Ny fanompoana an’Andriamanitra va mialoha ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainanao?
1. Miaritra inona ny vahoaka eo amin’ny firenena rehetra, ary inona no vokatr’izany ?
BABON’NY fampielezan-kevitra momba ny fitiavan-tanindrazana aely amin’ny alalan’ny gazety, ny revio, ny fampielezam-peo sy ny televiziona, ny vahoaka eo amin’ny firenena rehetra. Hodidinin’ny faritra mampisaraka ny fanjakana ananki-roa ny olona sady asaina manaiky ny fisavana ataony, hany ka tsy mihevitra afa-tsy ny firenen’ny tenany ary manjary matimatiny aminy, ka manao azy toy ny sampy ivavahana. Saika simban’izany “tarehin-javatra” izany ny sain’ny maro.
2. Araka ny “Encyclopodie americaine” inona no loza sasantsasany ateraky ny fitiavan-tanindrazana?
2 Izao no ambaran’ny Encyclopedie americaine ny amin’izany: “Ny fitiavan-tanindrazana dia toe-tsaina azo kolokoloina, — ary tena izany tokoa matetika — amin’ny fampielezan-kevitra ataon’olona manokana, na ny fanjakana mihitsy. Mety hitsimoka izy noho ireo mpitarika ara-politika fatra-pitady laza, mahasarika ny hevitry ny betsaka, ho entiny manatanteraka ny tarigetrany na hanatrarany ny marika heveriny ho tombon-tsoan’ny be sy ny maroa.” Eo ambanin’ny teny hoe: “Tsy azo hamarinina” dia izao koa no lazain’io boky io ihany: “Manamora mihitsy ny asan’ny fanjakana sy ny filoha mpanetsiketsika ny fiainam-bahoaka izay te-hamafy ny voan’ ny fitiavan-tanindrazana ao amin’ny ankabeazambem-bahoaka ny maha-tsy azo porofoina indrindra io fihetseham-po io. Ny olona tia tanindrazana tafahoatra dia mihidy, tsy azo ampidiran-kevitra. Na dia any amin’ny tany afaka aza, dia mety tsy handre velively akory ny fahamarinana izy, indrindra rehefa mandombo-tena amin’ny famakiana ny gazety mpanohana sy ny fihainoana ireo mpivaofy hevitra an-tendrony sy mpanao kabary isan-karazany. Tsy izany ihany fa ahoana moa no hahafahan’ ny olon-dehibe handinika amin’ny saina malalaka ny zava-tsarotra iraisam-pirenena mikasika koa ny tanindrazana raha tamin’ ny fahazazany, ny sainy dia novolavolain’ ny bokin-tantara tsy mikendry afa-tsy zava-tokana fotsinyb”.
3. a) Inona no fanontaniana tsara apetraka? b) Inona no mahasoa ny Baiboly amin’ny lafin’ny fanompoana ara-pivavahanana?
3 Mba mametraka izao fanontaniana manaraka izao va hianao, rehefa avy mamadibadika ireny tenin’ny mpandinika tsy amin’ny fitondram-pivavahana ireny: Inona no zava-dehibe eo amin’ny fiainako, ny fihevitro sy ny fandaharam-potoanako: ny fitiavan-tanindrazana sa ny fanompoana an’Andriamanitra? Aza adinonao fa ny Baiboly dia boky tsy maintsy ianarana. Hianatra hahafantatra an’Andriamanitra hianao ao, ka hivavaka aminy araka izay tokony atao ary hovakinao ao ny tantaran’ ny olombelona hatramin’ny famoronana azy. Mivaofy hatramin’ny toe-piainana miseho amin’izao fotoana izao ety an-tany izy, sady mitory ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao izay tokony hitoeran’ny fahamarinana sady andrasantsika araka ny fampanantenan’Andriamanitra (II Petera 3:13). Koa raha manome fanambarana toy izany ary ny Baiboly, nahoana no tsy andeha ho dinihina izay lazain’i Jehovah, ny Mpamorona azy, ny amin’ny olona sy ny fifandraisantsika amin’ireny zava-boalaza ireny?
4. Fanotaniana hafa inona avy koa no mila valiny?
4 Eritrereto kely ange! Efa nampahazo anao izay fananana rehetra manodidina anao va re ny firenena misy anao ? Namorona ny masoandro, ny kintana marobe sy ny volana va re ny fanjakanao? Efa nampisy ireny tendrombohitra mitafy oram-panala ireny, mbamin’ny lohasaha mahavokatra sy ny rano an’ony va re ny firenenao? Avy aminy va re no ahitanao ny ahi-maintso mavana, ny rivotra iainanao, ny sakeli-drano mampahafinaritra anao? Ary raha mijery ny faritra taza- maso, manodidina tsara tarehy eo amin’ny toerana iray avoavo hianao, ho velon-tsaotra ny fanjakana va re hianao hahita ny tanim-boaloboka mamony sy ny tanimbary mamololona? Ny fanjakam-pirenenao va re no nahary ny zava-maniry sy ny “biby any amin’ny tendrombohitra an’arivony” ? Marina angamba fa nandray anjara tamin’ ny fanabeazam-boa ny tany ireo mpitarika eo amin’ny taninao, fa iza kosa no namorona ny lanitra sy ny tany? Iza no nanome alalana ny fiainan’olombelona hisy teto amin’ny tanintsika? Moa tsy Andriamariitra va no namorona ny olombelona sy nanome azy, ny fahefana hitombo? Izany sy izany ary dia zavatra tsy ho azontsika avy amin’ny Fanjakana mihitsy.
5. Ahoana no tany ampisehoan’ny Baiboly ny asan’ Andriamanitra mikasika ny tany ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:24-27?
5 Vakio kely izay nampilazain’Andriamanitra ao amin’ny bokiny, dia ny Baiboly, tamin’ny vavan’ny apostoly Paoly izay nandefa izao teny izao ho an’ny Ateniana: “Ny Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, araka ny maha-Izy Azy, Tompon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana, sady tsy mba tompoin’ny tanan’olona koa Izy toy ny mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao: aina sy fofon’aina ary ny zavatra rehetra. Ary ny isam-pirenena dia navoakany avy amin’ny olona iray hatrany ka namponeniny ambonin’ny tany rehetra, ary efa nodidiany ny fotoan’andro voatendry sy ny faritry ny fonenan’ny olona, mba hitadiavany an’Andriamanitra raha afaka hikaroka sy hahita Azy marina ireny, na dia tsy mba lavitra antsika tsirairay akory aza Izy.” — Asan’ny Apostoly 17:24-27, MN.
6. Ahoana no namalian’i Jesosy ireo Fariseo mpihatsaravelalsihy nioko hamandrika azy?
6 Andriamanitra no nanome antsika “aina sy fofon’aina ary ny zavatra rehetra. Ary ny isam-pirenena dia navoakany avy amin’ny olona iray hatrany”. Tsy azontsika noho ny fitiavan-tanindrazana na, noho i Kaisara, ireny zavatra ireny. Tamin’ny andron’i Jesosy, ireo Fariseo jiosy mpiavonavona am-po dia nikasa hamandrika azy hiteny fanoherana ny fitondrana romana. Nalaza tamin’ny filazany ny fahamarinana tsy misy olakolaka mantsy Jesosy Kristy, kanefa tsy mihataka tamin’ny Tenin’Andriamanitra izy raha nilaza zavatra mandrakariva. Hany ka hoy ny Fariseo taminy: ‘Mpampianatra ny lalàn’Andriamanitra hianao, mifanaraka amin’ny fahamarinana: Mety va sa tsia ny mandoa ny hetra isan-dahy ho an’i Kaisara ? Tokony handoa va izahay sa tsy tokony handoa?’ Fa nahafantatra ny fihatsarambelatsihiny izy ka nanao taminy hoe: ‘Nahoana no mitsapa fanahy ahy hianareo? Itondray denaria ety amiko hizahako azy.’ Dia nitondrany anankiray izy. Ary hoy izy taminy: ‘An’iza io sary sy soratra io?’ Hoy izy ireo taminy: ‘An’i Kaisara.’ Dia hoy Jesosy taminy: ‘Aloavy amin’i Kaisara izay zavatra an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra, izay zavatra an’ Andriamanitra.’ ” — Marka 12:14-17, MN.
7, 8. a) Inona no notsarovan’i Jesosy no sady tsy nandà ny antony mahasoa ny fanjakan’olombelona? b) Satria Jehovah Andriamanitra no Fototra lehibe voalohany, inona koa no fanontaniana tokony apetraka amin’ny tenantsika?
7 Tsy nanohitra ny fandaminam-bahoaka sy ny fandoavan-ketra, Jesosy. Kanefa tokony ho fantatr’ireo mpitondra kosa fa an’Andriamanitra, ny zavatra sasany. Tsy dia haterina amin’i Kaisara daholo akory ny zavatra rehetra. Aza adinonao fa Jehovah anie no namorona ny olombelona sy nametraka azy teto an-tany e! Jehovah ilay Andriamanitra Tsitoha, dia nanambara hoe: “Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany.” Ary avy eo, dia hoy Andriamanitra tamin’ny lehilahy sy ny vehivavy izay vao noforoniny: “Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin’ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana ho anareo ireny.” — Genesisy 1:26, 29.
8 Jehovah Andriamanitra no nanome ireny zavatra rehetra ireny ho an’ny olombelona. Efa nitobaka be dia be talohan’ny fiforonan’ny firenena ireny, talohan’ny nitsimohan’ny fitiavan-tanindrazana. Koa mety indrindra ny hametrahana indray ity fanontaniana ity, hoe: Ny fanompoana an’Andriamanitra va mialoha ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainanao? Tokony ho afaka hamaly izany amin’ny “eny” hianao!
9. Tamin’ny andron’i Jesosy, ahoana no nampisehoan’ny Jiosy fa rembin’ny fitiavan-tanindrazana romana ry zareo?
9 Teo ambany fanapahan’ny Romana ry zareo Jiosy, taon-jato sivy ambin’ny folo izay. Jembin’ny fitiavan-tanindrazana izy ka nanda an’i Jehovah, Andriamaniny, sy Jesosy Kristy Zanany. Rehefa voatolotry ny Jiosy an’i Pilato i Jesosy izay nataony sambo-belona, dia nitondra azy teo amin’ny vahoaka jiosy kosa izy ka nanao taminy hoe: “Jereo! Io no mpanjakanareo!” “Fa nihiaka ireo nanao hoe: ‘Esory any izy! Homboy amin’ny hazo izy!’ Hoy Pilato taminy: ‘Hohomboako amin’ny hazo va ny mpanjakanareo?’ Ireo lohan’ny mpisorona namaly hoe: ‘Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.’ ” (Jaona 19:13-15, MN). Nahariharin’ireo Jiosy ireo tamin’izany fa nanana saina vonton’ny fitiavan-tanindrazana loatra izy. Nanda sy nanadino ny Andriamaniny izy, ary nanao tsinontsinona ny Zanany, izay nanambara taminy ny fahamarinana.
10. a) Na izany aza, ahoana no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany? b) Tokony ho vonona amin’ny inona ny mpianatr’i Kristy?
10 Kanefa mbola tia ny olombelona ihany Jehovah, na dia izany aza. “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo[n’ny olombelona]: nomeny ny Zanani-lahy tokana, mba tsy ho ringanina izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.” (Jaona 3: 16, MN). Tsy mbola filoham-pirenena, na dia Kaisara aza, afaka nanome fiainana mandrakizay ny vahoakany. Ny hafatra nambaran’i Jesosy nandritry ny telo taona sy tapany nanaovany ny asam-pitoriany, dia naneho fiainana ho an’ny olombelona, azo amin’ny alalan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Kanefa tsy nihaino azy ny ankamaroan’ireo Jiosy nohetsehin’ny fitiavan-tanindrazana. Ninia tsy hahalala na inona na inona momba ny Fanjakan’Andriamanitra izy. Ireo Jiosy vitsivitsy izay nihaino ny hafatra nentin’i Jesosy kosa, dia nino ary nandeha nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, na dia tamin’ny fotoana sy fomba tena nanoin-tsarotra aza. Niafara tamin’ ny fanoherana izany asa izany, ny fanjakana. Nolazain’i Jesosy mialoha ny zavatra mety hihatra amin’izay mirotsaka ho mpianany. Hoy izy: “Hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin’ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho tarihina eo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanapaka hianareo noho ny anarako. Fa hivadika ho vavolombelona ho anareo izany.” — Lioka 21:12, 13, MN.
11. Inona no nambaran’ny Jiosy anankiray izay nanao ny fanompoana an’Andriamanitra ho ambonin’ny fitiavan-tanindrazana?
11 Tsy nankasitraka ny hafatra momba ny vaovao tsara nambaran’ny kristiana, na ny Jiosy na ny Romana. Kanefa izany tsy nahasakana ny apostoly Paoly, izay teraka Jiosy, hanao ny kristianisma sy ny fanompoana an’Amdriamanitra ho zavatra ambony lavitra noho ny fitiavan-tanindrazana. Nametraka ny fiainany teo am- pelatanan’i Jehovah Andriamanitra izy. Koa izany no nahafahany nilaza hoe: “Koa izany no ananako fahafinaretana amin’ny fahalemena, amin’ny faniratsirana, amin’ny faharetana, amin’ny fanenjehana, amin’ny fahantrana, noho ny amin’i Kristy. Satria raha malemy aho, dia izay no hampahery ahy.” (Korintiana 12:10, MN). Nanana adidy nanoloana azy i Paoly ary nikely aina hanatanteraka izany izy. Fantany fa, tsy miankina velively amin’ny asa mety ho vitany eo amin’ny firenena na amin’ny Filoham-panjakana iray akory, ny fiainana mandrakizay. Fa niankina kosa amin’ ny fandaharana nomanin’i Jehovah Andriamanitra, ny fanantenany hiaina mandrakizay. Paoly dia nandray am-po ity tenin’i Jesosy ity: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana.” — Jaona 14:6, MN.
TSY MANAN-TAHOTRA EO ANOLOAN’NY FAHAFATESANA
12. Ahoana no fampaherezana omen’ny Soratra Masina Izay tandindomin’ny fahafatesana, noho izy tsy mivavaka amin’ny Fanjakana?
12 Kristiana marobe no novonoina satria nandà tsy hanompo ny Fanjakana toy ny Andriamanitra, nandritry ny taon-jato nifandimby. Inoana fa Paoly dia notapahin- doha tany Roma. Tsy nahatahotra ny ho faty ireny kristiana ireny, satria fantany fa Andriamanitra no tompon’ny aina ary mazava tsara taminy ny hevitry ny tenin’i Jesosy hoe: “Aza matahotra izay mamono ny tena kanefa tsy afaka mamono ny fanahy; fa aleo manan-tahotra Izay mahay mandringana ny tena sy ny fanahy ao amin’ny Gehena.” — Matio 10:28, MN.
13. a) Inona no ilàna. fanapahana tsara? b) Ahoana no nampisehoan’i Petera sy ny apostoly namany ny tsy tokony ivavahana amin’ny Fanjakana?
13 Tena ilaina sady mahasoa ny fanjakana raha mikarakara ny vahoaka izy, fa raha manao teniko-fe-lehibe kosa izy, dia fijaliana ho an’ny olona. Tokony hisy fanjakana tsara mihitsy, satria efa misy 3.200.000.000 izao raha kely ny mponina eto amin’izao tontolo izao. Nefa moa va milaza izany fa tokony hivavaka amin’ireny fanjakana ireny? Tokony hialoha ny fahatokiana amin’ny lafiny hafa rehetra ve ny fahatokiantsika amin’izy ireny? Ary ahoana no hataontsika raha mifanohitra amin’ny didin’Andriamanitra ny lalan’ olombelona? Tsy maintsy namaly io fanontaniana farany io, teo anatrehan’ny Synedriona, ireo apostoly. “Fa Petera sy ny apostoly namaly ka nanao hoe: ‘Andriamanitra no tsy maintsy hekenay ho filoha noho ny olona.” Noho ny fahafoizan-tenan’ny apostoly ho an’i Jehovah Andriamanitra. dia “nikapoka azy ary nandidy azy tsy hiteny intsony” ireo lehiben’ ny Jiosy. Inona no nataon’ny apostoly? “ Teo an-kiajan’ny tempoly sy isan-trano, dia nanohy tsy nijanona, nampianatra sy nanambara ny vaovao tsara momba an’i Kristy Jesosy izy. isan’andro.” (Asan’ny Apostoly 5:29, 40-42, MN). Noho izany, na dia ilaina aza ireny fanjakana ireny, dia tsy manana alalana velively izy handrara ny fampielezana ny fahamarinana, izay tonga vaovao tsara ho an’ny vahoaka; ary niseho tamin’izany fa tsy afaka nampitsahatra azy izy.
14-16. a) Azavao ny niforonan’ny fihetseham-po tia tanindrazana. b ) Inona no nateraky ny fitiavan-tanindrazana nandritry ny taon-jato nifandimby?
14 Avy aiza no niandohan’ny fitiavan-tanindrazana? Antokon’olona sasantsasany, samy ao amin’ny fianakaviana iray matetika, no miara-miaina ary mihevitra fa mifaningotra akaiky izy samy izy. Tonga mitovitovy fomba izy ary manaraka lalam-piainana iray. Tsy mivadika amin’io an-tokony io tokoa izy ary maniry ny mpikambana rehetra eo aminy hifarimbona hitady izay hahatsara ny tombon-tsoan’ny fikambanana. Marina aloha fa tsy misy maharatsy ny mifankatia sy ny mifanerasera ary ny mitady ny soa ho an’ny hafa, satria ny didin’Andriamanitra anankiray rahateo dia milaza amintsika ny tokony itiavana ny namana tahaka ny tena.
15 Kanefa, araka ny itaran’ireny antokon’ olona ireny dia misy sasantsasany ao anatiny ihany manangan’efitra entanin’ny saina tia tanindrazana. Milaza amin’izay mety mihaino azy izy fa ny antokony ara-pirenena, dia ambony noho ny hafa rehetra. Dia mitsangana ho mpitarika ny anankiray hanaporofo izany fahamboniana izany amin’ny fiantsiana ady sy ny mety ho fandresena. Tsy miraharaha mihitsy ny fahafahana mihevitra ananan’ny olona izay te-hiaina mifanaraka amin’ny Baiboly, ny mpitondra tsy refesi-mandidy eo amin’ny antokon’olona iray, ka hanery ny olom-peheziny rehetra hanohana azy, sy hiarahaba ny sary ataony ohatry ny firenen’ olombelona: saina, sary na ohatra hafa ampisehoana ny lalam-piainana eo amin’io antokon’olona resahina io izany. Raha manao izany ilay mpitondra mpanjakazaka dia mampiasa tafahoatra loatra ny fitiavan-tanindrazana. Ireo matahotra an’Andriamanitra dia mahalala fa Jehovah no “namoaka ny isam-pirenena avy amin’ny olona iray hatrany”; koa izany no andavany ny fanompoana ny Fanjakana ho toy ny ivavahana raha miarahaba ny sary ampisehoana azy an’ohatra. Noho ny fahavitsiany, dia mijaly izy ireny satria tsy manaraka ny be sy ny maro. Jesosy sy ny apostoliny koa dia olom-bitsy, kanefa izy no nanana ny marina!
16 Ny fiteny samihafa, ny firazanana, ny fivavahana, ny toerana ara-jeografia, ny fitondram-ara-politika sy ny habon’ny toe-karena, dia antony hafa koa miteraka ny fitiavan-tanindrazana. Ny fandinihana ny tantara marina niseho teo amin’izao tontolo izao, dia hahalalantsika fa ny maro amin’ireny antokom-pirenena fantatra ireny dia nivoaka avy tamin’ny antoko madinika kokoa. Arak’izany, hatramin’ny safo-drano, dia avy amin’i Noa sy ny zanany telo lahy dia i Sema sy Hama ary Jafeta, no nipoiran’ny fianakavian’olombelona. Hoy ny Baiboly ny amin’izany: “Ireo telo lahy ireo no zanak’i Noa; ary ny taranak’ireo no niely tambohin’ny tany rehetra.”( Genesisy 9:19). Nisy voalohany indrindra aloha ny antokom-pianakaviana, dia ny foko, ary taty aoriana ny tanàna. Toy izany no nanorenan’i Nimroda ny fanjakany (Genesisy 10:9, 10). Nandritry ny taon-jato nifandimby, ny firenena mahery dia nanitatra ny faritaniny tamin’ny fandresena ny firenena hafa. Toy izany no nisehoan’ny herim-panjakana teo amin’izao tontolo izao toa an’i Egypta, Asyria, Babylona, Medo-Persa, Gresy sy Roma. Hitantsika fa misy firenena maro mikely aina fatratra hanitatra ny fanapahany, nandritry ny taona faraparany teo izao. Mety ho tsaroanao angamba i Mussolini tany Italia izay nilofo handrombaka ny ilan’i Afrika. Nihavana tamin’i Hitler, filoham-pitondrana tsy refesi-mandidy tao Alemaina, izay nitady hanitatra ny fahefany hatrany Eoropa, Azia sy Afrika, izy. Raha ny tena marina, dia naniry hihazona irery ny fahefana teo amin’ny tany manontolo izy. Mpamono olona manao ahoana! Hatramin’ny naharava io fikasany handresy ny firenena hafa io koa, dia maro ny antokom-pirenena nioitra hahazo ny fahaleovantenany. Niseho ho tena tia tanindrazana ary ireny olona ireny ary tsy nivadika arain’ireo mpitarika azy ara-politika.
17. Azavazavao kely ny nivelaran’io fitiavan-tanindrazana io hatreo amin’ny Ady Lehibe Faharoa nifanaovan’izao tontolo izao.
17 Miseho mandrakariva eo amin’ny pejy filazam-baovaon’ny gazety ny teny hoe: “Fifandirana”, indrindra hatramin’ny taona 1914 no ho mankaty. Misy tia tanindrazana liana ady mitaky ny zo sy ny tany ho an’ny antokon’olona sasantsasany. Dia mahaforona fanjakana vaovao. Ao Afrika fotsiny izao tao anatin’ny efa-taona farany, dia nisy efatra amby roa-polo no tany vaovao vao nipoitra. Fanjakana tsy latsaky ny enina amby telo-polo no naterak’io kontinanta lehibe io, hatramin’ny Ady Faha-roa nifanaovan’izao tontolo izaoc. Izao no filazan’ny Encyclopedie americaine ny momba izany: ‘‘Nitana anjara lehibe teo amin’ny tany manontolo ny firaiketam-po amin’ny tany nihaviana, hatramin’ny Ady Lehibe Faharoa. Ny fomba nampiasain’i Hitler dia nitarin’i Joseph Staline hatrany ka, niseho ho mpianatra kinga, nanandratra mafy ny fitiavan-tanindrazana fasista izyd.” Momba ny fitiavan-tanindrazana dia namafisin’io boky io ihany fa: “Tamin’ ny fotoana tany aloha, dia natokan’ny olona ho an’ny fivavahana ny fahatokiana ambony indrindra teo amin’ny fiainany. Fa ankehitriny, dia voatery nanome ny toerany ho an’ny firenena ny fivavahanae.”
18, 19. a) Inona no dikan’ny teny hoe: fitiavan-tanindrazana? b) Raha lasan-davitra loatra izany, dia ho inona no vokany?
18 Tao amin’ny nomeraon’ny 7 Desambra 1962 (pejy faha-20) dia nanoratra izao ny revio Time: “Ny andriana tompomena-kely tamin’ny “Moyen Age” dia nanome ny fahatokiany sy ny fankatoavany ho an’ny mpanjaka, fa tsy ho an’ny tanindrazana, ary ireo karazan’andriana frantsay izay miara-miady amin’ny mpanjaka anglisy mpila sotasota, dia noheverina ho toy ny mpanompo mahatoky fa tsy mpiara-miasa amin’ny fahavalo. Izao manaraka izao no nosoratan’i Carlton Hayes mpanoratra tantara: ‘Ny maha-firenena dia nisy hatrizay. Ny fitiavan-tanindrazana koa dia nisy hatry ny elabe na teo amin’ny faritra madinidinika na teo amin’ny fanjakana lehibe. Ny fiheverana maoderina, tena vaovao dia hoe: ny firaiketam-po amin’ny firenena nihaviana, no fifangaroan’ny fitiavan-tanindrazana sy ny maha-firenena ny tena, ny maha-ambony ny fitiavan-tanindrazana isam-pirenena eo amin’ny fahatokiana hafa rehetra maha-olombelona!
19 “Niaiky ireo tia tanindrazana fa nisy voa tsara sy voa ratsy tao amin’ny fanekem-pinoana nafafiny. Nitaky ny fahatokiana ambony tamin’ny mponina ao aminy, ny firenena. Nolazainy marimarina fa ambony amin’ny lafiny rehetra izy, noho ireo firenena hafa ka namporisika ny olom- peheziny izy hirehareha noho ny toetra sy ny anjaran’ny fireneny. Lasan-davitra loatra izany fiheverana izany ka nanjary isan’ ireo fototra nampipoaka ny Ady Lehibe Voalohany, ary ny fitiavan-tanindrazana nihasimba no nampitobaka ny horohoro nazia ka nameno fatin’olona ny tany.”
20. Ahoana no mampiova endrika ny fitiavan-tanindrazana ho tonga fahatokiana tsy zarazaraina?
20 Carlton Hayes, io mpanoratra katolika io ihany, dia milaza zavatra toy izao koa ao amin’ilay bokiny atao hoe: Nationalism: A religion, ka amin’ny pejy fahafolo: “Misy ambaratongany tahaka izay tsapa eo amin’ny fihetseham-po ihany, ny fitiavan-tanindrazana. Ny firaiketantsika amin’ny firenena nihaviana sy ny Fanjakam-pirenena dia mety mifandray amin’ny fahatokiana hafa — toy ny amin’ny ankohonana, na ny Eglizy, na ny olombelona rehetra, na ny firaisam-pirenena — ka voafetra ihany raha jerena arak’izany. Afa-tsy izany, mety ho fahatokiana mendri-piandrianana sy ambony tokoa ny firaiketam-po amin’ny firenena nihaviana, ka hialoha ny fahatokiana hafa rehetra. Rehefa miharo ny fihetseham-po ara-pirenena sy ny fihetseham-po ara-pivavahana vao mitranga izany tarehin-javatra izany ka, ny firaiketam-po amin’ny firenena, mihodina ho karazam-pivavahana na misolo toerana ny fivavahana mihitsy aza.”
NY KRISTIANISMA SY NY FITIAVAN-TANINDRAZANA
21, 22. a) Afaka miaraka ve ny kristianisma sy ny firaiketam-po amin’ny firenena? b) Inona no nataon’ny fitambaramben’ny kristiana anarana, hanakambanany ireo zava-droa loha ireo ary inona no niafaran’izany?
21 Rehefa voalaza izany dia aoka ho fehezintsika miaraka amin’izay ny hevitra, fa tsy mifangaro velively ny kristianisma sy ny fitiavan-tanindrazana (nationalisme). Tsy nampifangaro azy na oviana na oviana i Jesosy Kristy. Fa ahoana kosa ny amin’ ireo fivavahana katolika, ortodoksa sy protestanta ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana? Manohana tanteraka ny fitiavan-tanindrazana izy ary manolotra ny fanampiany amin’ny tany izay iandaniany. Tsy misalasala mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra politika, hanandratana ny mpitarika sasany izy ary misy aza mpitondra fivavahana maro mirotsaka ho fidina amin’ny raharaha politika. Ireny mpitondra ao amin’ny antokom- pivavahana ireny indrindra no voalohany mamporisika ny tovolahy handeha hamono ireo rahalahiny iray finoana aminy amin’ny firenen-kafa, na dia mandrara tsy hamono olona aza ny Baiboly izay heverina ho fototry ireny finoana ireny.
22 Tonga inona ny pretra sy ny pastora eo amin’ireny fandaminana ara-pivavahana ireny? Nataony ahoana ny mpiangona ao amin’ny fiadidiany? Jakoba, izay nanaraka ny dian’i Jesosy Kristy dia nanoratra hoe: “Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa izay te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia manora-tena ho fahavalon’Andriamanitra.” (Jakoba 4:4, MN). Fantatrao tsara izay anoloran’ny mpitondra fivavahana sy ny olona entiny, ny fahatokiany. Moa tsy tokony ho takatry ny sainy ve fa, raha te-hatoky ny tompo iray, ny olona dia hankahala ny tompo iray? Nolazain’i Jesosy marina fa: “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na hiraiki-po amin’ny anankiray izy, ary hanao tsinontsinona ny anankiray. Tsy afaka miasa toy ny mpanompo ho an’Andriamanitra sy ho an’ny Harena hianareo.” (Matio 6:24, MN). Kristiana va hianao? Raha eny, inona no mialoha eo amin’ny fiainanao? Manana alalana hifidy ny lalam- pitondrantena tianao hianao; kanefa ve, mahazo manameloka na mampijaly ny kristiana hafa hianao satria ny Mpamorona kosa no nekeny ho Tompo fa tsy ny Fanjakana?
23. Araka ny oha-piainana navelan’i Jesosy sy ireo mpianany, inona no tokony ataon’ny kristiana ho enti- manatanteraka ny sitrapon’i Jehovah?
23 Ny kristiana izay efa nanolo-tena hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra, dia tapa-kevitra marina hanaraka ny fampianaran’i Jehovah, Izay efa niseho sy nampahafantatra ny sitrapony tamin’ny alalan’ny Teniny voasoratra, dia ny Baiboly masina. Arakaraky ny Teny voasoratra no ahitana mazava hatrany izay lalam-pitondrantena arahina. Jesosy sy ny apostoliny ary ny kristiana voalohany, dia niandany tamin’i Jehovah, Ilay Tompo izay nofidiny, nefa tsy nataony hanoherana akory izany. Ny ankabeazan’olona kosa dia nifidy an’i Kaisara. Zony izany. Kanefa, nahoana no enjehina ny vitsy, dia ireo mpino nanao ny fanompoana madio an’Andriamanitra ?
24. Ahoana izany hoe: ho tia ny namana, raha tsy maintsy mitandrina ny fahatokiana amin’Andramanitra isika?
24 Mety miseho eo amin’ny fiainan’ny olona tsirairay ny fotoana tokony hifidianana izay anolorana ny fahatokian’ny tena. Ny hoe: “tsy mivadika amin’i Jehovah”, akory tsy azo adika ho fiolonolonana amin’ny namana, na ny firenena izay nipoiran’ny tena. Jesosy dia nampianatra antsika ho tia ny Raintsika any an-danitra sy ny namantsika (Lioka 10:27). Nefa kosa, ny hoe “tia ny namantsika” tsy azo adika hoe: “haka tahaka azy”. Tamin’ilay Toriteniny teo an-tendrombohitra, Jesosy dia nanome ireto toro-hevitra manaraka ireto: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Tiava ny namanao ary mankahala ny fahavalonao. Fa izaho kosa milaza aminareo hoe: ‘Tiava ny fahavalonareo ary aza mitsahatra mivavaka ho an’izay manenjika anareo mba ho hita fa zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.” (Matio 5:43-45, MN). Azonao atao izany ny ho tia ny namanao; eny, na dia ny fahavalonao aza, kanefa tsy mila haka tahaka azy hianao raha manao zava-dratsy izy.
OHATRA IRAY TEO AMIN’NY TANTARA
25, 26. Fotoana Inona no iokony itodihantsika itadiavana oha-piainana tsara momba ny fahatokiana an- Andriamanitra, noho ny Fanjakana, ary iza no manolotra izany ohatra izany?
25 Andeha hiverina kely amin’ny tantara, hitodika ny lasa hatreo amin’ny taona 617 talohan’ny fanisan-taona arahintsika izao. Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, dia nanao sesi-tany Isiraelita marobe ka nitondra azy ireny ho babo tany Babylona, tamin’izany taona izany. Nisy sasany tamin’ ireny, avy tamin’ny tarana-mpanjaka, natokany homena fampianarana manokana ao an-dapan’ny mpanjaka. Notsongain’i Nebokadnezara izay tsara indrindra, dia zatovo tsara tarehy sady kanto amin’ny fahendrena rehetra, manam-pahalalana sady mazava saina. Tokony ho miendrika hitoetra ao an-dapan’ny mpanjaka izy. Nasainy nampianarina ny soratra sy ny tenin’ ny Kaldeana izy. Natao tsara sakafo araka izay mahasoa azy izy. “Ny mpanjaka nampanokana hanina ho an’ireo isan’andro avy tamin’ny haniny sy avy tamin’ny divay izay fisotrony. Maharitra telo taona no itaizana azy arak’izany; ary rehefa afaka izany, dia hitoetra eo anatrehan’ny mpanjaka izy.” — Daniela 1:1-5, Dhorme.
26 Tamin’ireny zatovo ireny dia nisy tanora vao erotrerony efa-dahy, tokony ho efatra ambin’ny folo ka hatramin’ny valo ambin’ny folo taona eo. Firenen’i Joda daholo izy ireo. Daniela, Hanania, Misaela sy Azaria no anarany. Mahaliana tokoa ny dikan’izany anarana izany. Ny hoe: Daniela dia “Andriamanitra no mpitsara” no heviny; Hanania kosa dia hoe: “Jah efa namela heloka”; Misaela dia hoe: “izay toy ny maha-Andriamanitra an’Andriamanitra” ary ny hoe Azaria: “Jah no mpiambina”. Nahariharin’i Nebokadnezara tamin’ny nandidiany azy hanaraka ny fomba fisaina kaldeana sy ny nampanalavirany azy tamin’ny fisainana hebreo, fa tiany hendahina tamin’ny Andriamaniny izy ireo ka novàny mbamin’ny anarany. Koa novany hoe Beltesazara ny anaran’i Daniela izay adika hoe: “zanak’andrianan’i Bel” na “mpitari-dalan’andriana”. Sadraka no anarana nomena an’i Hanania. Tsy dia mazava loatra ny hevitr’io anarana io, kanefa ny mpivaofy teny amin’ny Soratra Masina sasany dia nandika azy hoe: “mpanompo an’i Akou” (ny andriamanitra volana). Misaela nataony hoe Mesaka. Tsy fantatra izay dikan’ity anarana farany ity kanefa, araka ny lovan-tsofina, dia manondro andriamanitra babyloniana iray izy. Azaria kosa dia novana anarana hoe: Abed-nego na “mpanompon’i Nego [na Merkiora]”. Dia tokony hiova ho mpanompon’ny andriamani-kafa izy ireo fa tsy hanompo an’i Jehovah intsony. Moa niova fomba fiaina sy fitondrantena ve ireo zatovo ireo, satria novàna ny anarany?
27, 28. a) Nitsahatra nivavaka tamin’Andriamanitra ve ireo zatovolahy ireo fa nomena anarana mpanompo sampy izy? b) Na dia ny momba ny hanim-pihinana aza, ahoana no nifehezany tena tsy handika ny lalàn’Andriamaniny ary inona no vokatr’izany?
27 Tsy nirehareha velively tamin’ny fanovàna ny anarany sy ny fikarakarana nampanaovin’ny mpanjaka ho azy manokana, ireo tanora efa-dahy ireo. Efa nanokana ny tenany ho an’i Jehovah Andriamanitra Tsitoha izy. Na dia nenti-ko babo tany Babylona aza ny tenany, dia nikasa tao am- pony izy, hanaraka mandrakariva ny lalàn’Andriamanitra voarakitra ao amin’ny Teniny, eo amin’ny fiainany. “Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany mihitsy tamin’ny hanim-py avy tamin’ny mpanjaka sy tamin’ny divay izay fisotrony.” (Daniela 1:8, Da). Naharitra nangataka hanin-kotrana sy rano ho sakafony i Daniela sy ny namany telo lahy. Rehefa niady hevitra tamin’ny lehiben’ny tandapa miadidy azy, i Daniela dia nekena ny fangatahany sakafo tsotra, atao fanandramana mandritra ny hafoloana. Raha ny marina, ireo zatovolahy ireo dia tokony ho nahatsiaro ny teny ao amin’ny Deoteronomia izay milaza hoe: “Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. Ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra hianao. Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao izao. Dia averimbereno tsara amin’ny zanakao izany, ary resaho aminy, na mipetraka ao an-trano hianao, na mandeha any an-dalana, na mandry na mifoha.” — Deoteronomia 6:4-7, AC.
28 Nahalala ny Didy folo sy ny fitsipik’i Jehovah mikasika ny hanim-pihinana izy ireo. Tafalentika tsara tao an-tsainy ny tenin’i Mosesy hoe: “Ary ankehitriny, ry Isiraely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay ampianariko anareo harahinareo, mba ho velona hianareo.” (Deoteronomia 4:1, AC). Naharikoriko azy na dia ny hanendry ny hanina tsy madio sy voarara aza. Naleony nihinana hanin-kotrana ka nolaviny tsy hiditra amin’ny tenany akory ny hena sy ny divay izay, angamba efa natao fanatitra tamin’ny sampy. Koa “nony tapitra ny folo andro, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny endriny noho ny an’ny zatovo rehetra izay nihinana ny hanim-py avy tamin’ny mpanjaka.” (Daniela 1:15, Da). Afa-po tamin’ny vokatra hitany ilay tandapa mpiadidy an’i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria ka tsy nanan-kambara. Jehovah koa dia faly taminy, satria izao no voasoratra fa “ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen’Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin’ny taratasy sy ny fahendrena rehetra. Daniela dia nahafantatra ny amin’ny fahitana sy ny nofy rehetra.” — Daniela 1:17, Dhorme.
29, 30. Nitsahatra tsy nahatoky tamin’i Jehovah Andriamanitra va izy fa nohandrindrianina tamin’ny toerana ambony teo amin’ny fanjakana sy nototofana fanomezana maro?
29 Nandritra ireo telo taona izay namolavolana azy dia afaka nianatra ny fiteny kaldeana sy ny fahalalana maro samihafa, ireo zatovo efa-dahy ireo, kanefa izany tsy nataony hanadinoina na oviana na oviana ny Andriamaniny sy ny zavatra rehetra efa nampianarina azy tany Jodia, momba ny didin’i Jehovah. Na dia nentina hiseho teo anoloan’ny mpanjaka aza izy, dia tsy mba nangitakitaka firy. Nampian’Andriamanitra i Daniela ka afaka nanambara ny nofy. Nanome zavatra maro azy ny mpanjaka no sady nanandratra azy ho mpanapaka an’i Babylona sy ny fehiny rehetra sady ho lehiben’ny olon-kendrin’i Babylona rehetra. Kanefa, tsy nataony ho rehareha akory izany. Ny fahatokiana an’i Jehovah, taminy, dia nialoha ny zava-drehetra.
30 Rehefa voatendry tamin’ny toerana ambony toy izany Daniela, dia sahy nangataka “tamin’ny mpanjaka izy hanendry an’i Sadraka sy Mesaka ary Abed-nego ho tonian’ny raharahan’i Babylona sy ny fehiny; ary Daniela dia teo an-dapan’ny mpanjaka.” ( Daniela 2: 49, Dhorme.). Te-hifanakaiky mantsy izy efa-dahy zatovo Jiosy ireo ka hifampahery amin’ny fivavahany. Nanatontosa antsakany sy andavany izay adidy rehetra izy, na dia izany aza, satria mpanompo izy no naha-tany Babylona azy. Tsy voaelingelin’ny fahalalana be nananany sy ny andraikitra makadiry niantsorohany anefa izy ireo fa nahajoro tamin’ny heviny, tsy ho simban’ny firaiketam-po amin’ny firenena nihaviany, ka hanompo ny Fanjakana toy ny ivavahana, ary hanadino ny fitiavany an’Andriamanitra. Tsy nanaiky hanome ny Fanjakana mihoatra noho izay tokony ho tandrifin’azy izy ka, tsy hanome an’Andriamanitra na inona na inona. Azo antoka fa tsy nanolotra ny Fanjakana, izay tokony ho an’Andriamanitra izy ireo.
31. Ahoana no fisehon’ny fitsapana tamin’ireo Hebreo efa-dahy, ary inona avy no fanontaniana mipetraka?
31 Misy fotoana, andalovan’ny mpanompon’i Jehovah Andriamanitra fitsapana avokoa eo amin’ny fiainany. Efa nampiomana rahateo ny kristiana, vavolombelon’i Jehovah, i Jesosy Kristy ny amin’ny hahitany fanoherana sy hiaretany fanenjehana noho ny anarany. Tsy nisy hafa tamin’ izany no nahazo ireto zatovo Hebreo efa-dahy. Tonga ny andro nisedrana ny fahatokiany sy ny fahafoizan-tenany. Tsy hivadika amin’Andriamanitra va izy, sa amin’ny Fanjakana? Hiondrika eo amin’ny Fanjakana va izy, hamonjy ny ainy? Ho hitantsika ny valin-tenin’ny Baiboly ao amin’ny Daniela toko fahatelo.
NY FITSAPANA
32. Azavao kely ny fanomanana fitsapana anankiray nitranga tany Babylona?
32 Nampanao tsangambato volamena ngeza dia ngeza Nebokadnezara mpanjaka. Enim-polo hakiho no hahavony (na 27 metatra eo ho eo) ary enina hakiho ny sakany (na 2m 70 eo ho eo koa). Nasainy natsangana tany amin’ny lohasahan’i Dora, ao amin’ny fehin’i Babylona izany, toerana tokony ho folo kilometatra ao atsimon’i Babylona ihany. Ny tenan’i Nebokadnezara mpanjaka no “nampamory ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka, sy ny governora, sy ny mpanolo-tsaina, ny mpitahiry volam- panjakana sy ny mahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony, mba ho tonga amin’ny fanokanana ilay tsangambato’’ efa najorony (Daniela 3:1, 2, Dhorme). Koa satria tonian’ny raharahan’i Babylona sy ny fehiny i Sadraka sy Mesaka ary Abed-nego dia tokony hanaja ny didy koa izy.
33. a) Inona no zava-nokendren’ny Devoly tamin’ireo tanora Hebreo telo lahy, ary inona no teny namoahan’ny mpanjaka ny didy ivavahana amin’ny tsangam-bato? b) Milazà kely fandinihana ahitan-tsoa avy amin’ny boky Italy hoe: “Ny Sainantsika’’, aseho eto amin’ny pejy.
33 Tena hevitra nomanin’i Satana Devoly, ilay tena andriamanitr’i Babylona anefa izany, niniany natao hanerena ireo Hebreo telo lahy ireo hiondrika eo anoloan’ny Fanjakana, ka hiankohoka eo anoloan’ilay sarin’ny Fanjakana, ohatra azo aseho amin’ny sary toy ny tsangambato, na ny faneva na ny sainaf. Nampiseho ny Fanjakana babyloniana izao ny sary volamena voalaza eto. Ny mpitondra rehetra tamin’ ireo tany resin’i Nebokadnezara dia nodidiany hanatrika sy hiakohoka tamin’ilay sary. Noheverin’i Nebokadnezara ho azony terena hanaraka ny fanehoam-piraiketana ajoron’i Babylona daholo na Jodiana, na Asyriana, na Egyptiana, na ireo firenena hafa resiny tamin’ny ady. Natao ary ny famoriana. “Niantso mafy ny manam-boninahitra ira-panjakana hoe: Indreo hianareo ry fokom-pirenena sy firenena ary ny samy hafa fiteny. Izao no adidiana anareo: Rehefa mandre ny fanenon’ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga, sy ny samboka, sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany hianareo, dia miankohofa ka mivavaha amin’ny tsangambato volamena izay efa natsangan’i Nebokadnezara mpanjaka. Na iza na iza no tsy miankohoka sy tsy mivavaka, dia hatsipy miaraka amin’izay ao anatin’ny lafaoro misy afo mivaivay.” (Daniela 3:4-6, Dhorme). Ny dikan’izany dia tsy mifakaiza amin’ny hoe: Mandohaleha eo anoloan’ ny sary, mivavaha amin’ny Fanjakana! Tsy inona fa firaiketam-po amin’ny firenena tsotra izao! Ny fokom-pirenena rehetra sy ny mpitondra rehetra eo aminy, ny lehibe sy ny madinika, dia tokony hanompo izay antsoin’i Jesosy hoe: Kaisara, ary ny taratra mampiseho azy dia ny firaiketam-po amin’ny firenena na ny fitiavan-tanindrazana!
34, 35. Ahoana no nanatrehan’ireo Hebreo telo lahy ny fitsapana, ary didin’Andriamanitra inona no tsaroany tamin’izay?
34 Indreo anefa olona telo lahy mbola mijoro! Alao kely sary an-tsaina ange! Nandà hiankohoka izy! Araka ny baikon’ ny mpanjaka, dia tonga teo amin’ny toerana voatondro ao amin’ny lemak’i Dora, niaraka tamin’ny olon-drehetra izy ireo, kanefa tsy niondrika ho mari-panajana teo amin’ny tsangambato izy. Inona no antony? Tonga hatreo amin’ny faritry ny azony atao izy. Niaraka tamin’ny namany sasany izy, kanefa eto vao tonga ny oran’ ny fitsapana. Tsara fototra ny fanapahan- heviny. Tsy isalasalana fa nahatsiaro ny tenin’i Jehovah nampitondrainy an’i Mosesy hambaran’ny vavany, ireto Jodiana telo lahy ireto, dia Sadraka sy Mesaka ary Abed-nego:
35 “Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ny trano nahandevozana. Aza manana andriamani-kafa eo anatrehan’ny tavako. Aza manao sarin- javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay ety amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka mihitsy eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro [izay mila ny fahafoizan-tena tsy mizarazara, NW] ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy; nefa kosa mamindra fo amin’ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. Aza manonona foana ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon’i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.” — Eksodosy 20:1-7, AC.
36. Tamin’iza no nametrahany ny fitokiany?
36 Mazava tsara tao an-tsain’ireo Hebreo telo lahy ireo ny hevitr’izany didy izany. Nanolotra ny fahafoizan-tenany manontolo ho an’Andriamanitra izy. Hatramin’ izay, dia tsy azony natao ny miankohoka sy mivavaka tamin’ny sary anankiray na ny marika famantarana noforonin’ny tanan’olombelona. Tia tokoa ny ainy izy ireo ary nino fa hamonjy azy Andriamanitra. Ary na dia ho faty tamin’izay aza izy, dia tsy nisy nampatahotra azy kely akory, satria nino ny fananganana amin’ny maty koa izy. Romotry ny hatezerana sy ny havinirana Nebokadnezara, rehefa nan dre ny fandavany, ka nampanao famotorana.
37. Inona no nitranga rehefa notarihina teo anatrehan’ny mpanjaka ireo lehilahy ireo?
37 Dia notarihina teo anatrehan’i Nebokadnezara izy telo lahy Hebreo, ka nanontaniany hoe: “Moa marina va, ry Sadraka sy Mesaka ary Abed-nego fa tsy mba manompo ny andriamanitro hianareo, na mivavaka amin’ny sary volamena izay natsangako?” (Daniela 3:14, Dhorme). Sorena mafy ny mpanjaka nahita ireto mpanompo telo tsara indrindra ireto miseho madi-doha aminy ka manda hanao izany zavatra kely tsy toy inona izany. Moa tsy miankohoka fotsiny dia ampy? Izay dia izay ihany no notadiaviny taminy. Koa nanapa-kevitra i Nebokadnezara, namela azy ireo hisafidy fanindroany. Hoy izy taminy: “Vonona va hianareo ankehitriny, raha mandre ny fanenon’ny anjomara sy ny ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava- maneno isan-karazany, ka hiankohoka sy hivavaka amin’ny tsangambato izay nataoko ? Ary raha tsy mety mivavaka kosa hianareo, dia hatsipy miaraka amin’izay ho ao anatin’ny lafaoro misy afo mivaivay, ary iza moa no andriamanitra hamonjy anareo eo amin’ny tanako? — Daniela 3:15, Dhorme.
38. Mba niahotra kely akory ve ireo Hebreo telo lahy ka naka fotoana hieritreretana rehefa nomen’ny mpanjaka safidy hahazoany miankohoka, ary ahoana no valin-teniny tamin’ny mpanjaka?
38 Tsy nila fotoana lava hanapahan-kevitra ireo Hebreo telo lahy. Efa mby tao an-tsainy mialoha izay ataony. Fony mbola vao zaza erotrerony aza izy, fony novelomina sy nampianarina tany amin’ny sekoly manokana tao an-dapan’ny mpanjaka, dia efa fantany ny Andriamanitra tompoiny. Tamin’izany aza izy no efa nanda handika ny lalàn’i Jehovah mikasika ny hanim-pihinana. Koa ankehitriny dia azo antoka fa tsy hanota amin’ny lalàn’Andriamanitra izy ka hivavaka amin’izay sary. Tsy nihambahamba kely akory, “Sadraka sy Mesaka ary Abed-nego fa namaly ny mpanjaka Nebokadnezara hoe: Tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin’izany zavatra izany. Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro misy afo mivaivay sady hamonjy anay amin’ny tananao, ry mpanjaka ô! Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô! fa ny andriamanitrao dia tsy ho tompoinay, ary ny tsangambato volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.” — Daniela 3:16-18.
39. Iza koa no nanome valin-teny mitovy tamin’izany mba hiarovana ny fanompoana madio an’Andriamanitra?
39 Izany ka finoana! Izany ka fahatokiana! Inona koa no fahatokiana sahy sedra, mitovitovy amin’izay, tonga ao an-tsaintsika? Tsaroanao ve ilay fotoana nanan- draman’i Satana nandidy an’i Jesosy mba hanao “mari-pivavahana sy fanajana” eo anatrehany? Niaraka tamin’izay koa no namalian’i Jesosy azy: “Fa hoy Jesosy taminy: ‘Mandehana hianao’, ry Satana! Fa voasoratra hoe: “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao ary aminy irery ihany no hanateranao ny fanompoana masina.” — Matio 4:8-10, MN.
VOAVOTRA IREO MAHATOKY
40-42. Ambarao ny fandehan’ilay tantara mahatsiravina manaraka, sy izay niseho taorian’ny lafaoro mivaivay.
40 Fantatr’i Nebokadnezara tsara anie, ny Andriamanitra ivavahan’ireo Hebreo telo lahy ireo e! Tiany ho fantarina ankehitriny raha hanaiky ireo noho ny fampirahonana ataony, rehefa voafatotra hatsipy ao anaty lafaoro izy. Hiondrika eo anoloan’ny Fanjakana va re izy ka hanjary isan’ireo matimatin’ny fitiavan-tanindrazana? Sa mety hanompo tompo roa? Hanome ny anjara tsy azy ho an’ny Fanjakana va re izy?
41 Tsy mba nisy izay tahotra kely akory “izay mamono ny tena kanefa tsy afaka mamono ny fanahy” tao amin’izy telo lahy. Tahaka ireo kristiana marina amin’ izao androntsika izao izay midera ny oha-piainana nasehon’izy telo lahy Hebreo ireo, dia “nanan-tahotra Izay mahay mandringana ny tena sy ny fanahy ao amin’ny Gehena” izy ireo. (Matio 10:28, MN). Hitany tamin’ny fiovan’ny endriny fa nahafeno fahatezerana an’i Nebokadnezara ny fandavany azy. Nitalakotroka ny didin’ny mpanjaka, nanarak’izany: “Atsipazo any anaty lafaoro misy afo mivaivay ireo ary ataovy mafana im-pito noho ny fanao ny lafaoro!” Natsipy tokoa arak’izany ao anaty lafaoro izy ireo, ary tsy hay natonina ny fivaivain’ny afo ka ireo lehilahy voatendry hanipy azy telo lahy Hebreo indray no main’ny lelafo ary maty mihitsy.
42 Nampivadi-po an’i Nebokadnezara ny zavatra natrehin’ny masony. Nitsangana faingana izy ka nanontany an’ireo nanotrona azy: “Moa tsy telo lahy mifatotra no natsipintsika tao anaty afo?” Dia namaly azy ireo ka nanao hoe: “Marina izany, ry mpanjaka ô!” Nangitakitaka i Nebokadnezara ka nilaza hoe: “Indro anefa aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, nefa tsy maninon-tsy maninona izy; ary ny endriky ny fahefatra dia sahala amin’ny an’ny zanak’ireo andriamanitra.” Dia niantso azy telo lahy Hebreo i Nebokadnezara ka niangavy azy hivoaka tao anatin’ny afo ary hanatona azy. Nanao arak’izay nolazaina azy i Sadraka sy Mesaka ary Abed- nego. Fahagagana tsy nisy hoatr’izany! Tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny afo; tsy nisy nikainkona ny volon-dohany na dia singany iray aza! Tsy nanohinana mihitsy koa ny fitafiany ary tsy nisy fofon’afo kely akory nanaraka azy. Tena nisedra fitsapana sarotra ireo lehilahy ireo, kanefa nahay nampiseho ny fahatokiany izy. — Daniela 3:24-27.
43. Inona no nataon’i Nebokadnezara antso avo, avy teo ka nankalazany an’i Jehovah ho ny Andriamanitra tokana mahavonjy ny mpanompony?
43 Nihozongozona marina i Nebokadnezara tamin’izany zava-niseho izany ka niantso mafy hoe: “Isaorana anie ny Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka sy Abed- nego Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony, izay natoky Azy ka nandika ny tenin’ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin’ izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany! Ka dia manao lalana aho fa ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety ny amin’Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka sy Abed-nego dia ho tetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony, fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.” (Daniela 3:28, 29). Ary hianao kosa, manaiky va hianao fa “tsy misy andriamanitra hafa na ireny aza mahavonjy tahaka Azy”?
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Encyclopedie américaine”, ny fanontàna tamin’ny taona1956. boky faha-XIX, pejy faha-755.
b “Ibid.”pejy faha-756.
c “Foreign Letter”, tamin’ny 24 Desambra 1963 (Réveillez-Vous! voatonta amin’ny teny anglisy tamin’ny 22 May 1964, pejy faha-29).
d “Encycloptedie américaine”, boky faha-XIX, Pejy faha-755.
e “Ibid.”, pejy faha-756.
f Ny boky kely “Our Flag” (Ny sainantsika) natontan’ny birao mpilaza vaovao no amin’ny minisitera amerikana momba ny fiarovana (Office of Armed Forces Information & Education) dia nilaza izao eo amin’ny voaloham-pejiny: “Mifangaro ny tantaram-piandohan’ny tanindrazantsika sy ny tantaram-piandohan’ny sainam-pirenentsika. Tahaka ny nandraisan’ny tanindrazantsika ny fananany avy amin’ny olona samihafa fihaviana ka nanorim-ponenana teto ary nanangana firenena anankiray vaovao, dia tsy misy ivoasana amin’izany ny fiandohan’ity Fanevantsika mitondra sarin-kintana ity, fa samihafa tany aloha ela tany ireny ka very tadidy tao anaty aizin’ny fotoana, nefa miseho indray eo amin’ny Sainan’ny Repoblikantsika.
“Ny kintana dia sary iray ampisehoana ny lanitra sy ny zava-kendren’andriamanitra, katsahin’ny olombelona ho tratrarina hatramin’ny fahagola; ny fehi-valahany dia sarin’ny tara-pahazavana avy amin’ny masoandro. Ireo foto-kevitra roa ireo dia efa naseho teo amin’ny fanovan’ny firenena maro hatramin’ny elabe, hatramin’ny sainan’ny mpivavaka amin’ny kintana tany Egypta sy Babylona fahizany ka hatramin’ny saina misy kintana roa ambin’ny folon’ny mpiady espaniola atao hoe ‘conquistadors’ teo ambany fitondran’i Cortez. Mamin’ny vahoaka hatrany ireo sary anoharan-javatra ireo ka nampiasaina hatramin’ny taon- jato faha-XVII tamin’ny faneva misy tsipika najoron’ny Pays-Bas sy ny Fikambanam-barotra any India, ary ankehitriny aza dia miseho amin’ny sainan’ny firenena maro any Eoropa sy Azia ary Amerika anankiroa ny kintana sy ny tsipika roa mitovy elanelana.’’
Ao amin’ny pejy faha-33 ao amin’io boky kely io ihany, no ahitana izao fanoroana manaraka Izao: “Ny mpitan-tsoratry ny Fiarovana, Washington, 28 Desambra 1959, NY SAINANTSIKA (DOD Pam 5-6a) — Natao ho an’ny mpanao raharahan’ny hery ara-tafika ity filazana ofisialy navoaka ity. [vita sonia] Thomas S. Gates. Mpampanota: Office of Armed Forces Information and Education, Departement of Defense, Washington 25, D.C.’’