13 Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Ny mpanompoko hihinana,+ fa ianareo kosa ho noana.+ Ny mpanompoko hisotro,+ fa ianareo kosa hangetaheta.+ Ny mpanompoko hifaly,+ fa ianareo kosa ho menatra.+
18 Aoka ho menatra ireo mpanenjika ahy,+ fa izaho kosa tsy mba ho menatra.+ Aoka hihorohoro izy ireo, fa izaho kosa tsy mba hihorohoro. Ataovy tonga aminy ny andro mahory,+ ary ataovy avo roa heny ny fahavoazana mahazo azy.+