FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 55:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany,+ ary ny mpanisy ratsy olona hahafoy ny heviny.+ Aoka izy hiverina amin’i Jehovah, izay hamindra fo aminy.+ Ary aoka izy hiverina amin’Andriamanitsika, fa tena mamela heloka tanteraka izy.+

  • Jeremia 7:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Nanorina an’ireo toerana avo ao Tofeta+ izay ao amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma+ izy ireo, mba handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy amin’ny afo,+ nefa tsy nandidy azy hanao izany aho ary tsy tao an-tsaiko* akory aza izany.’+

  • Jeremia 18:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 nefa miala amin’ilay faharatsiana nanamelohako azy ilay firenena,+ dia hanenenako ny loza noeritreretiko hamelezana azy.+

  • Ezekiela 33:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Lazao aminy hoe: ‘“Raha mbola velona koa aho”, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, “dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy,+ fa ny hialany amin’ny lalan-dratsiny+ mba ho velona izy.+ Mialà, mialà amin’ny lalan-dratsinareo,+ fa nahoana ianareo no ho faty, ry taranak’Israely?”’+

  • Hebreo 12:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Nanafay antsika andro vitsy izy ireny araka izay hitany fa mety,+ fa izy kosa manao izany mba hahasoa antsika ka hananantsika anjara amin’ny fahamasinany.+

  • Jakoba 1:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Rehefa misy fitsapana,+ dia aoka izy tsy hilaza hoe: “Fitsapana avy amin’Andriamanitra izao.” Sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy mantsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.

  • 2 Petera 3:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Tsy mba ela i Jehovah raha ny amin’ny fampanantenany,+ araka izay heverin’ny sasany ho fahelana, fa manam-paharetana aminareo izy, satria tsy tiany hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana+ kosa ny rehetra.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara