Ry lehilahy manambady, aoka ho voamariky ny fahafoizan-tena ny fitiavanareo
“Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy.” — Efesiana 5:25.
1. Nahoana moa ny anjara asan’ny filoham-pianakaviana no mitaky adidy sady loharanom-pifaliana?
“NY FANAMBADIANA! Tsy misy zavatra na inona na inona mitaky mihoatra noho io amin’ny lehilahy iray!” Izany no nolazain’i Ibsen, poeta norveziana Raha tsarainao arak any fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly momba ny fahefana izany, dia tsy afaka afa-tsy ny hiray hevitra amin’izany ianao. Rehefa tandremana tsara anefa ny fahefana kristiana dia mety hahatonga ny tokantrano iray ho fanambadiana miavaka amin’ny fitiavana sy ny fifanajana izay hahatsara ny fonao. Na dia izany aza, ny anjara asan’ny filoha omen’Andriamanitra ny lehilahy dia arahin’ny andraikitra lehibe kokoa eo imasony. — Lioka 12:48.
2. Moa ve ny fahasambaran’ny mpivady miankina amin’ny fiezahan’ny lehilahy iray?
2 Milaza ve izany fa amin’ny maha-lehilahy manambady anao dia ianao irery no tompon’andraikitra amin’ny fahasambaran’ny tokantranonareo? Tsia, ianao sy ny vadinao dia samy tokony hanao fiezahana mba hahatonga ny rivo-piainana manjaka ao hihatsara kokoa hatrany (Ohabolana 14:1). Tsy hoe satria izao manaraka izao miantefa indrindra amin’ny lehilahy manambady dia hoe tanteraka kokoa noho izy ny vehivavy. Tsia, fa ny zava-kendren’ity lahatsoratra ity dia ny hanampy ireo filoham-pianakaviana ho afaka hiantsoroka ireo andraikitra tafiditra amin’ny fahefana omena azy. Raha ny marina, ahoana no tokony hampiharana izany fahefana izany? Izany dia zavatra tokony ho fantatry ny kristiana rehetra, na dia ireo tsy manambady aza.
Tiavo ny vadinao, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny kongregasiona
3. Araka ny Efesianina 5:25, ahoana no tokony hampiharana ny fahefana, ary milaza inona izany?
3 “Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly (Efesiana 5:25). Koa satria, araka ny filazan’ny Soratra Masina, ny lehilahy dia manana zo hanao ireo fanapahan-kevitra farany ao anatin’ny fianakaviana, dia mety ho mora aminy ny hanaiky ho azon’ny fitiavan-tena. Tokony hekena tokoa fa ny fitiavan-javatra manokana dia misy heriny be dia be eo amin’ny ankamaroan’ireo fanapahan-kevitra mahakasika ny fianakaviana. Ny fitiavanao zavatra manokana ve no mandresy rehefa tsy misy fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly tafiditra mihitsy? Mariho fa ny lehilahy iray dia tokony hanahaka ny fitiavan’i Jesosy izay tonga hatramin’ny fanaovana sorona ny tenany. Nanolotra ny ainy ho an’ireo mpianany izy. “Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany”. (Romana 15:3). Ny tokony handraisana ny hoe sorona dia famoizana fahafinaretana sasany na fanekena zavatra tsy mahafinaritra sasany na fahasahiranana mba hahasoa ny hafa.
4. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa niahy ny amin’ny mpianany izy?
4 Naniry fatratra ny hanampy ireo mpianany teo amin’ny lafiny ara-panahy Jesosy. Na dia niaro mafy ny rariny iza izy, dia tsy niseho no nasiaka na oviana na oviana tamin’izy ireo rehefa nilaza hevi-diso izy ireo na niharihary ho nieboebo, nanao zavatra tsy tamim-piheverana na saro-tahotra (Matio 18:1-3; Lioka 22:24-26; 47-51, 59-62). ‘Noho ny Tenin’Andriamanitra’ sy tamin’ny alalan’ny ohatra, dia nanampy an’ireo mpianany izy handresy fahosana lehibe mba hahatonga ny kongregasiona hoforoniny “ho masina sady tsy misy tsiny”. — Efesiana 5:26, 27.
5, 6. Ahoana no azon’ny lehilahy iray anahafana ny fitiavan’i Jesosy izay tonga hatramin’ny fanaovana sorona ny tenany, ary amin’ny fotoana toy inona no sarotra indrindra izany?
5 Moa ve ianao maneho fitiavana voamariky ny fandavan-tena toy izany? Ny lehilahy sasany dia mieritreritra fa amin’ny fanomezana izay ilain’ny vadiny amin’ny ara-nofo dia efa manao sorona ampy izy. Marina fa sarotra ny asany ka tokony hankasitrahana mafy. Nefa ny miavaka indrindra amin’ny ohatra nomen’i Jesosy dia ny fiezahany tsy nety sasatra hanome izay nilain’ireo mpianany tamin’ny ara-panahy sy ara-piraiketam-po fa tsy izay nilainy tamin’ny lafiny ara-batana fotsiny. Ankoatra ny fanahiana rehetra hitany eo amin’izao tontolo izao mba hamelomana ny fianakaviany, dia takatra ny mahatonga lehilahy maro tsy haniry ho voasedra ara-tsaina amboniny koa ao an-tokantranony. Fahita tokoa ny fihetsika toy izany eo amin’ireo izay tsy mitady hanaraka ny Baiboly, nefa mampalahelo fa namboraka ny tao am-pony toy izao ny vehivavy kristiana iray indray andro: “Tsy manome toromarika ahy mihitsy ny vadiko. Mamboraka ny ao am-poko aho indraindray ary mangataka torohevitra aminy ny amin’ny raharaha sasany, nefa tsy tao amin’izany ny sainy.”
6 Ny fanafodiny, dia ny fitiavana voamariky ny fandavan-tena. Raha manan-java-manahirana mitana ny sainy ny vadinao, dia tsy tokony hampiala azy amin’ny teny vitsivitsy na ny fihetsiky ny endrika ianao, fa io karazam-pitiavana io dia hanosika anao hiara-midinika amim-paharetana aminy ny amin’izany. Tena hiahy tokoa ny amin’ny fahasalamany ara-panahy ianao amin’ny fiaraha-mianatra ny Baiboly aminy sy amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana masina miaraka aminy. Tsy hamela azy hivesatra ny entan’ny fanapahan-kevitra lehibe ianao, satria andraikitrao izany raha ny marina. Hiahy koa ny amin’ny hananany fahafahana hiala voly sy hiala sasatra kely koa ianao (Marka 6:31). Ny fahaiza-mitari-javatra toy izany dia manome ho an’ny vehivavy iray fahatsapana fahamendrehana sy tsy fananana ahiahy.
Tsy miavona am-po
7. Toetra inona no tena ilaina mba hampiharana ny fahefana amin’ny fomba mety?
7 Matetika no sarotra amin’ny lehilahy ny mampihatra fahefana amin’ny fomba mety. Indraindray, dia mihevitra ny sasany fa tandindomin-doza ny fahefany satria manipy hevitra aminy fotsiny ny vadiny na somary manakiana kely. Jesosy, ilay ohatra ho an’ireo filoham-pianakaviana kristiana, dia nanambara toy izao: “Malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho.” (Matio 11:29). Ny fanetren-tenany dia tsy hosotra ivelany fotsiny izay nanjavona raha vao nisy tsy nitovy hevitra taminy.
8, 9. a) Inona no fanomezan-tsiny nolazain’i Saraha tamin’i Abrahama ary nahoana? b) Nahoana Abrahama no tsy nampietry an’i Saraha tamin’ny famaliana mafy azy?
8 Ohatra mampiseho fanetren-tena koa Abrahama. Saraha vadiny dia nohamavoin’i Hagara mpanompovaviny. Tsy nahamarika ny fihetsika nianjonanjona nasehon’ny mpanompovaviny Abrahama na tsy nety nisalovana avy hatrany. Koa nilaza taminy toy izao Saraha: “Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan-anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy hianao.” — Genesisy 16:5.
9 Tsy maintsy ho nahasosotra an’i Abrahama izany teny izany. Tia an’i Saraha tokoa izy ary tsy tiany na oviana na oviana ny hampahatezitra azy. Na dia nanana antony sasany niheverana an’i Abrahama ho tompon’andraikitra tamin’ny toerany nampalahelo aza i Saraha, dia angamba tafahoatra loatra ny nataony satria tonga hatramin’ny fangatahana an’Andriamanitra mba hitsara izy, toy ny hoe nanao zavatra tsy ara-drariny Abrahama. Moa ve nisafoaka i Abrahama mba hiaro ny fahefany? Moa ve noheveriny fa nikomy taminy Saraha? Fantany tsara fa nanaiky handao trano nampiadana tao Ora Saraha ary nandritra ny folo taona mahery dia nonina an-day izy satria ny tenany, Abrahama, dia nanaraka ny toromarik’Andriamanitra. Tena nanaiky tokoa àry izy. Nahatonga an’i Saraha ho mamin’ny fony ny fanekeny sy ny fanohanany tsy nitady tombontsoa ho an’ny tenany (I Petera 3:5, 6). Koa nomeny valinteny malefaka toy izao izy: “Indro, eo an-tànanao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay sitraponao.” (Genesisy 16:6). Tsy niavona am-po Abrahama. Lehilahy re izany!
10. a) Ahoana no azon’ny lehilahy iray anahafana an’i Abrahama? b) Ho vitanao foana ve izany?
10 Raha sendra ka manome tsiny anao ny zava-manahirana iray ny vadinao, dia miezaha mamaly toy ny nataon’i Abrahama. Tsy mora akory izany, ary tsy ho vitanao foana izany. Henoy anefa izy, ataovy izay hahatakarana ny fiheviny ary vinavinao ny vidin’ny teniny. Ny vehivavy iray izay mivatravatra filaza ny fihetseham-pony dia angamba tsy hampiasa teny mety. Sahala amin’i Saraha, dia mety ho tafahoatra ny fihetsiny. Miezaha àry mijery ny fomba azonareo iaraha-mandamina ny zava-manahirana.
11. Nahoana moa ny lehilahy iray no tsy tokony hihevitra ny vadiny ho toy ny olona “sokajiny faharoa”?
11 Marina fa ny lehilahy manambady iray dia afaka manorina fitsipika sasany ao an-tokantranony (Romana 7:2). Nefa tsy zaza akory ny vadinao na olona iray “sokajiny faharoa”. Hoy Jehovah hoe: “Hanaovako vady sahaza [mpanampy ho famenony, MN] (ara-bakiteny dia hoe “sahala aminy”) ho azy izy [ny lehilahy].” (Genesisy 2:18). Hanana ambaratongam-pahalalana sahala amin’ny an’i Adama i Eva; izy io dia ho tenany ihany, tena hahay hanampy azy hanatontosa adidy nankinin’Andriamanitra taminy.
12. a) Inona no vokatra azon’ny lehilahy iray tamin’ny fambolena fanetren-tena lalina? b) Ahoana no itondran’ny fanetren-tena fahasambarana ao anatin’ny fanambadiana?
12 Ny vehivavy vady mahay voalazalaza ao amin’ny Ohabolana 31 dia manana ny fitokisan’ny vadiny. Nividy tany izy ary namboly voaloboka “vokatry ny tànany” mihitsy aza, izay tsy raharaha kely akory. Moa ve ny vadiny sosotra noho izany ka natahotra ny amin’ny fahefany? Tsy izany velively, midera azy izy (andininy faha-10, 11, 16, 28). Amin’ny fanarahana fihetsika toy izany, dia hanalavitra fifandirana tsy amin’ny antony ianao. Ohatra, nifanditra foana ny lehilahy iray sy ny vadiny. Nanjary niaiky ilay lehilahy fa nampihatra ny fahefany toy ny “lehibe” izy. Rehefa avy nandini-tena tao amin’ny vavaka izy, dia nampidina ny avonavony ary nanomboka nieritreritra ny vidin’ny fanipazan-kevitra nataon’ny vadiny. Tamin’ny farany, dia navelany mihitsy aza izy hikarakara raharaha momba ny vola sasany. Amin’izao andro izao dia hoy izy: “Manao asa tsara dia tsara izy.” Ary manampy teny toy izao kosa ravehivavy: “Niriko fotsiny ny hametrahany fitokisana tamiko. Mahafinaritra aoka izany ao anatinao ao ny mahafantatra fa matoky anao ny vadinao.” Ohabolana 13:10 dia manome izao fampitandremana izao: “Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; fa ao amin’ny mino anatra [miara-mandinika voa manapa-kevitra, MN] no misy fahendrena.” Ny lehilahy iray mahatsapa ny fetran’ny fahalalany izay mifaly noho ny talentan’ny vadiny dia mampiseho amin’izany fa manetry tena lalina izy. — Ohabolana 11:2.
Omeo voninahitra ny “fanaka malemilemy kokoa”
13. a) Arak any I Petera 3:7, inona no tokony hataon’ny lehilahy manambady iray? b) Noho ny antony inona moa no iheverana ny vehivavy ho “fanaka malemilemy kokoa”?
13 “Hianareo lehilahy, hoy ny nosoratan’ny apostoly Petera, miaraha mitoetra aminy [amin’ny vadinareo] araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa”. (I Petera 3:7). Tokony ho fantatrao ny toe-piraiketam-pon’ny vadinao, antony tena lehibe iheverana azy ho toy ny fanaka malemilemy kokoa. Ny vehivavy iray dia tokony hahatsiaro ho tiana sy tsy foin’ny vadiny. Raha tsy misy an’io foto-javatra tsy manam-paharoa io — ary na inona na inona fananana ara-nofo mety hananany — dia hahatsiaro ho tsy mendrika izy. Tokony hiaiky izy fa aminy ny vadiny dia mitovy fihetseham-po amin’ilay lehilahy fahizay nilaza tamin’ny vadiny hoe: “Maro ny zazavavy nanao soa, fa hianao manoatra noho izy rehetra.” — Ohabolana 31:28, 29..
14. Inona no mahatonga ny vehivavy hahatsiaro tsy fananana ahiahy?
14 Ny lehilahy sasany angamba dia hiteny anakampo hoe: “Tena tokony ho fantatry ny vadiko fa tia azy aho. Moa ve tsy nanambady azy aho?’ Mihafaly anefa ny vehivavy iray rehefa maneho aminy ny firaiketam-pony ny lehilahy. Nahatsapa ny ilàna izany Isaka, olo-nahatoky fahiny. Hita izy, 35 taona atỳ aorian’ny fampakaram-badiny, maneho firaiketam-po amin’ny vadiny (Genesisy 26:8). Manahafa an’Isaka. Amin’ny fanodidinana fiheverana azy, dia ampahafantaro ny vadinao fa miaraka aminy ny fonao, fa eo imasonao dia ‘ambony noho ny vehivavy rehetra izy’.
15. Inona moa no tokony hotandreman’ireo lehilahy mba hanohizana manodidina fiheverana ny vadiny? Nahoana no zava-dehibe tokoa izany?
15 Mba hisehoana ho mamalifaly ny vadin’ny tena toy izany, dia ilaina ny fotoana ary tokony hoeritreretina izany. Hitan’ny lehilahy sasany ho mora kokoa anefa ny hamalifaly vehivavy iray hita vao haingana sy manintona. Izany no hita tamin’ny Isiraelita tamin’ny andron’i Malakia. Izao no nambaran’i Jehovah tamin’ireny lehilahy tia tena ireny izay namitaka ny vadiny: “Tandremo ny fanahinareo’. (Malakia 2:13-16). Tena tokony hitandrina ny fihetseham-pony tokoa izy ireo. Tokony hanao toy izany angamba ianao raha ohatra ka monina na miasa tsy lavitra ny vehivavy hafa. Tokony hanao fiezahana mazava ianao ka hifehy tena mba hisakanana ny fitiavan-tena, ny fahasorisorenana na ny fitiavana hahafanta-javatra tsy hanova ny fonao, ny fihetseham-ponao lalina amin’ny vadinao. — Matio 5:27-30.
“Izay mety hatao” aminy
16. Ao amin’ny lafiny inona amin’ny fanambadiana moa no be zava-manahirana, ary ahoana no ampihariharian’ny I Korintiana 7:3, 4 ny fitiavana fandavan-tena?
16 Ilaina indrindra ny fitiavana fandavan-tena raha ny amin’ny adidy amin’ny maha-vady. “Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin’ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin’ny lahy. Ny vavy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany ko any lahy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny vavy.” (I Korintiana 7:3, 4). Miteraka zava-manahirana maro izany fifandraisana marefo izany. Misy famotopotorana nampiharihary fa ny antsasaky ny olona manambady dia hanan-java-manahirana lehibe momba ny lahy sy ny vavy eo amin’ny fotoana iray na hafa amin’ny fiainany amin’ny maha-vady.
17. a) Inona no tokony hoeritreretin’ny lehilahy iray raha ny amin’ny fanomezana “izay mety hatao” amin’ny vadiny? b) Ahoana moa no teny niresahan’ny mpahay siansa iray ny amin’izay ilain’ny vehivavy?
17 Lehilahy manambady maro no mieritreritra matetika fa izay ilain’ny vadiny eo amin’ny lahy sy ny vavy, “izay mety hatao” aminy, dia sahala amin’ny azy ireo. Amin’ny filaharan-kevitra mifanohitra tanteraka amin’izany dia nasehon’i Paoly fa tsy afaka mitaky “izay mety hatao” aminy mitovy ny rehetra. Araka ny Romana 13:7, ny tokony ho an’ny fahefana ara-pitondram-panjakana sasany dia ny hetra, ny an’ny hafa dia fadin-tseranana na hafa. Ny zavatra tokony homena dia arakaraka izay ilain’ilay olona manokana na izay takiny. Eo amin’ny lafiny ara-panambadiana, ny mety hatao amin’ny vadinao dia mitaky mihoatra noho ny firaisana ara-batana fotsiny. Ao amin’ilay boky hoe Ny fianakaviana, ny fitambaran’olona sy ny isam-batan’olona (anglisy), ny mpahay siansa iray, William Kephart, dia nanoratra toy izao: “Ny fanomezana fahafahampo ny fifanintonana eo amin’ny lahy sy ny vavy amin’ny vehivavy dia voalazalaza tsara kokoa amin’ny teny momba ny fitiavana sy ny firaketam-po (...). Ao anatin’ny fotoana iasany momba ny lahy sy ny vavy, ny vehivavy amin’ny ankapobeny angamba dia miahy ny amin’ny handraisana mari-pitiavana — hofihinina, hosafosafoina sy hohorohana (...). Toa araka ny toe-tenany ny fieritreretana ny fahazoana fahafahampo amin’ny fifanintonana eo amin’ny lahy sy ny vavy amin’ny tenim-pitiavana sy firaiketam-po fa tsy amin’ny famerana izany ho amin’ny fahataitairana ara-batana mitokana fotsiny.”
18. Inona no mety hahatonga ny lehilahy iray tsy hihevitra afa-tsy ny tenany?
18 Ny fisehoan’ny firaiketam-pon’ny vadinao izay mahatonga azy ho “fanaka malemilemy kokoa” dia mitaky ny hiahianao ny tsy hanao izay hahafapo ny filanao fotsiny fa ny hanehoanao fandavan-tena koa. Afa-tsy izany koa, raha mitana toerana lehibe eo amin’ny fialam-bolinao ny fanomezana fahafahampo ny fanintonana eo amin’ny lahy sy ny vavy, izany dia mety hiteraka ao aminao “firehetam-po” tsy mendrika ka hahatonga anao tsy hihevitra afa-tsy ny tenanao, hany ka ho tonga tsinontsinona izay soa. Halaviro toy ny areti-mifindra izany karazam-pialam-boly izany (Kolosiana 3:5). Nefa amim-paharetana sy amim-piheverana feno fitiavana sy firaiketam-po, dia omeo ny vadinao izay tokony ho azy rehetra. — I Korintiana 10:24.
Manohina ny fo ny fitiavana fahafoizan-tena
19. Moa ve ny vehivavy iray tokony handray tombontsoa bebe kokoa amin’ny tarehin-javatra raha mampiseho fitiavana fandavan-tena ny vadiny?
19 Rehefa mahatsapa ianao fa antitranterina aoka izany ny fitiavana fahafoizan-tena tokony hasehon’ny lehilahy, dia angamba ianao miteny anakampo hoe: ‘Moa ve ny vehivavy tsy hanararaotra ka hanantitrantitra foana ny amin’ny fomba fijeriny ny zavatra?’ Tsy tokony ho izany mihitsy no ho izy. Ny vehivavy kristiana dia tokony hamaly toy ny namalian’ny kongregasiona kristiana ny fitiavan’i Jesosy tsy mitady tombontsoa ho an’ny tenany. Izao no nosoratan’i Paoly: “Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, (...) ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona”. (II Korintiana 5:14, 15). Tokony hamaly amin’ny fomba tsy mitady tombontsoa ho an’ny tenany koa ny vadinao. Nanambara toy izao ny vehivavy kristiana sambatra iray: “Hiezaka ho an’ny vadiko aho mba hanohizana manompo an’Andriamanitra ao amin’ny faritany iray sarotra anefa satria fantatro fa miahy be dia be ny amiko izy.”
20. a) Ahoana, araka ny Genesisy 3:16, no mety hahatonga ny lehilahy sy ny vehivavy hampiseho tsy fiheverana? b) Nahoana moa ny vehivavy iray no tsy tokony ho mailaka hanamarika ny fahadisoan’ny vadiny?
20 Ry vehivavy kristiana, tokony hiseho hazoto hanome koa ianareo. Sahala amin’ny lehilahy iray mety hanampatra ny fahefany amin’ny fanapahana amim-pitiavan-tena ny vadiny, dia toy izany koa fa ny vehivavy iray dia mety hitaky fiheverana tafahoatra avy amin’ny lahy. Tsy mora akory ny hahalala ny antonony. Rehefa heverina amin’izay rehetra takina amin’ny vadinao, anisan’izany ny fiantsorohana andraikitra mavesatra ao anatin’ny kongregasiona, indraindray izy dia tsy maintsy tsy ho afaka hanome izay rehetra ilainao eo amin’ny lafiny ara-piraiketam-po. “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona?” Tsy misy mihitsy, mazava ho azy (Salamo 130:3). Sahala amin’ny vadinao, dia tsy maintsy hampamoahin’i Jehovah koa ianao. Dieny izao anefa, ny famindramponao sy ny mari-pankasitrahanao noho ny soa ataony dia tsy vitan’ny hoe hitana ny sainy fa hanohina ny fony koa.
Ny fanampiana avy any ambony
21. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika? Manomeza ohatra.
21 Mazava ho azy fa mety ho toa mavesatra loatra izany andraikitra rehetra izany, nefa Andriamanitra dia hanampy anao ka ‘hatanjaka fatratra amin’ny Fanahiny ny toe-panahinao’. Izany hery anatiny izany no hahatonga anao hahay hitondra ny entana rehetra satria, amin’ny heriny, Jehovah dia “mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza”. (Efesiana 3:16, 20.) Ny lehilahy iray sy ny vadiny, samy kristiana, dia nisaraka noho ny zava-manahirana. Rehefa afaka elaela, dia niara-nidinika ny amin’ny mety hihavanana indray izy ireo. Niverina nisafoaka indray anefa izy ireo. Nanipy hevitra ny hiaraha-mivavaka tamin’izay ilay lehilahy. Nitony izy ireo. “Hita fa izany no tena zava-manahirana tao amin’ny fanambadianay, hoy ny fiaiken’ilay lehilahy Nitady foana izay handaminana ireo zava-manahirana anay araka ny fombanay ihany izahay fa tsy nanome toerana ho an’i Jehovah. Ary tsy nisy na inona na inona nandeha mihitsy.” Rehefa niara-nonina indray hatramin’ny dimy taona mahery izy ireo, dia izao no nambaran’ilay vehivavy: “Tsara kokoa izao. Arakaraka ny ampiharantsika ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly no itomboan’ny fahasambarantsika. Izao izahay dia miezaka hihevitra an’i Jehovah eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanay amin’ny maha-mpivady. Tianay aoka izany ny miara-mandray anjara amin’ny fitoriana.”
22, 23. a) Tokony hifantoka amin’inona moa ny fanambadiana kristiana? b) Nahoana moa no mendrika hoderaina ny vehivavy maro?
22 Marina tokoa fa ny fanambadian’ny kristiana roa dia tsy tokony hifantoka fotsiny amin’ny fikatsahana fahafinaretan’ny mpivady, fa amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra koa. Izao no nosoratan’i Paoly: “Mba ho toy ny tsy manam-bady ny manana.” (II Korintiana 7:29). Miharihary fa tsy nilaza akory i Paoly hoe tokony tsy hiraharaha ny vadiny ny lehilahy; ara-dalàna raha maniry mafy ny “hahafaly ny vavy” ny lehilahy manambady iray”. (I Korintiana 7:33.) Ny kristiana iray manao fandrosoana ara-panahy anefa ka maneho toetry ny vady tsara dia tsy isalasalana fa homena andraikitra ao anatin’ny kongregasiona. Na dia tokony hahalala ny mety aza izy, izany dia haka aminy tapany amin’ny fotoana nomeny ny vadiny hatreo. Indraindray àry dia mety tsy hahazo avy aminy ny fiheverana irina ravehivavy.
23 Be dia be aminareo, ry vehivavy kristiana, no voatery indraindray miandry amim-pandavan-tena ny vadiny izay tsy maintsy manatontosa asa sasany ao anatin’ny kongregasiona. Tena mendrika hoderaina tokoa ianareo. Mankamamy aoka izany ny fanohananao amim-paharetana ny vadinao sy Jehovah. Raha raisina indray izay lazain’ny Baiboly,ianao dia “satroboninahitry” ny vadinao, vehivavy izay mahatonga “hahita sitraka amin’i Jehovah”. — Ohabolana 12:4; 18:22.
24. Tokony hiezaka hanao inona moa ny lehilahy sy ny vehivavy?
24 Ry lehilahy, manohiza àry maneho fitiavana feno fandavan-tena. Ary ianareo, ry vehivavy, omeo azy ho takalony ny fanohanana tsy misy fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena. Aoreno amin’ny fifandraisanareo amin’Andriamanitra ny fanambadianareo. Ary enga anie ny Raintsika any an-danitra izay tia antsika tokoa, hitahy ny fiezahanareo!
Tadidinao ve izany?
◻ Ahoana no itiavan’ny lehilahy iray ny vadiny tahaka ny nitiavan’i Kristy ny kongregasiona?
◻ Ahoana no azon’ny lehilahy iray anahafana ny fanetren-tenan’i Abrahama?
◻ Ahoana no anajan’ny lehilahy iray ny vadiny tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa?
◻ Ahoana no tokony hataon’ny vehivavy iray amin’ny vadiny izay tia azy amin’ny fomba tsy mitady tombontsoa ho an’ny tenany?
[Sary, pejy 20]
TOKONY HITARIKA NY LEHILAHY
amin’ny fanompoana
amin’ny fialam-boly
mba handaminana raharaham-pianakaviana