ROMANINA, TARATASY HO AN’NY
Boky anisan’ny Soratra Grika Kristianina nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina tany Roma. Tsy dia iadian-kevitra ny hoe i Paoly no nanoratra azy io. Saika ny manam-pahaizana rehetra momba ny Baiboly koa no manaiky azy io ho anisan’ny Soratra Masina, afa-tsy ireo milaza fa mifanohitra amin’ny zavatra inoan’izy ireo ny voalaza ao. Mifanaraka amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly anefa ilay taratasy. Nanonona mivantana sy an-kolaka andininy maro be avy ao amin’ny Soratra Hebreo i Paoly, ka azo lazaina fa mifototra amin’ny Soratra Hebreo sy ny fampianaran’i Kristy ilay taratasy.
Fotoana sy toerana nanoratana azy. Nosoratana tany Korinto ilay taratasy, tamin’ny taona 56 tany ho any. I Tertio mpitan-tsorany no nasain’i Paoly nanoratra azy (Ro 16:22), fa i Foiby kosa no mety ho nampitondrainy azy. Nipetraka tany Kenkrea mantsy i Foiby. Tanàna nisy seranan-tsambo tokotokony ho 11 km avy teo Korinto izy io. (Ro 16:1) Mbola tsy tany Roma i Paoly tamin’izay, araka ny Romanina 1:9-15.
Niorina ny fiangonan’i Roma. Nahita ny nilatsahan’ny fanahy masina sy nahare ny lahatenin’i Petera sy ny Kristianina hafa tany Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33, ny Jiosy sy olona sasany niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy avy tany Roma. Mety ho izy ireo no nanorina an’ilay fiangonana. (As 2) Na mety ho olon-kafa lasa Kristianina tatỳ aoriana no nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy tany Roma. Foiben’ny Fanjakana Romanina mantsy io tanàn-dehibe io, ka maro no nanorim-ponenana sy nivezivezy ary nanao raharaham-barotra tany. Nataon’i Paoly mampamangy i Androniko sy Jonia, ‘havany sy niara-nigadra taminy’, izay efa mpanompon’i Kristy talohany sady ‘samy tsara laza teo amin’ny apostoly.’ Anisan’ny nanorina ny fiangonan’i Roma angamba izy roa lahy. (Ro 16:7) Efa niorina elaela ilay fiangonana sady nafana fo, matoa efa re laza eran’ilay tontolo nisy tamin’izany ny finoany.—Ro 1:8.
Zava-kendren’ilay taratasy. Hita hoe nosoratana ho an’ny fiangonana nisy Jiosy sy hafa firenena ilay taratasy. Maro mantsy ny Jiosy tany Roma. Niverina nipetraka tany izy ireo, rehefa maty i Klaodio Mpanjaka izay nandroaka azy ireo hiala tany. Mbola tsy tany Roma i Paoly, fa mety ho i Prisila sy Akoila izay namany akaiky sady mpiara-miasa taminy, ary ny olon-kafa nihaona taminy, no nampahafantatra azy ny olana natrehin’ny fiangonan’i Roma. Fantany anefa ny ankamaroan’ny olona teo anivon’ilay fiangonana, matoa nataony mampamangy izy ireo ao amin’ny toko faha-16.
Olana voafaritra tsara sy torohevitra noheverin’i Paoly fa tena nilain’ireo olona nanoratany no noresahiny tao amin’ireo taratasiny. Efa nanoratra ho an’ny Galatianina izy momba izay tokony hatao nanoloana ny fanoheran’ny Jiosy. Nisy Jiosy nihambo ho Kristianina koa anefa nanizingizina fa tokony hoforana sy hitandrina ny didy sasany tao amin’ny Lalàn’i Mosesy ireo hafa firenena niova ho Kristianina. Izany àry no tena noresahin’i Paoly tao amin’ilay taratasiny ho an’ny Galatianina. Toa tsy nahitana olana toy izany anefa ny fiangonan’i Roma, saingy toa nifampialona sy nihevi-tena ho ambony ny Jiosy sy ny hafa firenena teo anivony.
Tsy hoe tsy nisy zava-kendrena àry ilay taratasy nosoratana ho an’ny fiangonan’i Roma, araka ny fiheveran’ny sasany azy, fa niresaka momba ny zavatra tena nilain’ny Kristianina tany. Azo inoana fa ho azon’ilay fiangonana tsara ny torohevitra mafonja nomen’ilay apostoly, satria ny zavatra niadian’izy ireo hevitra mihitsy no nohazavainy. Ny handravona ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny Kristianina jiosy sy hafa firenena no tanjon’i Paoly, sy ny hahatafaray tanteraka azy ireo ao amin’i Kristy Jesosy. Mampitombo ny fahalalantsika an’Andriamanitra koa anefa ilay taratasy, sady manasongadina ny fahamarinany sy ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa ary ny toerana tanan’i Kristy manoloana ny fiangonana kristianina sy ny olona rehetra.
Feno fahatsorana sy fitiavana. Niaiky ny Pr. William Paley, manam-pahaizana anglisy momba ny Baiboly, fa i Paoly no nanoratra ny taratasy ho an’ny Romanina. Hoy izy: “I Md. Paoly mihitsy no nanoratra ho an’ireo tena niova finoana; nanoratra an’ilay taratasy izy satria naniry mafy handresy lahatra azy ireo. Feno fahatsorana ilay izy ary ahitana taratry ny toetrany. Tsy inoako ho nahavita nanoratra an’ilay izy raha olona mpisandoka sy tsy nanam-pitiavana.”—Horæ Paulinæ, 1790, p. 50.
Tsy niolakolaka i Paoly nanazava ny toerana tanan’ny Jiosy, ary nasehony fa mitovy ihany izy ireo sy ny hafa firenena eo anatrehan’Andriamanitra. Voatery nilaza zavatra sasany mety ho nanafintohina ny Jiosy àry izy. Tiany anefa ny mpiray tanindrazana taminy ka niahy ny fihetseham-pon’izy ireo izy. Nahay nandanjalanja izy ka nanao teny mampahery, rehefa avy nilaza zavatra izay toa nanambany ny Lalàna na ny Jiosy.
Rehefa nilaza izy, ohatra, hoe “tsy izay miseho etỳ ivelany no maha Jiosy ny olona iray, ary tsy ny famorana azy eo amin’ny nofo no maha voafora azy”, dia nanampy hoe: “Inona àry no tombony ananan’ny Jiosy, ary inona no soa azo avy amin’ny famorana? Maro be tokoa amin’ny lafiny rehetra: Voalohany indrindra, dia izy ireo no nanankinana ny fanambarana masin’Andriamanitra.” (Ro 2:28; 3:1, 2) Niteny koa izy fa “ambara hoe marina ny olona noho ny finoany, fa tsy noho ny asan’ny lalàna”, nefa notohizany haingana hoe: “Foanantsika amin’ny finoantsika àry ve ny lalàna? Sanatria izany! Vao mainka kosa aza ataontsika mafy orina izy io.” (3:28, 31) Hoy koa izy: “Ankehitriny kosa dia afaka amin’ny Lalàna isika.” Nilaza anefa izy avy eo hoe: “Ota ve ny Lalàna? Sanatria izany! Tsy ho nahafantatra ny ota anefa aho raha tsy noho ny Lalàna.” (7:6, 7) Ireto teniny ireto no ahitana fa tena tiany ny Jiosy rahalahiny: “Milaza ny marina ao amin’i Kristy aho. Tsy mandainga aho, satria na ny feon’ny fieritreretako na ny tenako dia samy vavolombelona araka ny fanahy masina, fa malahelo mafy sy ory foana aho ato am-poko ato. Fa iriko raha izaho no ho tafasaraka amin’i Kristy ka ho voaozona ho solon’ireo rahalahiko, eny, ireo havako araka ny nofo.”—Ro 9:1-3, ampitahao koa Ro 9:30-32 sy 10:1, 2 ary 10:20, 21 sy 11:1-4.
Tsy resaka befahatany fotsiny àry no nosoratan’i Paoly, fa fanazavana mirindra tsara nisy zava-kendrena sy foto-kevitra. Tsy ho azontsika tsara ny ampahany amin’ilay boky, raha tsy ianarantsika manontolo izy io ary fantatsika ny zava-kendreny. Nasongadin’i Paoly ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra izay miseho amin’ny alalan’i Kristy. Io hatsaram-panahin’Andriamanitra io sy ny finoana no anambarana ny olona iray ho marina. Nomarihiny koa fa tsy misy antony tokony hireharehan’ny Jiosy sy ny hafa firenena, na hiheverany tena ho ambony noho ny hafa. Nampitandrina an’ireo Kristianina hafa firenena izy mba tsy hanambony tena, na dia natao solon’ireo Jiosy nanda an’i Kristy aza izy ireo ka lasa anisan’ny ‘vatan’i’ Kristy. Hoy izy: “Jereo àry fa sady tsara fanahy Andriamanitra no hentitra. Hentitra izy amin’izay lavo, fa tsara fanahy kosa aminao, raha mbola miezaka ny ho mendrika ny hatsaram-panahiny ihany ianao. Raha tsy izany, dia hokapaina koa ianao.”—Ro 11:22.
