jehovah hanarina azy.+ Raha nanota koa izy, dia havela ny helony.+

  • Apokalypsy 21:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Ary hofafany ny ranomaso+ rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony,+ sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana,+ fa efa lasa ny zavatra taloha.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara