Fanontanian’ny mpamaky
● Inona no tian’ny apostoly Paoly holazaina rehefa nanoratra izy fa ny fisian’ny antoko teo amin’ny Korintiana dia hanjary hampiharihary an’ireo nankasitrahana?
Nifototra tamin’ny fitantarana voarainy i Paoly ka nanoratra toy izao: “Raha miangona ao am-piangonana hianareo, dia reko fa misy fisarahana eo aminareo; ary mba misy inoako ihany izany. Fa tsy maintsy misy fitokoana eo aminareo, mba haseho eo aminareo izay olona ankasitrahana.” — 1 Kor. 11:18, 19.
Niaiky ilay apostoly fa ny fitantarana dia tsy manome foana hevitra feno ny amin’ny tarehin-javatra. Nefa, noho izy nahafantatra manokana ny kongregasionan’i Korinto, dia fantatr’i Paoly fa nisy marina ihany tamin’izay notantaraina taminy. Izany no antony nanambarany toy izao: “Mba misy inoako ihany izany.” Nanatsoaka hevitra avy amin’izany izy fa tsy maintsy nisy ankolafiny na antoko teo amin’ireo Korintiana. Nefa, ny fisian’ireny ankolafiny ireny mihitsy dia hampiseho ny hoe olona iza avy no nankasitrahan’Andriamanitra.
Rehefa misy ankolafiny miforona, ny olona sasany dia mitady hitarika ny hafa hanaraka azy ireo. Ny toe-tsainy tsy faly sy ny faniriany hiavaka na hampanjaka ny heviny dia hanjary hiharihary haingana. Nefa kosa, ireo mpanompo ankasitrahan’ny Avo Indrindra dia manohy manompo an’ireo rahalahiny amim-panetren-tena. Amin’ny teniny sy ny ataony, dia asehony ny fiaikeny fa Jesosy Kristy Tompo no lohan’ny kongregationa kristiana. Tsy mba miaraka amin’ireo antokon’olona manandratra olona tsy tanteraka izy ireo ary tsy mitady an-tsokosoko izay hahazoana dera avy amin’ny olona koa izy ireny.
Ireo mpanompon’Andriamanitra izay tena ankasitrahana dia tsy mandray anjara amin’ny fiforonan’ny akolafiny ary tsy mitsabaka amin’izany. Rehefa misy antoko teraka, dia manao izay azony atao izy ireny mba hamporisihana ny hananana fitiavana sy firaisan-tsaina. Eny, ireo izay tia ny fahamarinana dia miavaka amin’ny tsy fambolena toe-tsaina tia fifampiandaniana, fa amin’ny fanohizana kosa manampy an’ireo rahalahiny hahatakatra ny ilàna hiray saina hatrany eo ambany fahefan’i Jesosy Kristy. Amin’izany fomba izany ireo antoko sy fizarazarana no mahatonga ho afaka hamantatra tokoa ireo izay tena mpino ka manana antony madio manosika.
[Loharanon-kevitra]
Fanontaniana faharoa ihany