65 Ary tsy ho afaka hiala sasatra+ ianao any amin’ireo firenena ireo, sady tsy hahita toerana hametrahanao ny faladianao. Hataon’i Jehovah mipararetra ny fonao+ sy ho simba ny masonao+ ary ho kivy ianao any.
12 Ny ampahatelonareo ho fatin’ny areti-mandringana+ sy ho ripaky ny mosary eo anivonareo.+ Ary ny ampahatelony kosa ho lavon-tsabatra manodidina anareo. Ny ampahatelony sisa kosa haeliko any amin’ny vazan-tany efatra,+ ary hanatsoaka sabatra aho hamelezana azy ireo.+