FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/8 p. 203-207
  • Tokony hiova finoana ve hianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tokony hiova finoana ve hianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • INONA NO ANTONY HIOVAN’NY OLONA MARO FINOANA?
  • ANKASITRAHAN’ANDRIAMANITRA VE IZANY FIOVANA IZANY
  • INONA NO AZO LAZAINA NY AMIN’NY FINOANAO?
  • MIAIKY NY TSY FAHOMBIAZANY IZY IREO
  • INONA NO TOKONY HATAONAO?
  • Fanarahana ny Fivavahana Madio mba Hahatafita Velona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Fanafahan-tena avy Amin’ny Fivavahan-diso
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Ny antony hahamalina anao raha mandinika ny fivavahanao
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Ahoana no Ahafantarako ny Fivavahana Marina?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/8 p. 203-207

Tokony hiova finoana ve hianao?

Tsara ve ny miova finoana? Nahoana no misy olona marobe manao toy izany ?

VAO haingana foana, raha nanambara ny fivadihany avy amin’ny finoana protestanta ho amin’ny finoana katolika noho ny nanambadiany zanak’andriana espaniola, ny zanak’andriana vavy, faharoa amin’ny mpandova ny fanjakan’i Pays-Bas, dia nahatonga adi-hevitra mafana izany zava- niseho izany. Maro ny mponina tany Hollande no tafintohina tamin’izany fiovam- pinoan’ilay zanak’andriana vavy izany.

Na dia naharihary tokoa aza io zava-niseho io noho ny lazan’ireo olona nitrangany, dia tsy mahalana no ahitana olona miova finoana. Maro mihitsy aza no manao izany fiovàna izany, noho ny antony maro samihafa. Nefa moa tsara eo imason’Andriamanitra ve ny miova finoana? Tena antoky ny ainao mihitsy koa ity fanontaniana ity: “Tokony hiova finoana ve hianao?”.

INONA NO ANTONY HIOVAN’NY OLONA MARO FINOANA?

Tamin’ilay zanak’andriana vavy tany Pays-Bas, dia antony avy tamin’ny fihetseham-po no nitarika azy hiova finoana. Ny faniriana te-hanambady olona hafa finoana no antony hiovan’ny olona finoana matetika. Inoany fa hampanjaka bebe kokoa ny fifanarahana ao an-tokantrano izany. Indraindray ny iray amin’ny mpifamofo dia tsy mety raha tsy miova manaraka ny finoany ilay ho vadiny, alohan’ny raharaham-panambadiana, koa aleon’io manaiky izany fepetra izany, toy izay hamoy ny fanambadiana.

Ny antony hafa mahatonga ny olona hanao izany fiovàna izany koa, dia noho izy tsy manaraka ny fepetra ao amin’ny antokom-pinoany; noho izany no itadiavany antokom-pinoana hafa manome fepetra mifanaraka kokoa amin’ny faniriany. Mety hiova finoana koa ny olona iray satria tsapany fa ilainy ny hanana finoana mifanaraka amin’ny hevitra azony arakaraky ny fandehan’ny taona.

Ny hahamora zavatra koa mazana, no antony lazaina fa hiovàna finoana, toy ny amin’ity lehilahy iray notezaina tao amin’ny metodisma sy niova ho ao amin’ny kongregasionalisma, izay nanazava ny antony niangonany tao amin’ny fiangonana hafa; hoy izy: “Fiangonana presbiteriana ilay fiangonana erỳ an-joron-dalana erỳ. Mpikambana ao ny vadiko ary mahafinaritra ahy sy izy ilay mpitory teny. Tena mora arahina!”

Ny sasany miova finoana noho ny fitadiavany ny tombon-tsoa mety ho azo raha manaraka antokom-pinoana hafa, ohatra ny laza mety ho azony raha miangona ao amin’ny Fiangonana lehibe kokoa. Ny hafa te-hanandratra ny toerany ara-tsosialy sy hampandroso ny raharaham-barony na ny ho aviny ara-politika koa angamba.

