FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Daniela 3:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Ary na tsy hamonjy anay aza izy, dia aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa tsy hanompo an’ireo andriamanitrao izahay, ary tsy hivavaka+ amin’ilay sarivongana volamena natsanganao.”

  • Malakia 3:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 “Hisy olona ho sahy handroba an’Andriamanitra ve? Ianareo anefa mandroba ahy.”

      Dia hoy ianareo: “Tamin’inona izahay no nandroba anao?”

      “Tamin’ny ampahafolon-karena sy ny fanomezana.

  • Marka 12:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Koa hoy i Jesosy: “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara,+ fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.”+ Ary gaga tamin’ny teniny ireo.+

  • Lioka 20:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Dia hoy izy tamin’ireo: “Aloavy amin’i Kaisara àry izay an’i Kaisara,+ fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.”+

  • Lioka 23:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Ary nanomboka niampanga azy+ izy ireo hoe: “Ity lehilahy ity hitanay nampikomy+ ny firenenay, ary nandrara tsy handoa hetra+ amin’i Kaisara, sady nilaza fa izy no Kristy mpanjaka.”+

  • Romanina 13:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Aloavy amin’izy rehetra àry izay tokony ho azy avy: Ny hetra+ ho an’izay mitaky hetra, ny haba ho an’izay mitaky haba, ny tahotra ho an’izay tokony hatahorana,+ ny haja ho an’izay tokony hohajaina.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara