FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/4 p. 66-69
  • Inona no ataonao ho an’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no ataonao ho an’Andriamanitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • AHOANA KOSA NY AMIN’ANDRIAMANITRA ?
  • MAMPIDI-DOZA NY TSY FAHALALANA NY ZAVATRA TAKIAN’ANDRIAMANITRA
  • INONA NO TOKONY HATAONAO?
  • Inona moa no zavatra ilaina mba hahafaly an’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Tena zava-dehibe ny fivavahanao
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Ny antony hahamalina anao raha mandinika ny fivavahanao
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Asehoy hoe Tena Mino ny Fampanantenan’i Jehovah Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/4 p. 66-69

Inona no ataonao ho an’Andriamanitra?

Ahoana no mety ahazoanao antoka fa ankasitrahany izay ataonao? Zava-dehibe ny mahalala izany.

IZAO no nambaran’i John F. Kennedy izay efa maty ankehitriny, tamin’ny kabariny voalohany tamin’izy tonga filohan’i Etazonia: “Aza manontany izay hataon’ny taninao ho anao, fa manontania tena kosa ny amin’izay ataonao ho azy.”

Mahazo manantena handray ny tombon-tsoa avy amin’ny fitondram-panjakana iray ve hianao raha mandika ny lalàny sy manda tsy ho isan’ny vahoaka tia fandriam-pahalemana? Vao maika aza hampihatra aminao ny sazy fampihatra amin’ny mpandika lalàna izy. Mba handraisanao tombon-tsoa avy amin’ny fitondram-panjakana iray, dia tokony hanaiky ny fepetra ara-dalàna omen’io fitondram-panjakana io hianao. Manaiky izany andraikitra izany ny kristiana, satria izao no nolazain’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra: “Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara.” — Matio 22:21, MN.

AHOANA KOSA NY AMIN’ANDRIAMANITRA ?

Mandrakariva dia atao tsirambina ny tena zava-dehibe kokoa hahazoam-pahasambarana. Na dia manana andraikitra hanao izay zavatra takian’ny fanjakana ara-drariny aza hianao, dia misy fahefana ambony tokony hanaovanao zavatra koa. Nasehon’i Jesosy ny amin’io fahefana io raha nanampy izao teny izao izy rehefa avy nanambara fa tokony omena ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara: “(...) ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra”.

Toy ny tsy anomezan’ny fanjakana tombon-tsoa ho an’ireo mandika lalàna, dia toy izany koa no tsy anomezan’Andriamanitra fitahiana mandrakizay ho an’ireo izay tsy manatanteraka ny zavatra tadiaviny sy mandika ny didiny.

Angamba hianao nahamarika fa olona an-tapitrisany maro avy amin’ny finoana samihafa no mivavaka mba hahazo fitahiana sasantsasany toy ny harena, ny fahombiazana amin’ny raharaha na fanatanjahan-tena, na politika, na fahasalamana, na zavatra maro hafa koa. Tsy isalasalana fa nisy fotoana efa nivavahanao koa mba hanomezany anao izay irinao. Kanefa inona no anankinanao fa hamaly anao Jehovah? Efa naneho ny fitiavany tsy manam-paharoa taminao Andriamanitra amin’ny maha-anisan’ny fianakavian’olombelona anao (Jaona 3:16; I Jaona 4:19). Kanefa inona no nataonao ho azy mba hanohizany ny fanomezany fitahiana sy fanambinana ho anao? Raha mieritreritra foana izay tokony hataon’Andriamanitra ho anao hianao, nefa tsy mihevitra izay tokony hataonao ho azy, moa ve tsy toy ny olona mandà tsy hanatanteraka izay tadiavin’ny fitondram-panjakana kanefa manantena handray ny tombon-tsoa omeny?

Izao ary ny fitsipika azo tsoahina avy amin’izany: Tsy tokony hangataka foana izay azon’Andriamanitra hatao ho anao hianao, fa tokony hihevitra koa izay tokony hataonao ho azy. Tsy milaza akory izany fa tena zava-dehibe amin’Andriamanitra ny asantsika, fa anehoantsika ny fitiavantsika sy ny fankasitrahantsika azy kosa izany.

Oviana no mba nanaovanao zavatra farany ho an’Andriamanitra? Raha toy ny ankamaroan’ny mpino hianao, dia hamaly angamba fa mandeha tsy tapaka mankany amin’ny eglizy, na ny synagoga, na ny tempoly, na ny mosike, ary manana fombam-piainana tsara sy mendrika. Kanefa moa ve matoky hianao fa izany no tian’Andriamanitra ataonao ho azy?

Ny zavatra marina mampalahelo, nefa tsapan’ireo minisitr’Andriamanitra mamangy isan-tokantrano mandrakariva, dia ny fahavitsian’ny olona, na ao amin’ny fivavahan’ny tandrefana na ao amin’ny tatsinanana, izay afaka hilaza marimarina fa manao ny zavatra takin’Andriamanitra aminy.

MAMPIDI-DOZA NY TSY FAHALALANA NY ZAVATRA TAKIAN’ANDRIAMANITRA

Na manao ahoana na manao ahoana fahatsoram-ponao amin’ny fivavahanao, dia mampidi-doza kosa ho an’ny fahasambaranao mandrakizay ny mino na mihevitra fa fantatrao izay tian’Andriamanitra hataonao hahazoana sitraka aminy, kanefa tsy fantatrao marina akory.

Olo-marobe tamin’ny andro lasa no nihevitra fa nanao ny sitrapon’Andriamanitra, kanefa ny tantara mampiseho fa matetika dia izay tian’izy ireny ihany, na tian’ ny fandaminan’olombelona no nataony fa tsy izay notakian’Andriamanitra.

Manana ohatra iray isika tamin’ny andron’i Jesosy. Nisy fitambarambe ara-pivavahana nanana mpikambana nitondra ny anarana hoe: Fariseo, nihevitra fa nanao zavatra betsaka ho an’Andriamanitra. Ny mpikambana tao amin’io fitambarambe io, dia nampijoro fombam-pivavahana noheveriny fa nankasitrahan’Andriamanitra. Nilaza tamim-pahatokisana izy ireo hoe: “Abrahama no rainay.” (Jaona 8:39, MN). Nihevitra izy ireo fa nanana finoana toy ny an’i Abrahama izay sakaizan’Andriamanitra.

Toy inona moa ny namelezan’i Jesosy azy raha namaly azy ireo toy izao izy: “Raha zanak’i Abrahama hianareo dia ataovy ny asan’i Abrahama. Nefa ankehitriny mitady hamono ahy hianareo, izay lehilahy nilaza taminareo ny marina efa reko tamin’Andriamanitra. Tsy mba nanao izany Abrahama. Hianareo manao ny asan’ny rainareo.” — Jaona 8:39-41, MN.

Tsy azon’ireo mpitondra fivavahana ireo ny tenin’i Jesosy. Mbola nanamafy ihany izy fa nanao ny sitrapon’Andriamanitra, satria izao no nolazainy tamin’i Jesosy: “Iray Ray izahay, dia Andriamanitra.” — Jaona 8:41, MN.

Tena rainy tokoa ve Andriamanitra? Nanaiky ny fombam-pivavahan’izy ireo ve Izy? Nampahafantarin’i Jesosy azy ireo, fa tsy nankasitrahan’Andriamanitra izay nataony satria izao no nambarany mivantana tamin’ireo Fariseo mpitondra fivavahana ireo: “Avy amin’ny Devoly rainareo hianareo ka tianareo ny manao ny sitra-pon’ny rainareo.’’ — Jaona 8:44, MN

Inona no tsy ampy tamin’izy ireo? Nahoana no tsy neken’Andriamanitra ny fomba fivavahany? Henoy izay nolazain’i Jesosy momba izany: “Nahoana no mandika ny didin’Andriamanitra hianareo noho ny lovan-tsofinareo? (...) Nataonareo tsinontsinona sy tsy misy vokany ny tenin’Andriamanitra noho ny lovan-tsofinareo. Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’Isaia anareo raha nilaza izy hoe: ‘Ity firenena ity manaja ahy amin’ny molony, fa ny fony kosa lavitra ahy.’ ” — Matio 15:1-8, MN.

Izany no tsy ampy taminy! Nanana fombam-pivavahana sy asa izy ireo, kanefa tsy nifanaraka tamin’izay notadiavin’Andriamanitra izany. Azo raisina amin’izany ve fa tsy nankasitraka ny asany Andriamanitra na dia hoe nataony ho azy aza izany ? Nampiharin’i Jesosy tamin’izy ireo ny tenin’Isaia, raha niteny izy hoe: “Zava-poana raha manohy mivavaka amiko izy ireo, satria mampianatra didin’olombelona ho fampianarana izy.” — Matio 15:9, MN.

INONA NO TOKONY HATAONAO?

Tsy isalasalana fa te-handray anjara amin’ny fitahiana nomanin’Andriamanitra ho an’ny olona mpankatò hianao, dia ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana sy ny fahasalamana lavorary ao amin’ny tany paradisa. Tsy isalasalana fa tsy te-hiharan’ny fanamelohan’Andriamanitra hianao. Noho izany, inona no tokony hataonao izay hahazoana sitraka amin’Andriamanitra ?

Voalohany indrindra dia tokony hanomboka hikaroka izay zavatra tadiavin’Andriamanitra ny tenanao ihany. Izao no fananarana nomen’i Paoly apostoly: “Diniho ny zavatra rehetra’’ (I Tesalonianina 5:21, MN.) Eny, tokony handinika irery ny Tenin’Andriamanitra hianao mba hamantarana na marina ny fampianarana raisinao na tsia.

Inona no zava-kendrenao amin’izany? Ny hanamafy ny finoanao an’Andriamanitra. Satria “rafa tsy misy ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy, fa izay manantona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Andriamanitra ary tonga mpamaly soa izay mitady azy amin-pahatsoram-po.’’—Hebreo 11:6, MN.

Izany ihany ve no tokony hataonao? Tsia, mbola misy zavatra hafa koa. Izao no nolazain’i Jakoba mpanoratra ny Baiboly: “maty ny finoana tsy misy asa.’’ (Jakoba 2:26, MN). Tokony hampiasainao ary ny finoana azo mba ho enti-manao ny asan’Andriamanitra. Izao koa no nolazain’i Jesosy: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: ‘Tompoko, Tompoko’,no hiditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra.’’—Matio 7:21, MN.

Inona no asa tokony hotanterahinao? Izay mifanakaiky indrindra amin’ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, faharim-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, fahononam-po”. (Galatianina 5:22, MN). Ny hevitr’izany dia hoe tokony hanao izay hananana toetra kristiana hianao ary hitafy miandalana hatrany ny toetra vaovao maha-kristiana. Izao no nambaran’i Paoly: “Tokony hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fomba fitondrantenanareo fahiny (...) ary (...) tokony hotafinareo ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny tena fahamarinana sy fahitsiana.” — Efesiana 4:22-24, MN.

Ny asa hafa iray lehibe indrindra dia ny voalaza ao amin’ny Romana 10:10 (MN) “Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava kosa no anambarana ampahibemaso hahazoana famonjena.” Ilaina ve ny hanaovanao izany asa izany? Manome valin’izany ny andininy eo aloha amin’io toko io ihany: “Satria raha manambara ampahibemaso amin’ny vavanao hianao, fa Jesosy no Tompo ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana azy tamin’ny maty, dia hovonjena hianao.” Arak’izany, ny fanambarana ampahibemaso, na ny fijoroana ho vavolombelona hanambara ny anarana sy ny fikasan’Andriamanitra, dia tena ilaina mba handrenesan’ny hafa sy hiomanany amin’ ny fandraisana ny fitahian’Andriamanitra. Ny maha-zava-dehibe io asa tsy itadiavan-tombon-tsoa ho an’ny tena io, dia efa voalazan’i Jesosy mialoha; izao no nolazainy: “Ary hotorina amin’ny tany rehetra onenana ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; avy eo dia ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, MN). Izay te-hanao ny tsara dia ho faly handray anjara amin’io asa famonjena io.

Aiza anefa no hahazoanao ny fahalalana sy fiomanana ary ny fahaizana ilaina ho amin’izany asa izany? Amin’ny fivorianao miaraka amin’ireo izay tena manao tokoa ny asan’Andriamanitra eo amin’ny firenena rehetra. Eny, mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, dia tokony hifampandinika “isika mba hifampahery amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hanadino ny fivoriantsika, toy ny fanaon’ny sasany, fa hifampahery kosa, satria hitanareo fa miha-antomotra ny andro”. (Hebreo 10:24, 25, MN). Tian’Andriamanitra ny hivorianao miaraka amin’ny olony mba hampitombo ny finoanao sy handraisanao anjara amin’ny fampitomboana ny finoan’ny hafa.

Noho izany, amin’ny fanontaniana hoe: Inona no ataonao ho an’Andriamanitra, raha mamaly hianao fa mianatra ny Teniny, mampitombo ny finoanao, mitafy ny toetra kristiana vaovao, miara-mivory amin’ny olon’Andriamanitra, mandray anjara amin’ ny asa fanambarana ny Fanjakany alohan’ ny hahatongavan’ny fiafaran’izao fandehan-javatra izao, dia mahazo matoky hianao fa ankasitrahan’Andriamanitra ny asanao. Ho tonga tahaka ilay lehilahy nahatoky fahiny izay tafita velona tamin’ny fandringanana izao tontolo izao hianao. Izao no ampahafantarin’ny Genesisy 6:22 (Da) antsika momba izany: “Dia nataon’i Noa izany; araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony.” Tafita velona izy tamin’ny faran’ny tontolo tamin’izay, satria nihaino an’Andriamanitra ary “araka” izany no nataony.

Miaina amin’ny fotoana tokony hanaovana fanapahan-kevitra isika izao. Tokony hanapa-kevitra hianao na hanao izay tian’ Andriamanitra hataonao na tsia. Alohan’ny hahatongavan’ny faran’izao fandehan-javatra ankehitriny izao, dia mamporisika anao ny tantaran’ny Baiboly hifidy “ny fiainana mba ho velona hianao sy ny taranakao amin’ny fitiavanao an’i Jehovah Andriamanitrao sy ny fihainoana ny feony ary ny fifikirana aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ny andronao”. — Deoteronomia 30:19, 20, AC.

Aza miahy ny amin’izay azon’Andriamanitra atao ho anao fotsiny ary, fa raha tia ny ainao hianao, dia hevero koa izay azonao atao ho an’Andriamanitra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara