24 Ary niankohoka teo an-tongony+ ravehivavy ka niteny hoe: “Aoka ho ahy ny fahadisoana,+ tompoko. Ary mba avelao ny mpanompovavinao hiteny kely aminao,+ ka henoy ny tenin’ny mpanompovavinao.
14 Fa raha mangina tsy miteny ianao amin’izao, dia avy any an-toeran-kafa no hiavian’ny famonjena sy fanafahana ny Jiosy.+ Ianao sy ny ankohonan-drainao anefa ho faty. Ary iza no mahalala raha ho amin’ny toe-javatra toy izao indrindra no nisandratanao ho vadin’ny mpanjaka?”+