ANKASITRAHAN’ANDRIAMANITRA VE IZANY FIOVANA IZANY

Raha fakafakaina ny antony rehetra mitarika ny olona hiova finoana dia hita mazava fa tsy noho ny fahazoany fahalalana vaovao ny amin’ny fikasana ny sitrapon’ Andriamanitra, no iovàny. Tsy misy fifandraisana na kely akory aza, amin’ny fiovàna finoana noho ny antony mikasika ny tena manokana, na ara-tsosialy, na ara- politika, na ara-pihetseham-po, na ara-barotra sy ny fahalalana miharihary lehibe indrindra mety ananana, mikasika an’Andriamanitra sy ny fahamarinany. Toy ny manao fitafiana hafa mety hanova ny endrika ivelany nefa tsy hanova velively ny saintsika sy ny toetrantsika isika amin’izany.

Natoron’i Jesosy Kristy izay tokony katsahina amin’ny antokom-pinoana iray. Hoy Izy: “Andriamanitra dia Fanahy, ka izay mivavaka aminy dia tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinany.’’(Jaona 4:24, MN). Raha miova finoana ny olona iray, tsy noho ny fahalalana mazava azo avy amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra, na noho ny fitiavana ny fahamarinan’Andriamanitra, fa noho ny fitadiavany tombon-tsoa ho azy samy irery dia tsy mikendry izay hivavahana amin’ny “fanahy sy fahamarinana” izy.

Tsy mitady izay ivavahana aminy ara- pomba fotsiny Andriamanitra. Ny tiany voalohany indrindra dia ny hananan’ny voahary fahalalana marina ny Teniny. Mariho ny fomba nanambaran’ny Baiboly izany hevitra izany: “Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra, ary fahalalana an’Andriamanitra noho ny fanatitra odorana.” (Hosea 6:6, Da). Tokony hampiana fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra izany fahalalana izany. “Ny fankatoavana no tsara noho ny fanatitra ary ny fanarahana ny teniny noho ny jaboran’ondrilahy (...) Satria nandà ny tenin’i Jehovah hianao, dia nolaviny koa.” (I Samoela 15:22, 23, AC). Noho izany, raha misy olona manaraka ny fitsipiky ny antokom-pivavahana hafa iray nefa tsy mifototra amin’ny “fahalalana” marina “an’Andriamanitra” ny fombam-pivavahany dia tsy manao ny fanompoam-pivavahana ankasitrahan’Andriamanitra izy. Mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, dia tokony hikatsaka ny fahalalana ny Teniny sy ny sitrapony ary rehefa izany dia hanaraka ny fepetra nampanoratiny ao amin’ny Teniny.

Noho izany dia tsy miova finoana mba hahazo sitraka amin’Andriamanitra ny olona iray raha toa izy tsy etsehin’ny fitiavana sy ny faniriana hahafantatra ny fahamarinana araka ny Baiboly sady tsy mety manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fony rehetra. Tsy mikendry izay ho an’Andriamanitra ny olona toy izany fa mitady fotsiny izay hahafaly ny olona.

INONA NO AZO LAZAINA NY AMIN’NY FINOANAO?

Mety hilaza hianao noho izany, fa aleo tsy mihevitra hiova finoana satria tsy azo antoka fa hankasitrahan’Andriamanitra ny finoana hafa. Nefa manana adidy hametraka ireto fanontaniana ireto amin’ny tenanao hianao: Iza no milaza aminao fa ankasitrahan’Andriamanitra ny antokom-pinoana arahinao ankehitriny ka mifanaraka amin’ny fepetra nomen’Andriamanitra momba ny fivavahana marina?

Raha toa mbola tsy nanamarina tamin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly hianao, fa mampianatra ny fahamarinana sy manaraka ny fepetra nomen’Andriamanitra ny antokom-pinoanao, dia tena mety tsy hankasitrahan’Andriamanitra ny antokom-pinoanao. Nahoana no afaka milaza izany isika? Satria manana fandaharam-pianarana voalamina tsara ny fivavahanao mitsapa ny finoanao amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Araka ny fanambaran’i Petera dia tokony ho vonona mandrakariva hianareo “hamaly izay manontany ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo.” — I Petera 3:15, MN.

Na dia misy fepetra hafa tadiavina koa aza, amin’ny fanarahana ny fivavahana marina, dia io vao nojerentsika io no lehibe indrindra. Noho izany, raha toa tsy manampy anao amin’ny fahazoana miaro ny finoanao ny antokom-pivavahanao, toy ny nolazain’ny apostoly Petera, dia manana antony tsara tokony hieritreretanao fiovam-pinoana hianao.

MIAIKY NY TSY FAHOMBIAZANY IZY IREO

Mpitondra fivavahana maro no mahalala fa tsy nanampy ny mpikambana ao aminy hanaiky ny fepetra nomen’Andriamanitra, ny antokom-pivavahany ary miaiky izy ireo fa tsy nanaraka izany fepetra izany.

Inona no mikasika anao momba izany fiaikeny ny tsy fahombiazany izany? Hoy Jesosy: “Ny hazo rehetra izay tsy mamoa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.” (Matio 7:19, MN). Ny antokom-pivavahana rehetra izay tsy mahavokatra mpivavaka araka ny tadiavin’Andriamanitra, dia hiafara amin’ny fandringanana. Ny olona izay tsy mahatanteraka ny fepetra nomen’Andriamanitra dia hiharan’izany anjara ratsy izany koa, satria toy izao koa no nanampin’i Jesosy: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra”. — Matio 7:21, MN.

Toy izao no fanambarana sasantsasany niaiken’ny mpitondra fivavahana ny tsy fahombiazany, jereo raha anisan’ny tompon’andraikitra amin’izany tsy fahombiazana izany ny antokom-pivavahanao. Niaiky toy izao ny Coggan arseveka anglisy: “Ny nahatonga ny zava-doza ao amin’ny Eglizy ankehitriny dia matetika loatra noho ny tsy fitoriany afa-tsy ny tapany amin’ny filazantsara ihany, toy izay nomena antsika ao amin’ny Testamenta Vaovao”. Namoaka izao famoaboasana izao ny boky miseho isam-potoana atao hoe Europeo, momba ny lahateny nataon’ny filoha ambony indrindra amin’ny Asa katolika, mikasika ny tsy fahombiazan’ny Eglizy any Italia: “Ny fanohanana ny marksisma eto Italia, dia azo heverina fa endriky ny fihemorana eo amin’ny ara-panahy sy ara-pivavahana; ny mahatonga izany dia ny tsy fahitana intsony ny toe-tsaina kristiana, ny fomba fandanjalanjana kristiana, ny fihevitra kristiana momba ny fiainana”. Fa nahoana no nitranga izany fihemorana sy tsy fahitana intsony izany? Toy izao no nanampian’io lahatsoratra io: “Nikororosy ny fitondrantena sy toe-piainan’ny katolika raha vao nifampikasoka tamin’ny fampianarana ara-pilozofia vaovao; ny nahatonga izany dia satria very ny heriny sy ny fahamarinany, nandritry ny taon-jato maro-maro, ka nanjary fombafomba sy fahazarana fotsiny”.

Izao no nambaran’ny filohan’ny fivoriana metodista tany Aostralia Atsimo: “Tonga fikambanana hahazoana miala voly ny Fiangonana, ka adinony ny anton’ny fisiany.’’ Tamin’io fotoana io ihany dia nanambara toy izao ny pastora batista iray: “Very ny herintsika, ny lalantsika. Mangeja antsika ny ahiahy ratsy sy ny tahotra ary matahotra ny fiadiana ataomika isika.”

Ahoana no hahafivavahana marina ny fivavahana toy izany, nefa ny Baiboly milaza mazava fa tsy mba hatahotra, ny mpanaraka ny fivavahana tsara, satria ho fantany tsy amim-pisalasalana ny avoaky ny ampitso ho an’ny tanintsika, amin’izao taranaka izao, ka ho vavolombelona hanambara izany amin’ny tany rehetra izy? — Lioka 21:28; Matio 24:14.

Nilaza tony mahagaga ny arseveka Yngve Brilioth any Suède, momba izany: “Mba hahazoana mamaly ny fanontaniana hoe:hahita fiadanana ve ny olona indray andro any, dia tokony hahay maminany, nefa tsy mahay izany aho”. Raha nanana ny fivavahana tsara io mpitondra fivavahana io, dia ho nahafantatra tsy amim-pisalasalana ny hisian’ny fiadanana etỳ an-tany, sy ny fomba hahatonga izany, satria mamaly mazava ireo fanontaniana ireo ny Baiboly.

Nanao izao fiaikena izao James A. Pike, eveka amerikana fanta-bahoaka: “Mampiseho zavatra mbola lehibe noho ny fihenan’ny isan’ny mpiangona, ny tantaran’ny fihemoran’ny kristianisma, dia tantaran’ny Fiangonana faly amin’ny tenany ka vahiny amin’ny kristianisma. Toa tsy afaka mitandrina ity toro-hevitra ara-pivavahana ity ny fikambanana kristiana: “tiava ny namanao”, amin’ny fotoana tena ilàna dia ilàna fitiavana toy izany.” Nefa tsy ho marina izany fanambarana izany raha toa io eveka io tao anatin’ny fivavahana marina izay misy mpikambana maneho mandrakariva fitiavana toy izany ka manohy izany hatramin’izao androntsika izao. Raha ny marina, ny fitiavana manjaka ao amin’izy ireo, dia toetra mampiavaka azy amin’ireo izay manaraka ny fivavahan-diso. — Jaona 13:34, 35.

Namoaka hevitra toy izany ny papa Jean XXIII efa maty, raha niteny momba ny tolona (ady totohondry): “Habibiana ny manao izay hifampiandanian’ny mpirahalahy.’’ Nefa mbola habibiana noho izany ny mijery olona an-tapitrisany mitovy finoana, mifamono any an-tany fiadiana amin’ny fotoan’ady, nefa ny an-daniny roa samy tohanan’ny mpitondra fivavahany mitory finoana avy! Tonga amin’ny tsy fahombiazana mahatsiravina ireny antokom- pivavahana ireny, rehefa vakiana ny teny ao amin’ny I Jaona 3:10-12 (MN): “Izao no mampiseho miharihary izay Zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly: tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny. (...) Aoka hifankatia isika, tsy mba tahaka an’i Kaina izay avy tamin’ilay ratsy ka namono ny rahalahiny.”

Raha jerenao amin’ny saina tsy miangatra ny toe-javatra, dia ho tsapanao ny fahamarinan’ity fanambarana ity izay nivoaka tao amin’ny gazetin’ny Fiangonana loteriana any Alemaina atao hoe Amtsblatt der bekennenden Kirche (Gazetim-panjakan’ny Fiangonan’ny Fanambarana): “Amin’izao fotoana fiafaran’ny andro ankehitriny izao, isika teolojiana sy anisan’ny mpitondra fivavahana dia mampiseho, amin’ny fitondrantena tsy mahatoky, fa ao anatin’ny kilasin’ny Fariseo sy Sadoseo voalaza ao amin’ny Matio 16:1-4, isika. Toa azy ireny dia tsy mahafantatra ny famantarana ny fotoana isika.”

INONA NO TOKONY HATAONAO?

Rehefa nandre ireo fanambaran’ny mpitondra fivavahana momba ny tsy fahombiazany ireo hianao, raha toa tia ny marina, dia tokony hanamarina raha mifanaraka amin’ny Baiboly ny fampianarana sy ny fanaon’ny antokom-pivavahanao. “Fantaro ny zavatra rehetra; hazony mafy izay tsara!” izany no anatra omen’ny Tenin’ Andriamanitra ho an’izay mitady ny fahamarinana. — I Tesaloniana 5:21, MN.)

Manahafa ny mponina tany Beria tamin’ny taon-jato voalohany, izay nitorian’ny apostoly Paoly teny. Tantarain’ny Baiboly amintsika fa ireo olona ireo dia “tsara toe-tsaina noho ny tao Tesalonika, satria nandray ny teny tamin’ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro hahitany raha marina tokoa izany zavatra izany.” (Asan’ny Apostoly 17:11, MN). Eny, namarininy izay reny tamin’i Paoly mba hahitany raha mifanaraka amin’ny Soratra Masina ny fampianaran’ny apostoly. Noderaina izy noho ny nanaovany toy izany. Inona no tokony ho nataony rehefa nahatsikaritra izy fa hafa noho ny zavatra reny sy namarininy tao amin’ny Soratra Masina, ny fanao sy ny fampianaran’ny antokom-pinoany? Nanana adidy hiova finoana izy raha te-hahazo sitraka tamin’Andriamanitra. Nanao izany ve izy ? Izao no vakintsika: “Koa maro tamin’izy ireo no tonga mpino, ary tsy vitsy tamin’ny vehivavy grika nanan-kaja sy ny lehilahy.” (Asan’ny Apostoly 17:12, MN). Toy izany no nialany tamin’ny antokom-pivavahany taloha ka nanekeny ny marina. Ny apostoly Paoly koa aza dia ohatra malaza ny amin’izany. Satria iray tamin’ireo izay niova finoana izy. Nefa nisy fotoana naha-mpitondra fivavahana fanta-bahoaka azy!

Na izany aza, dia tsy nisy na iray akory aza tamin’ireo olona ireo niova finoana, noho ny antony ara-pihetseham-po, ara-tsosialy, ara-politika, ara-barotra, na noho ny antony hafa mampiseho fitiavan-tena. Te-hanompo an’Andriamanitra araka ny sitrapony izy ireo. Nanaraka ny fivavahana marina izy mba hahazoany sitraka sy fitahiana avy amin’Andriamanitra, noho ny fahafantarany fa izay rehetra manaraka fivavahan-diso, dia ho lavin’Andriamanitra.

Tokony hahatsiaro ny ilàna fanamarinana ny finoanao ary hianao, ary hiova finoana raha ilaina izany, toy ny nataon’ireo kristiana voalazan’ny Baiboly, ary koa toy ny ataon’ny olona hafa an-hetsiny amin’izao androntsika izao, izay mitady ny fivavahana marina. Mialà amin’ny fivavahan-diso arak’ity baikon’ny Baiboly ity: “Mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy” (II Korintiana 6:17, MN). Raha fantatrao fa ilaina ny hiova finoana, nefa misalasala hianao amin’ny fanaovana izany, dia inona no hitranga? Ho toy ny fivavahana iray nomelohin’Andriamanitra ka hanjavona raha afaka fotoana fohy, hianao. Mampiomana antsika toy izao ny Tenin’Andriamanitra, momba an’i Babylona Lehibe, fanjakan’ny fivavahan-diso maneran-tany: “Mialà aminy hianareo ry oloko, raha tsy te-hiombona ota aminy ary raha tsy te-ho tratry ny loza manjo azy. Fa ny fahotany efa nitehika tamin’ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony (...) Koa noho izany dia ho tonga indray andro monja ny loza hanjo azy (...) ary ho levon’ny afo tanteraka izay nitsara azy”. — Fanambarana 18:4, 5, 8, MN.

Diniho ary ny Soratra Masina. Tsapao ny antokom-pinoanao. Avelao ny fivavahan-diso ka araho ny marina. Eny, tadiavo ireo izay mihevitra ny maha-zava-dehibe ny Baiboly ka miaina araka ny fitsipiny. Miaraha amin’izy ireny amin’ny fanarahana ny fivavahana marina. Raha manao toy izany hianao dia hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra, “ary izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”. — I Jaona 2:17, MN.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara