FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 32:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Nanao izay hahasaro-piaro+ Azy izy ireo noho ireo andriamani-kafa+ nivavahan’izy ireo,

      Sady tsy nitsahatra nampahatezitra Azy noho ireo zava-maharikoriko.+

  • 2 Mpanjaka 17:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ary nandoro* ny zanany lahy sy ny zanany vavy tao anaty afo+ izy ireo, sady nanao sikidy+ sy nitady fambara,+ ary tsy nanan-tsaina afa-tsy+ ny hanao izay ratsy teo imason’i Jehovah, mba hampahatezitra+ azy.

  • 2 Mpanjaka 22:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Nahafoy ahy mantsy izy ireo ka nanolotra setroka ho sorona ho an’andriamani-kafa,+ mba hampahatezitra ahy amin’ny asan’ny tanany rehetra.+ Ary nirehitra tamin’ity toerana ity ny fahatezerako ka tsy hovonoina.’”’+

  • Jeremia 32:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Hiditra ato amin’ity tanàna ity ny Kaldeanina mpanafika azy, ka handrehitra sy handoro azy.+ Hodorany koa ny trano izay nanolorana fanatitra teny an-tampony, izany hoe nanolorana setroka ho sorona ho an’i Bala, sady nandrarahana fanatitra zava-pisotro ho an’andriamani-kafa mba hampahatezitra ahy.’+

  • Jeremia 32:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 “‘Fa nanao izay ratsy teo imasoko efa hatramin’ny fahazazany ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda.+ Ary mbola mampahatezitra ahy amin’ny asan’ny tanany ihany ny taranak’i Israely’,+ hoy i Jehovah.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara