Genesisy 13:10 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 10 Koa nanopy ny masony i Lota, dia nahatazana ny Faritr’i Jordana manontolo+ hatrany Zoara.+ Azon-drano tsara ilay faritra manontolo talohan’ny nandravan’i Jehovah an’i Sodoma sy Gomora. Eny, tahaka ny zaridainan’i Jehovah+ ilay faritra, tahaka ny tany Ejipta. Deoteronomia 8:10 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 10 “Rehefa mihinana ianao ka voky,+ dia misaora+ an’i Jehovah Andriamanitrao noho ilay tany soa nomeny anao.+ Deoteronomia 32:15 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 15 Nandaka+ i Jesorona+ rehefa nihanatavy.Ry Jesorona ô, lasa natavy sy dongadonga ianao sady voky be.+Dia nahafoy an’Andriamanitra izay nanao azy+ izy,Ary nanamavo an’ilay Vatolampy+ famonjena azy. Ohabolana 30:9 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 9 sao ho voky aho ka handa anao+ ary hilaza hoe: “Fa iza moa i Jehovah?”,+ na ho lasa mahantra aho ka hangalatra ary hanala baraka ny anaran’Andriamanitro.+ Lioka 12:21 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 21 Izany koa no hanjo ny olona mihary harena ho an’ny tenany, nefa tsy mba manankarena eo imason’Andriamanitra.”+
10 Koa nanopy ny masony i Lota, dia nahatazana ny Faritr’i Jordana manontolo+ hatrany Zoara.+ Azon-drano tsara ilay faritra manontolo talohan’ny nandravan’i Jehovah an’i Sodoma sy Gomora. Eny, tahaka ny zaridainan’i Jehovah+ ilay faritra, tahaka ny tany Ejipta.
10 “Rehefa mihinana ianao ka voky,+ dia misaora+ an’i Jehovah Andriamanitrao noho ilay tany soa nomeny anao.+
15 Nandaka+ i Jesorona+ rehefa nihanatavy.Ry Jesorona ô, lasa natavy sy dongadonga ianao sady voky be.+Dia nahafoy an’Andriamanitra izay nanao azy+ izy,Ary nanamavo an’ilay Vatolampy+ famonjena azy.
9 sao ho voky aho ka handa anao+ ary hilaza hoe: “Fa iza moa i Jehovah?”,+ na ho lasa mahantra aho ka hangalatra ary hanala baraka ny anaran’Andriamanitro.+
21 Izany koa no hanjo ny olona mihary harena ho an’ny tenany, nefa tsy mba manankarena eo imason’Andriamanitra.”+