FILIPIANINA, TARATASY HO AN’NY
Boky ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ary nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny fiangonan’i Filipy, tany amin’ny faritanin’i Makedonia. Tamin’ny taona 50 tany ho any i Paoly no nanorina an’ilay fiangonana, tamin’ny diany misionera faharoa.
Fotoana sy toerana nanoratana azy. Tamin’ny taona 59-61 tany ho any angamba i Paoly no nigadra voalohany tany Roma ary tamin’izay izy no nanoratra an’ilay taratasy. Nilaza mantsy izy fa nahalala ny antony nigadrany “ireo Mpiambina an’i Kaisara”, ary nanao mampamangy, hono, “ny ankohonan’i Kaisara.” (Fi 1:13; 4:22) Nisy zava-nitranga maromaro taorian’ny nahatongavan’i Paoly tany, sy talohan’ny nanapahany hevitra hanoratra ho an’ny Filipianina: Niainga tany Filipy i Epafrodito ary tonga tany Roma mba hanampy an’i Paoly. Narary mafy izy avy eo, ary ren’ny Filipianina tany amin’ny 1000 km teo ho eo izany. Sitrana anefa izao i Epafrodito, ka nampitondrain’i Paoly taratasy rehefa nody. Tamin’ny taona 60 na 61 tany ho any àry no nosoratana ilay taratasy.
Zava-nitranga sy antony nanoratana azy. Tena tia sy niahy an’i Paoly ny fiangonan’i Filipy. Nandefa fanampiana be dia be ho azy ny Filipianina, tamin’izy nijanona herinandro vitsivitsy tany Tesalonika (tsy lavitra an’i Filipy), taoriana kelin’ny nitsidihany azy ireo. (Fi 4:15, 16) Nahantra be sy tojo fitsapana mafy ny Kristianina tany Filipy. Vonona hanao mihoatra noho izay zakany anefa izy ireo mba hanampiana an’ireo Kristianina tany Jerosalema, rehefa reny fa nenjehina mafy ry zareo tany ary nila fanampiana. Tena nankasitrahan’i Paoly ny nataon’izy ireo, ka nilaza izy fa modely ho an’ny fiangonana hafa izy ireo. (2Ko 8:1-6) Revo tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara ny Kristianina tany Filipy, ka nisy fotoana izy ireo tsy afaka nandefa vaovao tamin’i Paoly. Rehefa nigadra anefa i Paoly, dia nandefa zavatra hanampiana azy izy ireo ka lasa nanam-be izy. Nirahin’izy ireo ho any aminy koa i Epafrodito, lehilahy tena nilaina teo anivon’ny fiangonana. Nanao vivery ny ainy mihitsy io rahalahy be zotom-po io mba hanampiana an’i Paoly. Nidera azy àry i Paoly tao amin’ilay taratasiny ho an’ny fiangonan’i Filipy.—Fi 2:25-30; 4:18.
Natoky i Paoly fa hohenoina ny vavaky ny Filipianina, ka hafahana avy ao am-ponja izy ary ho afaka hitsidika azy ireo indray. (Fi 1:19; 2:24) Fantany fa hahasoa kokoa azy ireo izy raha velona, na dia efa tsy andriny aza ny handraisan’i Kristy azy any aminy. (Fi 1:21-25; ampit. Jn 14:3.) Nikasa ny haniraka an’i Timoty hitsidika azy ireo anefa aloha izy, satria tsy nisy olon-kafa hahavita hiahy azy ireo toa an’i Timoty.—Fi 2:19-23.
Hita tamin’ilay taratasiny fa be fitiavana i Paoly. Tsy nitsitsy teny fiderana izy rehefa nisy mendrika an’izany, nefa tsy nisalasala nananatra koa rehefa nilaina. Fampaherezana anefa no tena nilain’ny Filipianina. Nisy mpanohitra mantsy nitoky tamin’ny nofo sy nirehareha noho izy ireo noforana, ka nitady ‘hanimba ny hafa’ teo anivon’ilay fiangonana. Tsy nisy fiantraikany firy tamin’ireo Filipianina anefa izany sady tsy nahakivy azy. (Fi 3:2) Tsy nila nandresy lahatra na nananatra mafy azy ireo àry i Paoly, toy ny nataony tao amin’ny taratasiny ho an’ny Galatianina sy Korintianina. I Eodia sy Syntyke fotsiny no nanariny mba hiray saina. Nampirisika an’ilay fiangonana kosa izy mba hanohy ny ezaka tsara efa nataony, ka hampitombo ny fahaiza-manavaka nananany, hitana mafy ny Tenin’ny fiainana, hanatanjaka finoana, ary hanantena hahazo ny loka.
Misy toro lalana mahasoa maro ao amin’ilay taratasy, ka afaka ny hitari-dalana sy hampahery ny Kristianina rehetra izy ireny. Ireto ny sasany aminy:
Toko sy andininy
Toro Lalana
Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa, mba tsy hampihemotra ny sasany
Noho ny fitia te hifanditra no itorian’ny fahavalo ny fahamarinana, nefa faly foana isika satria lasa ren’ny olona ny fahamarinana
Manan-kery ny vavaky ny mpanompon’Andriamanitra
Ny firaisan-tsaina sy herim-pon’ny Kristianina manoloana ny fahavalony no anisan’ny porofo fa hamonjy ny mpanompony Andriamanitra ary handringana ny fahavalony
Hasandratr’Andriamanitra ny manetry tena
Tsara ny misaotra an’Andriamanitra rehefa misy mpanompony tsy mivadika marary nefa amindrany fo, ka sitrana
Araka izay fandrosoana efa vitan’ny Kristianina no tokony mbola hizorany hatrany, amin’ny fomba milamina, mba hahazoany ny loka
Ny any an-danitra fa tsy ny eto an-tany no tokony handrandrain’ny Kristianina voahosotra, satria olom-pirenen’ny lanitra izy
Aza manahy; ampahafantaro an’Andriamanitra foana ny fangatahanao, dia homeny anao ny fiadanana izay hiambina ny fo sy sainao
Izay mahitsy sy mendri-piderana foana heverina
[Efajoro, pejy 878]
HEVITRA MISONGADINA: FILIPIANINA
Hita taratra amin’ilay taratasy fa tena nifankatia i Paoly sy ny Kristianina tany Filipy
Nosoratan’i Paoly tamin’ny taona 60-61 tany ho any, tamin’izy nigadra tany Roma
Tia ny rahalahiny i Paoly sady nankasitraka ny fahalalahan-tanan’izy ireo
Nisaotra an’Andriamanitra i Paoly noho ny fandraisan’ny Filipianina anjara tamin’ny fampandrosoana ny vaovao tsara. Tena tiany izy ireo ka nivavaka izy mba hitomboan’ny fitiavan’izy ireo, sy hamantaran’izy ireo tsara izay zava-dehibe kokoa (1:3-11)
Izay hahasoa ny Filipianina no notadiaviny; nikasa haniraka an’i Timoty ho any izy ary noderainy fatratra ny toetrany; natoky izy fa hitsidika azy ireo tsy ho ela koa ny tenany (2:19-24)
Ren’ny Filipianina fa narary mafy i Epafrodito, ilay mpanompo tsy nivadika nirahin’izy ireo hikarakara an’i Paoly; nalefan’i Paoly nody àry izy ho fanomezan-toky azy ireo (2:25-30)
Nahay nianina i Paoly na inona na inona toe-javatra nisy azy, noho ny hery nomena azy avy any ambony; noderainy anefa ny Filipianina satria nalala-tanana (4:10-19)
Vokatry ny nanagadrana an’i Paoly
Nampandroso ny vaovao tsara ny fanagadrana an’i Paoly; fantatry ny Mpiambina an’i Kaisara ny antony nigadrany, ary vao mainka sahy nitory ny tenin’Andriamanitra ny ankamaroan’ireo rahalahy (1:12-14)
Antony tsara no nitorian’ny sasany, fa ratsy kosa ny an’ny hafa; notorina foana anefa i Kristy. Hankalaza an’i Kristy i Paoly na velona na maty; nino anefa izy hoe ho velona mba hanompo an’ireo Filipianina (1:15-26)
Torohevitra mampahery momba ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena
Mitondrà tena mendrika ny vaovao tsara ary aza manaiky hampitahorin’ny fahavalo; haringana ny mpanohitra fa hovonjena kosa ny mpino (1:27-30)
Manàna toe-tsaina toy ny an’i Kristy: Manetre tena ary aza tia tena (2:1-11)
Aoka hamirapiratra sy ho mpanazava eo anivon’ny taranaka ratsy fanahy ny zanaka tsy misy tsiny, ka ‘hitana mafy ny tenin’ny fiainana’ (2:12-16)
Mitandrema amin’ireo mampirisika ny olona hoforana; i Kristy no itokisan’ny Kristianina fa tsy ny famorana (3:1-3)
Maro ny zavatra azon’i Paoly nireharehana nefa noheveriny ho toy ny fako miavosa izany rehetra izany, noho “ny hasarobidin’ny fahalalana an’i Kristy”; niezaka hahazo ny loka izy ary nampirisika ny hafa hanao toy izany koa (3:4-21)
Mifalia hatrany ao amin’ny Tompo; mahaiza mandanjalanja ary resaho amin’Andriamanitra izay mampanahy; fenoy eritreritra madio ny saina (4:4-9)