FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/1 p. 28-29
  • Topy Maso Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Topy Maso Eran-tany
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Dite Mamono Virosy
  • Miantso Trosa
  • Voka-dratsin’ny Sigara
  • Mila Telefaonina Entin-tanana ve Aho?
    Mifohaza!—2002
  • Topy Maso Eran-tany
    Mifohaza!—2002
  • Topy Maso Eran-tany
    Mifohaza!—2003
Mifohaza!—2002
g02 8/1 p. 28-29

Topy Maso Eran-tany

Dite Mamono Virosy

Asehon’ny fandinihana savaranonando tany amin’ny laboratoara fa “maro ny dite toa mamono na misakana ny fiasan’ny virosy”, araka ny Vaovaon’ny Reuters Momba ny Fahasalamana. Nanaovana fanandramana tamin’ny biby voan’ny virosy herpès 1 sy 2 (fery amin’ny hoditra) ary ny virosin’ny bakteria T1 ny karazana dite maitso sy mainty, ny dite mahamay sy ny dite misy gilasy. Araka ny Pr. Milton Schiffenbauer, mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Pace, any New York, dia “mamotika na manakana ny fiasan’ny virosy [herpès] ao anatin’ny minitra vitsy monja ny dite misy gilasy, na ny dite mahamay.” Nisy vokany toy izany koa tamin’ny virosy T1. Mbola tsy fantatra mazava hoe ahoana no amonoan’ny dite an’ireo virosy ireo. Hitan’ny mpikaroka anefa fa mbola mahavita izany ihany ny dite, na efa notampohana aza. Toa mahery kokoa noho ny dite maitso ny dite mainty, eo amin’ny famonoana virosy.

Miantso Trosa

Misy tanora aostralianina “vao 18 taona monja milaza ho lany vola tanteraka, satria ambony be ny faktiorany amin’ny telefaonina entin-tanana”, hoy ny gazety The Sunday Telegraph. An’arivo dolara ny faktioran’ny sasany, satria sodokan’ny dokam-barotra ary mora koa ny mitrosa telefaonina. Mihamaro ny tanora manao toy izany, ka nilaza ny heviny toy izao i John Watkins, Minisitry ny Varotra Ara-drariny any Aostralia: “Misy amin’ireo tanora nahavita ny fianarany any amin’ny lise efa manana trosa sahady, ka manjary ratsy laza. Mampalahelo tokoa raha toy izany no anombohany ny fiainan’olon-dehibe.” Nanome ireto soso-kevitra ireto ilay gazety, mba hanampiana ny tanora tsy ho voafandriky ny trosa toy izany: Fantaro tsara izay ho saran’ny antso an-telefaonina ataonao. Antso efa voaloa mialoha atao fa tsy antso hiavosa ka hanjary ho faktiora ambony be. Miezaha hiantso amin’ny fotoana tsy maha be mpiantso, mba ho kely kokoa ny vola haloa.

Voka-dratsin’ny Sigara

“Ny setro-tsigaran’ny hafa no nahafaty ny iray ampahavalon’ny olona tsy mpifoka voan’ny kanseran’ny havokavoka”, hoy i Naohito Yamaguchi, avy ao amin’ny Fikambanana Nasionaly Japoney Misahana ny Kansera. Izany no hitan’ny mpahay siansa rehefa avy nandinika olona 52 000 matin’ny kanseran’ny havokavoka izy ireo. Ambonin’izany, dia “hita fa betsaka kokoa ny oksida-na karbônina sy ny zavatra mahavoan’ny kansera ao anatin’ny setro-tsigara avoakan’ny mpifoka noho ny ao anatin’ny setroka fohiny”, hoy ny gazety Asahi Shimbun. Fantatra noho ny fanadihadiana nataon’ny fitondram-panjakana tamin’ny 1999, tamin’ny olona 14 000 fa mifoka ny setro-tsigaran’ny hafa ny 35 isan-jaton’ny mpiasa na ny mpianatra sy ny 28 isan-jaton’ny any an-trano. “Tokony ho takatry ny mpifoka fa manimba ny fahasalaman’ny tsy mpifoka izy. Tena tokony hosarahina toerana àry ireo antokon’olona ireo”, hoy i Yamaguchi.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara