FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g92 8/7 p. 26-28
  • Ilay kalalao mafy aina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay kalalao mafy aina
  • Mifohaza!—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy mifidifidy hanina izy ireo
  • Tsy misy maha-tsara azy mihitsy ve?
  • Ny fanesorana azy ireo tsy ho ao an-tokantranonao intsony
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
    Mifohaza!—1997
  • Aoka ny sakafonao ho azo antoka
    Mifohaza!—1990
  • Zava-tsarotra tsy maintsy resena — Ny fahadiovana
    Mifohaza!—1990
  • Afaka ny ho Toerana Mahafinaritra ny Lakozia
    Mifohaza!—1997
Mifohaza!—1992
g92 8/7 p. 26-28

Ilay kalalao mafy aina

NA DIA olona an-tapitrisany maro aza no nandre ilay hira vakodrazana meksikanina mampihetsiketsika hoe “La Cucaracha” (Rakalalao), raha ny marina, dia tsy maro ny vehivavy mpikarakara tokantrano ho velon-kira ny amin’izy io rehefa mahita ireo bibikely mitsoriaka mitady fialofana ao an-dakozia. Ho an’ny ankamaroan’ny olona, ny kalalao dia bibikely manorisory. Tsy manintona ny bikany, amintsika fara faharatsiny. Mitondra aretina izy. Mampandoa ny fofony maimbo.

Na dia eo aza anefa izany fankahalan’ny olombelona azy izany, dia mirongatra ihany ny kalalao. Ny fahafahan’izy ireo manatody betsaka, miaraka amin’ny saika tsy fisian’ny fahavalony voajanahary sy ny fahaizan’ny kalalao mifanaraka amin’ny toe-javatra rehetra ary ny fahaizany miaro tena, dia miteraka haingana dia haingana andiam-biby mihahohaho tsy misy ohatra izany. Ny kalalao alemanina mahazatra, ohatra, dia afaka manana taranaka maherin’ny 35 000 mora foana ao anatin’ny herintaona. Izany no antsalany aminy, fa tsy ny be indrindra izay mety hihoatra ny 100 000 ao anatin’ny herintaona. Inona no mahatonga izany? Ny kitapo kely iray fitoeran’atodin’ny kalalao alemanina, dia mety hitondra hatramin’ny atody 48. Ny kalalao vavy dia mamoaka kitapo kely fitoeran’atody fito mandritra ny androm-piainany izay maharitra 140 andro amin’ny antsalany. Raha mandeha tsara daholo ny zava-drehetra ho an’ny kalalao, ny kalalao vavy niara-teraka tsirairay izay mamokatra atody mitovy isa, dia mamoaka kalalao an’aliny maro ao anatin’ny fotoana fohy dia fohy.

Ny ankamaroan’ireo karazana kalalao maherin’ny 2 000 dia miaina any ivelan’ny trano, tsy voamariky ny olombelona. Ny vitsivitsy aminy kosa, toy ilay karazany alemanina, dia tia kokoa ny tranon’olombelona ho fonenana. Raha ny marina, dia tena tsy misy dikany ny anaram-pirenena omena ny kalalao (amerikanina, aostralianina, alemanina, tatsinanana, sy ny toy izany). Lazaina fa ireo Eoropeana dia manome ny kalalao ny anaran’ireo tany mifanila aminy. Ny Romana dia niantso azy hoe lucifuga, avy amin’ny fahazarany mandositra ny hazavana. Ilay teny anglisy hoe “cockroach” dia avy amin’ilay teny espaniola hoe cucaracha.

Manao tatitra ny mpandinika ny bibikely sasany fa manam-piainam-pianakaviana sambatra ny kalalao. Nisy kalalao lehibe hita nibaby kalalao mbola kely. Nisy reny kalalao hita nanampy kalalao vao foy hivoaka avy tao anatin’ilay fitoeran’atody. Rehefa foy izy ireo dia mazàna angonin-dreniny miaraka ary koboniny, ary fahita ny zanaka kalalao tafaray amin’ireo efa lehibebe kokoa.

Tsy mifidifidy hanina izy ireo

Mivelona saika amin’ny zavatra rehetra ny kalalao. Haniny izay rehetra hanin’ny olombelona, ary zavatra maro hafa koa toy ny hoditra, volo, temitra ary fatim-biby. Haniny koa ny boky — indrindra raha voaloton’ny hatsembohana izy ireny — ary haniny ny fonony mba hahazoany ilay dity ao ambaniny. Any amin’ny faritra sasany eo amin’izao tontolo izao, dia tsy azo ampiasaina ho toy ny taratasim-panjakana ara-dalàna ny taratasy hodi-biby, satria simban’ny kalalao na potehiny matetika izy io. Tia ny toerana maloto sy ny loto izy ireo, kanefa mety hanafika na dia ireo toerana madio indrindra koa aza.

Raha ny marina, dia tsy mila sakafo betsaka ny kalalao. Ny 12 aminy dia afaka mivelona, mandritra ny herinandro, amin’ny dity eo amin’ny hajia iray monja. Zava-dehibe kokoa ho azy ny rano ka izany no antony ahitana azy ireo indrindra any an-dakozia na any amin’ny efitrano fandroana.

Ny kalalao dia nampangaina ho mpitondra bakteria sy virosy izay mahatonga hépatite infectieuse (karazan’aretin’aty), aretin-kibo azo avy amin’ny sakafo voaloto, aretina mamely ny taovam-pamaniana, aretin-koditra, tohina na hoe allergies, ary disanteria — mba hanononana vitsivitsy amin’ireo aretina entiny. Rehefa mandehandeha etsy sy eroa izy ireo dia mandoto ny sakafo sy ireo fitaovana ao an-dakozia ary mamela fofona ratsy izay vokatra mitambatry ny malotony sy ny ranon-javatra avy amin’ny taovany mamoaka fofona ary ranon-javatra matro-bolo izay aloany mba handemy ny sakafony, alohan’ny hihinanany azy. Tokony hosasana tanteraka ary avy eo dia hampandalovina amin’ny rano mangotraka ireo lovia voalotony; raha tsy izany dia hiverina ilay fofona maharikoriko rehefa asiana sakafo mafana ilay lovia.

Tsy misy maha-tsara azy mihitsy ve?

Mba misy zavatra tsara ve ny amin’ny kalalao? Raha ny marina, izy io dia zavaboary kely tena be kojakojany tokoa. Ireo taovam-pahatsapan’ny kalalao dia mahatsapa ny fiovan’ny herin’ny rivotra sy ny mari-pana, sady mamantatra ny toerana misy rano ary mampilaza ny fanatonan’ny fahavalo. Ireo tandroky ny kalalao dia manana tendron-kozatra 40 000 izay manao ny fitsapana, ny fandrenesana tsiron-javatra ary ny fanimboloana ho an’ny kalalao. Ireo taovam-pahatsapan’ny kalalao lehibe indrindra dia ireo masony marolafy, izay voaforon’ny fitaratra madinika maro be, kanefa dia tsy mahita tsara akory ny kalalao. Na dia izany aza, dia tena mora taitran’izay mety ho fihetsehana izy ary manamarika haingana na dia ny fiovana faran’izay kely eo amin’ny herin’ny hazavana aza. Ireo cerques, na tapany fanampiny misampana roa eo amin’ny faran’ny kibony, dia mahatsapa ny hovitra, ary koa ny fandehan’ny feo na ny an’ny rivotra ka mampitsoriaka ilay bibikely ho any amin’ny misy triatra na vakivaky akaiky indrindra. Ny kalalao, rehefa taitra, dia afaka mihetsika ao anatin’ny fotoana fohy dia fohy — ao anatin’ny 0,054 segondra — ary dia mandositra haingana!

Miaina amin’ny alalan’ny lavadavaka madinika eo amin’ny andaniny avy amin’ny vatany ny kalalao. Fantsona iray goavana mahasahana ny lavan’ny vatana manontolo no mampandeha ny ra. Raha tapaka ny lohany, dia mbola afaka ny ho velona mihoatra ny indray andro ny kalalao — fotoana ampy tsara ho an’ny kalalao vavy iray mba hanatodizana. Ny kalalao amerikanina dia afaka ny ho velona hatramin’ny iray volana sy tapany nefa tsy misakafo na misotro rano.

