FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 19:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Koa noravany ireo tanàna ireo, dia ilay faritra manontolo sy ny mponina rehetra tao amin’ireo tanàna ary ny zavamaniry tamin’ny tany.+

  • Deoteronomia 29:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 sy ny solifara sy ny sira+ ary ny afo+ mandoro, izay hahatonga ilay tany manontolo tsy hamafazam-boa sady tsy hisy voa hitsimoka na zavatra haniry. Toy izany no nandravana an’i Sodoma sy Gomora+ sy Adma+ ary Zeboima,+ izay noravan’i Jehovah tao anatin’ny fahatezerany sy ny fahavinirany.+

  • Jeremia 50:40
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 40 “Toy ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy Gomora+ ary ireo tanàna manodidina azy”,+ hoy i Jehovah, “no hanjo an’i Babylona, ka tsy hisy honina intsony ao, ary tsy hisy zanak’olombelona hivahiny ao.+

  • Amosa 4:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 “‘Noravako ny taninareo toy ny nandravako an’i Sodoma sy Gomora,+ ary lasa toy ny kitay nosarihana haingana avy tao anaty afo ianareo.+ Tsy niverina tamiko anefa ianareo’,+ hoy i Jehovah.

  • Zefania 2:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Koa raha mbola velona koa aho”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely, “dia ho lasa tahaka an’i Sodoma i Moaba,+ ary ho tahaka an’i Gomora ny taranak’i Amona,+ eny, ho feno tsilo sy hanjary ho lava-tsira ary tsy hisy mponina, mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ Horobain’ny sisa amin’ny oloko izy ireo, ary ho lasa fananan’ny sisa amin’ny vahoakako.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara