Miely ao an-tranomaizina ny fahamarinana
Tamin’ny fivoriambe tany Petersbourg, any Virginie, dia izao no zavatra momba ny fitoriana notantarain’ny vavolombelon’i Jehovah iray: “Naharay fiantsoana an- telefaonina avy tamin’ny olona iray voatàna tany an-tranomaizina tao an-tanàna aho; naniry mafy tokoa mba hihaona tamin’ny vavolombelon’i Jehovah io mpigadra io. Valo volana taorian’ny niasany tao an-tobin’ny mpigadra, dia nafindra tany amin’ny tranomaizina izy mba hanefa asa hafa. Raha mbola tany an-toby izy, dia namaky ny bokim-pivavahana nisy tao amin’ny fitehirizam-boky. Nahatsikaritra boky maitso iray izy, kanefa nokivin’ny namany mba tsy hamaky io: “Aza mamaky ireny angano ireny! Zavatra momba an’i Jehovah ireny!” Vao maika nampitombo ny faniriany te-hahafantatra izay voalaza tao anatiny izany. Nandritry ny tapa-bolana manaraka, dia naverimberiny novakina ny fanontana voalohan’ny “Aoka Andriamanitra no ho fantatra fa marina” ary nodinihiny ny andininy ao amin’ny Baiboly. Niaiky izy fa nahita ny fahamarinan’Andriamanitra tao anatin’io boky io, ka nanolo-tena ho an’i Jehovah.
“Fotoana fohy taorian’izay, dia nisy olona hafa iray tonga tao an-toby nitondra boky menamena, mitondra ny lohateny hoe: “C’est ici la vie éternelle!” Namaky izany ilay notànana. Novakiko tsara mihitsy, hoy ny fanambarany. Izany no fototry ny nanoratany taratasy maromaro ho an’ny Fikambanana Watch Tower ka nahazoany valiny mampiseho hafanam-po. Ary indray alahady, dia nisy Vavolombelona namangy azy sy nametraka ny boky “Paradis” ary ny “Traduction du monde nouveau” (Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao). Feno fanantenana miharo hasambarana izy ka nitarika adi-hevitra tsy tapaka
niaraka tamin’ireo mpigadra hafa; maro tamin’ireo no naneho faniriana te- hahafantatra. Nisy fito ambin’ny folo eo noho eo no nanaiky hianatra ny Baiboly. Noho ny fikelezany aina, dia nisy dimy tamin’ireo niara-voatana tao an-toby no nandray ny fahamarinana; miandry ny fotoana hahafahany mandray anjara tanteraka amin’ny asan’ny Fanjakana izy ireo.
“Tao an-tranomaizina dia nampianatra azy ny Baiboly tsy tapaka isan-kariva aho. Fotoana fohy ihany no naha-tao azy, kanefa dia namafy voan’ny fahamarinana betsaka izy ka nahazo vokatra tsara dia tsara. Mpigadra efatra no tena naneho faniriana hahafantatra; ny fito hafa kosa nangataka mba hisy Vavolombelona hamangy azy hahazoany mahafantatra bebe kokoa. Hatramin’izay nahalalan’io lehilahy io ny fahamarinan’Andriamanitra, dia tena tsara ny fitondrantenany ka nahatonga fitarihana tsara tamin’ny namany izany, dia fitarihana tena nahitam-bokatra. Tao amin’ny toerana nanaovana teny maloto taloha, dia maro izao no mamaky Ny Tilikambo Fiambenana sy ny “Réveillez-Vous!” ka mitady ny andininy ao amin’ny Baiboly.”