[Efajoro, pejy 770]
HEVITRA MISONGADINA: ROMANINA
Asongadin’ilay taratasy fa tsy noho ny razamben’ny olona iray na ny asan’ny Lalàna no anambarana azy ho marina, fa noho ny finoany an’i Jesosy Kristy sy noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra
Nosoratana tamin’ny taona 56 tany ho any, 20 taona teo ho eo taorian’ny niovan’ny hafa firenena voalohany ho Kristianina
Ambara ho marina noho ny finoana an’i Kristy sy ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra (1:1–11:36)
Tena ilaina ny finoana mba hahavoavonjy; “ny olo-marina dia ho velona noho ny finoany”
Nankasitrahan’Andriamanitra ny Jiosy, nefa tsy lasa olo-marina na dia nitandrina ny Lalàna aza
Samy mpanota na Jiosy na tsy Jiosy; “tsy misy olo-marina, na iray akory aza”
Fanomezana maimaim-poana ny fanambarana ny Jiosy sy tsy Jiosy ho marina noho ny finoany sy ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra, toa an’i Abrahama izay nekena ho olo-marina noho ny finoany, na dia mbola tsy voafora aza
Nandova ota sy fahafatesana avy tamin’ny olona iray (Adama) ny olona; ambara ho marina noho ny olona iray (Jesosy) ny mpanota maro
Tsy hanararaotra hanota isika; tsy ho mpanompon’ny fahamarinana izay mbola mpanompon’ny ota
Tamin’ny alalan’ny vatan’i Kristy, dia ‘maty raha ny amin’ny Lalàna’ ireo teo ambanin’ny Lalàna; tsy maintsy mandeha araka ny fanahy sy mamono ny fanaon’ny nofo mpanota izy ireo
Nahariharin’ny Lalàna ny atao hoe ota; amin’ny alalan’i Kristy ihany no anafahana amin’ny ota
Andriamanitra no miantso an’izay ho tafaray amin’i Kristy sy manambara azy ho marina; ny fanahiny no manaporofo fa zanany izy ireo
Nahazo fampanantenana ny Israely saingy noheverin’ny ankamaroany hahatonga azy ho olo-marina ny asan’ny Lalàna, ka ny sisa taminy no voavonjy; ny fanambarana ampahibemaso ny finoana an’i Kristy no ahazoana famonjena
Natao grefy tamin’ilay hazo oliva an’ohatra ny tsy Israelita satria tsy ampy finoana ny Israely araka ny nofo; ho voavonjy àry ny tena Israely
Eo anoloan’ny manam-pahefana sy ny olon-kafa; toetra tsara (12:1–15:13)
Atolory ny tenanao ho sorona ankasitrahan’Andriamanitra, havaozy ny saina, ampiasao hanompoana Azy ny fanomezana azonao, aoka ho be fitiavana sy harehitry ny fanahy, mahareta, reseo foana amin’ny tsara ny ratsy
Ekeo ny manam-pahefana
Mifankatiava; mitondrà tena tsara, aza manao tetika hanomezana fahafaham-po ny fanirian’ny nofo
Aza mitsara ny hafa amin’ny raharaha miankina amin’ny feon’ny fieritreretana, aza hararaotina ny fahafahana anananao, aza manafintohina ny malemy
Tahafo i Kristy ka aza manao izay mahafaly ny tena fotsiny; aoka hizaka ny fahalemen’ny hafa sy hanao ny tsara mba hampahery azy
Tia sy niahy ny fiangonan’i Roma i Paoly (15:14–16:27)
Nanoratra i Paoly satria apostolin’ny hafa firenena izy, tiany ho fanatitra ankasitrahan’Andriamanitra ireo hafa firenena ireo
Te hitsidika mafy an’i Roma izy ary avy eo ho any Espaina, satria tsy nanana faritany tsy voatory intsony; hitondra ny fanomezan’ireo rahalahy tany Makedonia sy Akaia ho an’ireo olona masina tany Jerosalema anefa aloha izy
Nanao mampamangy mpino maromaro; nampirisika hoe ‘halaviro ireo mahatonga fisaratsarahana’, ‘aoka ho hendry raha ny amin’izay tsara’