FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 2:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Orohy ilay zanaka,+ mba tsy ho tezitra Andriamanitra,

      Ary mba tsy ho ringana* ianareo,+

      Fa mora mirehitra ny fahatezerany.+

      Sambatra izay rehetra mialoka aminy!+

  • Isaia 41:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 “Ho menatra sy ho afa-baraka izay rehetra tezitra aminao,+ ary ho lasa tsinontsinona sy ho levona+ ny olona mifanditra aminao.

  • Daniela 2:44
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 44 “Amin’ny andron’ireo mpanjaka+ ireo, dia hanorina fanjakana+ tsy ho rava mandrakizay+ ilay Andriamanitry ny lanitra,+ ary tsy ho lasan’olon-kafa izany fanjakana izany.+ Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo,+ fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.+

  • Lioka 19:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Ary ento atỳ koa ireo fahavaloko tsy manaiky hanjakako ireo, ka aripaho eto anatrehako.’”+

  • Apokalypsy 2:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Ary hifehy* ny olona amin’ny tehim-by izy,+ dia ho potipotika toy ny vilany tanimanga ireny.+ Eny, homeko fahefana izy, tahaka izay noraisiko avy tamin’ny Raiko.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara