FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 6:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Dia hoy Andriamanitra tamin’i Noa: “Efa eto anatrehako ny faran’ny nofo rehetra,+ satria feno herisetra ny tany noho ny ataon’izy ireo. Koa haringako izy ireo, ary hosimbako koa ny tany.+

  • 2 Mpanjaka 21:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ary be dia be ny ran’olona tsy manan-tsiny nalatsak’i Manase,+ ka nofenoiny ra i Jerosalema. Izany dia ankoatra ny fahotana izay nataony sy nampanotany ny Joda, ka nahatonga ny Joda hanao izay ratsy teo imason’i Jehovah.+

  • Jeremia 19:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Nahafoy ahy+ mantsy ny vahoaka, ary nataony izay tsy hahafantarana intsony an’ity toerana ity.+ Nanolotra setroka ho sorona ho an’andriamani-kafa izy ireo teto, dia andriamanitra tsy fantatr’izy ireo+ sy ny razany ary ny mpanjakan’ny Joda. Ary nataony feno ran’olona tsy manan-tsiny ity toerana ity.+

  • Ezekiela 9:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Koa hoy izy tamiko: “Lehibe dia lehibe+ ny fahadisoan’ny taranak’Israely sy Joda,+ ka feno fandatsahan-dra+ ilay tany ary manjaka ao an-tanàna ny tsy fahamarinana.+ Nilaza mantsy ny olona hoe: ‘Efa nafoin’i Jehovah ny tanintsika!+ Tsy mahita i Jehovah!’+

  • Zefania 1:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Ary amin’izany andro izany no hamaliako an’izay rehetra miakatra eo amin’ny lampihazo, sy izay mameno herisetra sy fitaka ny tranon’ny tompony.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara