FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 49:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary hoy izy: “Tsy zavatra kely ny nahatongavanao ho mpanompoko hanangana ny fokon’i Jakoba, sy hampody an’ireo narovana teo amin’i Israely.+ Nomeko ho fahazavan’ny hafa firenena+ koa ianao, mba hitaran’ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.”+

  • Matio 1:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Hiteraka zazalahy izy, ary ataovy hoe Jesosy* ny anarany,+ fa izy no hamonjy+ ny fireneny+ ho afaka amin’ny fahotan’izy ireo.”+

  • Jaona 1:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Hitany nanatona azy i Jesosy ny ampitson’iny, ka hoy izy: “Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra+ izay manaisotra ny fahotan’izao+ tontolo izao!+

  • Asan’ny Apostoly 13:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Araka ny efa nampanantenain’Andriamanitra, dia avy tamin’ny taranak’i+ Davida no nanomezany mpamonjy+ ho an’ny Israely, dia i Jesosy.

  • 1 Timoty 1:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Azo antoka ka tena mendrika ny hekena izao teny izao:+ Tonga teo amin’izao tontolo izao i Kristy Jesosy mba hamonjy ny mpanota,+ ary izaho no lohany tamin’ireny.+

  • 1 Jaona 4:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ary ny tenanay mihitsy koa no efa nahita+ ka manambara+ fa ny Ray efa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an’izao tontolo izao.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara