FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Joba 11:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Hahafantatra ny zava-dalin’Andriamanitra ve ianao,+

      Sa hahafantatra ny fetran’ny fahalehibeazan’ilay Mahery Indrindra?

  • Joba 26:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Vao ampahany kely amin’ny zava-bitany izany,+

      Ary vao bitsibitsika ihany no mba rentsika momba azy!

      Fa raha ny kotroka mafy avy aminy kosa, iza no mahalala izany?”+

  • Salamo 40:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  5 Maro ny zavatra nataonao,+

      Jehovah Andriamanitro ô, eny, maro ny asanao mahatalanjona sy ny fikasanao momba anay.+

      Tsy misy azo ampitahaina aminao.+

      Raha te hilaza sy hiresaka momba izany aho,

      Dia maro loatra ireny ka tsy ho voatanisako.+

  • Mpitoriteny 8:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ary hitako ny asa rehetra nataon’Andriamanitra.+ Hitako koa fa tsy ho vitan’ny olombelona ny hamantatra ny asa atao etỳ ambanin’ny masoandro.+ Na miezaka mafy toy inona aza izy mba hitady izany, dia tsy hahita.+ Ary na dia hilaza aza izy fa manana ny fahendrena ilaina mba hahalalana izany,+ dia mbola tsy hahafantatra ihany.+

  • Romanina 11:33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Lalina tokoa ny harenan’Andriamanitra+ sy ny fahendreny+ ary ny fahalalany!+ Tsy takatry ny saina tokoa ny fitsarany+ ary tsy hay fantarina ny lalany!

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara