15 ary raha mandika ny lalàko+ ianareo na mankahala ny didim-pitsarako, ka tsy mankatò ny didiko rehetra, ary tsy hajainareo hatramin’ny fifanekena nataoko taminareo,+
14 Ary na ny lehiben’ny mpisorona+ rehetra sy ny vahoaka aza, dia nivadika tamin’Andriamanitra, ka nanao ny zava-maharikoriko+ rehetra fanaon’ireo firenena. Koa nolotoin’izy ireo ny tranon’i Jehovah, izay nohamasininy tao Jerosalema.+
7 Tena nanao ratsy taminao tokoa izahay,+ sady tsy nanaraka ny didy+ sy ny fitsipika+ ary ny didim-pitsarana+ izay nandidianao an’i Mosesy mpanomponao.+
11 Nandika ny lalànao ny Israely rehetra, sady tsy nankatò ny teninao.+ Koa nampiharinao taminay ny ozona sy ny fianianana+ voasoratra ao amin’ny lalàn’i Mosesy mpanomponao, satria nanota taminao izahay.