Tena zavaboary mahatalanjona tokoa, nefa mahasoa ny olombelona amin’inona moa izy io? Voalohany aloha, dia fantatra ho fahavalon’ny kongona izy. Ary noho ny habeny sy noho izy mora velomina, dia matetika no ampiasaina mba hanaovana fikarohana ara-tsiansa any amin’ny trano fanaovana izany, ny kalalao amerikanina. Ohatra, nisy fotoana nampiasan’ireo mpikaroka japone tamim-pahombiazana, zavatra nalaina tamin’ny kalalao mba hitsaboana aretin’aty tamin’ny totozy fampiasa ao amin’ireo trano fanaovana fikarohana, ary dia matoky mafy izy ireo fa handaitra eo amin’ny olona koa izany. Misy mpanjono mampiasa ny kalalao tatsinanana ho jono ahazoana karazan-trondro sasantsasany. Kanefa dia mpivelona amin’ny loto indrindra indrindra ity ranamana ity, manatontosa ny asa izay nahariana azy: ny fampodiana ho amin’ny tany ny fakon’entana sy ny fakon-dakozia ao an-tokantrano ary ny fatim-biby.

Ny fanesorana azy ireo tsy ho ao an-tokantranonao intsony

“Ahoana no nidiran’ireto bibikely ireto tato an-tranoko?”, hoy ny fanontanian’ilay vehivavy mpikarakara tokantrano. Izy ireo, na ny atodiny, dia nety ho tonga tao anatin’ny kitapo fiantsenana, lasakam-bary na tongolo na baoritra fitoeran-java-pisotro. Nety ho nanidina koa izy mba hiditra ny trano. Koa satria mahay mamisaka ny tenany ny kalalao, dia nety ho nandeha nitsofoka avy hatrany tao ambany varavarambenao izy. Ary raha tany amin’ny toerana iray feno azy ianao na ny vahininao, dia nety ho nitaingina tamin’ny kiraronareo na ny fitafianareo izy. Any amin’ireo trano lehibe ipetrahan’ny fianakaviana maromaro, dia afaka miditra ao an-tranonao izy amin’ireo triatra eo amin’ny rindrina na ngorodona na mandray ny “lalam-pirenen’ny kalalao” — ireo fantson-drano sy etona mahazatra izany.

Inona no azonao atao mba hifindrany trano ka tsy hiverenany intsony? Tena zava-dehibe ny fanadiovana ny trano amim-pitandremana fatratra. Tokony hodiovina matetika ireo mety ho toerana fiereny, toy ireo triatra sy vakivaky amin’ny ngorodona sy ny saridiseza ary ireo lavaka ivoahan’ny setroka na rano. Hazòny ho madio ny faritra rehetra manodidina ireo fatana, vata fampangatsiahana fitahirizana sakafo ary fanaka fampirimana entana. Esory tanteraka sy avy hatrany ny sakafo niraraka sy poti-tsakafo rehetra. Aza mamela lovia tsy voasasa ao anaty fitoerana fanasana azy na ao anaty fanaka fampirimana entana, mandritra ny alina. Tahirizo ao anaty fitoerany mihidy tsara ny sakafo. Koa satria mety ho tonga sakafo mampiravoravo ny kalalao ny sakafon’alika na saka efa maina, ny tsara indrindra dia ny hitahirizana izany ao anaty fitoerany misy sarony sy ny tsy hamoahana sakafo betsaka noho izay mety ho lanin’ilay saka na ilay alika. Jereo akaiky ireo kitapo fiantsenana sy fitoeran-java-pisotro tsy misy alkaola miditra ny trano, sao misy bibikely sy ny atodiny miafina. Ario isan’andro ny fakon’entana sy ny fakon-dakozia ao an-tokantrano. Amboary ny raobine rehetra manary rano. Tadidio anefa fa, na dia voahazonao ho madio aza ny lakozianao ka tsy ho tian’Ingahy Kalalao ny hijanona ao, raha misakafo ao amin’ny trano fandraisam-bahiny na ao amin’ny efitrano fiasanao ianao, dia mety hanasa azy hiditra any indray.

Raha tena feno azy ny efitrano iray, dia mety hilaina ny fanafody famonoana bibikely. Kanefa ny fampiasana izany be loatra dia mety hiteraka vokatra mifanohitra amin’izay antenainao ho azo. Na, hanalavitra izany ireo kalalao, na, hanjary tsy handairan’ilay poizina. Koa vakio amim-pitandremana àry ny soratra aminy ary araho tsy misy diso ireo toromarika. Asio fiheverana ny amin’izay tokony hotandremana, ary hevero manokana ireo ankizy, ireo olona be taona ary izay rehetra manan-java-manahirana momba ny fiaina.

Any amin’izay misy kalalao maro be izaitsizy mazàna dia mitaky ny fanampian’ireo manam-pahaizana manokana. Satria 30 andro vao foy ny atodin’ny kalalao, dia mety hilaina mandritra ny fotoana sasantsasany ny fanampian’izy ireo isam-bolana. Raha miantso manam-pahaizana manokana momba izany tokoa ianao, dia hanampy anao izao manaraka izao. Diovy tanteraka ny lakozia alohan’ny hahatongavany, ary ataovy azo antoka fa nesorina avy tao amin’ny fanaka fampirimana azy ny sakafo sy ny lovia. Azo apetraka eo ambony latabatra, mandritra ny fotoana kelikely, ny lovia sy ny fitaovana hafa ao an-dakozia ary arovana amin’ny rakotra plastika. Azo tahirizina ao anaty lafaoro na ao anaty vata fampangatsiahana ireo zava-pihinana. Raha manao fanoloran-kevitra ilay mpiasa mikarakara ny famonoana bibikely, na manoro hevitra anao mba hanisy fanamboarana sasany, dia ataovy azo antoka fa hanome fiheverana ny amin’izany ianao.

Efa mitohy hatramin’ny fotoana elaela ny ady atao amin’ny kalalao. Kanefa dia manohy miady koa ny kalalao. Nanjary tsy andairan’ny ankamaroan’ireo fanafody famonoana bibikely nampiasaina hatramin’ny taona maro intsony izy ireo. Amin’izao fotoana izao dia mitodika any amin’ny fiadiana biôlôjika ireo mpahay siansa. Misy fifangaroan-javatra namboarina vao haingana, hormone simika antsoina hoe hydroprène, izay misakana ny kalalao tsy hiteraka, amin’ny fihazonana azy ho kalalao kely foana. Kanefa, na dia tsy manome zanany aza izany taranaka kalalao izany dia velona hatrany. Koa tsy ahitana vokatra avy hatrany àry ny hydroprène, raha tsy hoe ampiarahina amin’ny fanafody famonoana bibikely hafa angaha.

Ny hoe ho foana tsy hisy intsony ao an-tokantrano ireo bibikely manorisory ireo sa tsia, dia mbola ho hita izany, mazava loatra. Hatramin’izao Rakalalao dia mbola mafy aina, ary tafita tsara izy.

[Efajoro, pejy 28]

Esory tsy ho ao an-tokantranonao intsony ny kalalao

◻ Hazòny ho madio ny lakozia manontolo. Asio fiheverana ireo faritra rehetra manodidina sy ao ambanin’ireo fatana, fanaka fampirimana entana ary vata fampangatsiahana fitahirizana sakafo.

◻ Diovy matetika izay mety ho toerana fiereny, toy ny triatra sy ny vakivaky eo amin’ny ngorodona, ny saridiseza ary ny lavaka ivoahan’ny setroka na rano. Amin’izay azo anaovana izany, dia tsentseno ny triatra sy ny vakivaky ao an-dakozia ary ao amin’ny efitrano fandroana.

◻ Ario isan’andro ny fakon’entana sy ny fakon- dakozia ao an-tokantrano.

◻ Tahirizo ao anaty fitoerany mihidy tsara ny sakafo.

◻ Diovy avy hatrany sy tanteraka ny sakafo niraraka sy ny poti-tsakafo rehetra.

◻ Jereo akaiky ireo kitapo sy baoritra miditra ny trano, sao misy bibikely sy ny atodiny.

◻ Manàna fahazarana hisakana ny hamandoana. Amboary ny toerana rehetra manary rano ary aza avela hilona mandritra ny alina ny lovia.

◻ Mampiasà famonoana kalalao mahomby.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara