FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ezra 1:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 1 Ary tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy+ mpanjakan’i Persa, dia nentanin’i+ Jehovah i Kyrosy* mpanjakan’i Persa mba hahatanteraka ny tenin’i Jehovah nolazain’i Jeremia.+ Koa nanao izao antso avo+ izao nanerana ny fanjakany izy, sady nanao izany an-tsoratra:+

  • Isaia 21:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Misy fahitana mafonja+ naseho tamiko: Ny mpamitaka dia mamitaka, ary ny mpandroba mandroba.+ Miakara, ry Elama! Manaova fahirano, ry Media!+ Efa natsahatro daholo ny fisentoana vokatry ny nataony.+

  • Isaia 45:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 45 Izao no nolazain’i Jehovah tamin’ilay voahosony,+ dia i Kyrosy, izay notantanako tamin’ny tanany ankavanana,+ mba handreseko firenena eo anoloany+ ka hamahako ny fehikibo eo amin’ny andilan’ny mpanjaka, ary mba hanokafako ny varavarana kopa-droa eo anoloany ka na ny vavahady aza dia tsy hikatona:

  • Jeremia 50:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Fa hanentana firenen-dehibe maro avy any avaratra+ aho ka hivondrona ireny, ary hampiakariko hamely an’i Babylona. Dia hilahatra hiady aminy ireny,+ ka avy any no hahazoany an’i Babylona.+ Ny zana-tsipìkan’ireny dia toy ny an’ny lehilahy mahery izay mandripaka ankizy. Tsy hiverim-potsiny ny lehilahy toy izany.+

  • Daniela 6:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Ary nahita fahombiazana i Daniela tao amin’ny fanjakan’i Dariosy+ sy ny fanjakan’i Kyrosy Persianina.+

  • Daniela 9:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariosy,+ zanak’i Ahasoerosy, taranaky ny Medianina,+ izay notendrena ho mpanjaka teo amin’ny fanjakan’ny Kaldeanina,+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara