FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 49:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Mandosira!+ Mialà ao! Midìna hiafina ao amin’ny lalina,+ ry mponin’i Dedana!+ Fa hataoko mihatra aminy ny loza nanjo an’i Esao, amin’ny fotoana hitodihako manokana aminy.+

  • Fitomaniana 4:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Tapitra ny sazy vokatry ny fahadisoanao, ry zanakavavin’i Ziona ô!+ Tsy halefany any an-tsesitany intsony ianao.+

      Mandinika ny fahadisoanao indray izy, ry zanakavavin’i Edoma ô! Aharihariny ny fahotanao.+

  • Ezekiela 36:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 eny, izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Ao anatin’ny hafanam-poko miredareda no hanamelohako+ an’ireo firenena sisa tavela sy i Edoma manontolo,+ dia ireo nifaly tamin’ny fony manontolo rehefa naka ny taniko,+ sady mbola nanesoeso tany am-pony.+ Nanao izany izy ireo mba hakana ny kijana ao amin’ny taniko sy handrobana azy.’”’+

  • Amosa 1:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Noho ny nikomian’i Edoma+ intelo, eny, inefatra aza, dia tsy hotsoahako ny didim-pitsarako, satria izy nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra,+ sady tsy niantra mihitsy.+ Ny fahatezerany dia namiravira tsy nisy farany, ary notehiriziny mandrakizay ny fahavinirany.+

  • Obadia 1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 1 Ny fahitan’i Obadia:

      Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony, momba an’i Edoma:+ “Nandre tatitra avy amin’i Jehovah izahay, ary nisy iraka nalefa tany amin’ireo firenena hilaza hoe: ‘Mitsangàna! Andao hiady aminy!’”+

  • Obadia 10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Koa hanarona anao ny henatra,+ ary ho ringana mandrakizay ianao,+ noho ny herisetra nihatra tamin’i Jakoba rahalahinao.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara