2 Tantara 36:21 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 21 Izany dia mba hahatanteraka ny tenin’i Jehovah nolazain’i Jeremia,+ mandra-panonitr’ilay tany ny sabatany.+ Nitandrina sabata ilay tany nandritra ny andro rehetra tsy nisian’ny mponina teo aminy, mandra-pahatapitry ny fitopolo taona.+ Isaia 1:7 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 7 Lao ny taninareo,+ kilan’ny afo ny tanànanareo,+ ary lanin’ny hafa firenena+ eo imasonareo ny vokatry ny taninareo.+ Eny, lao ny taninareo, toy ny hoe noravan’ny hafa firenena.+ Isaia 3:26 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 26 Hisaona+ sy halahelo ny vavahadin’ny tanàna. Hofoanana daholo ny zavatra ao amin’ilay tanàna, ary hitombina amin’ny tany+ izy.” Isaia 24:1 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 24 Ataon’i Jehovah tsy misy na inona na inona ny tany, ka manjary lao.+ Nataony nivadika ambony ambany+ ny tany, ary naparitany ny mponina teo aminy.+
21 Izany dia mba hahatanteraka ny tenin’i Jehovah nolazain’i Jeremia,+ mandra-panonitr’ilay tany ny sabatany.+ Nitandrina sabata ilay tany nandritra ny andro rehetra tsy nisian’ny mponina teo aminy, mandra-pahatapitry ny fitopolo taona.+
7 Lao ny taninareo,+ kilan’ny afo ny tanànanareo,+ ary lanin’ny hafa firenena+ eo imasonareo ny vokatry ny taninareo.+ Eny, lao ny taninareo, toy ny hoe noravan’ny hafa firenena.+
26 Hisaona+ sy halahelo ny vavahadin’ny tanàna. Hofoanana daholo ny zavatra ao amin’ilay tanàna, ary hitombina amin’ny tany+ izy.”
24 Ataon’i Jehovah tsy misy na inona na inona ny tany, ka manjary lao.+ Nataony nivadika ambony ambany+ ny tany, ary naparitany ny mponina teo aminy.+