FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 49:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 “Higagan’ny olona i Edoma.+ Hitolagaga izay rehetra mandalo eo ka hisioka noho ny loza rehetra nanjo azy.+

  • Jeremia 49:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Toy ny nandravana an’i Sodoma sy Gomora ary ireo tanàna manodidina azy”,+ hoy i Jehovah, “no hanjo an’i Edoma, ka tsy hisy honina intsony ao, ary tsy hisy zanak’olombelona hivahiny ao.+

  • Ezekiela 25:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 dia izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Haninjitra ny tanako hamely an’i Edoma+ koa aho ka horinganiko ny olona sy ny biby fiompy ao,+ ary horavako tanteraka izy, manomboka any Temana+ ka hatrany Dedana.+ Ho lavon-tsabatra izy ireo.

  • Malakia 1:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 “Ary satria i Edoma manao hoe: ‘Notorotoroina izahay, nefa hiverina hanorina ireo tanàna rava’, dia hoy i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Izy ireo hanorina, fa izaho kosa handrava.+ Ary ny olona dia hiantso azy ireo hoe “tanin’ny faharatsiana” sy “vahoaka nomelohin’i Jehovah+ mandritra ny fotoana tsy voafetra.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara