17 Tsy ny hanameloka+ an’izao tontolo izao no nanirahan’Andriamanitra ny Zanany ho amin’izao tontolo izao, fa ny hamonjy+ izao tontolo izao kosa amin’ny alalany.
42 Ary hoy ireo tamin’ilay vehivavy: “Tsy noho ny filazanao intsony izao no inoanay, fa ny tenanay mihitsy no nandre,+ ka fantatray fa io tokoa no mpamonjy+ an’izao tontolo izao.”
47 Fa raha misy mandre ny teniko, nefa tsy mitandrina azy, dia tsy mitsara azy aho. Fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao aho,+ fa hamonjy izao tontolo izao.+
31 Nasandratr’Andriamanitra ho eo ankavanany+ anefa izy, ka tonga Mpitarika Lehibe Indrindra+ sy Mpamonjy,+ mba hahafahan’ny Israely hibebaka+ sy hahazo famelan-keloka.+