FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ezekiela 21:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Mijanona eo amin’ny fihaonan-dalana mantsy ny mpanjakan’i Babylona, eo amin’izay isampanan’ny lalana ho roa, mba hanao sikidy.+ Nahontsankontsany ireo zana-tsipìka. Nanontany tamin’ny alalan’ny terafima*+ izy. Ary nodinihiny ny atin-kena.

  • Daniela 2:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Koa nampanantsoin’ny mpanjaka ny mpisorona+ mampiasa herin’ny maizina sy ny mpila hevitra amin’ny maty sy ny mpilalao ody ary ny Kaldeanina, mba hilaza aminy ilay nofiny.+ Dia tonga izy ireo, ka nijoro teo anatrehan’ny mpanjaka.

  • Daniela 5:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Koa niantsoantso mafy ny mpanjaka mba hoentina eo aminy ny mpila hevitra amin’ny maty sy ny Kaldeanina ary ny mpanandro.+ Dia hoy izy tamin’ireo olon-kendrin’i Babylona ireo: “Izay mahavaky io soratra io ka milaza amiko ny heviny, dia hampanaovina akanjo volomparasy,+ hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho mpitondra fahatelo eto amin’ny fanjakana izy.”+

  • Apokalypsy 18:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 ary tsy hisy fahazavan’ny jiro intsony hamirapiratra ao aminao, ary tsy hisy feon’ny mpampakatra na ny ampakarina ho re ao aminao intsony,+ satria manam-pahefana ambony+ teny ambonin’ny tany ny mpivaro-mandehanao,+ ary voafitaky ny filalaovanao ody+ ny firenena rehetra.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara