Aoka Hotohanantsika ny Fiheveran’Andriamanitra ny Amin’ny Lahy sy ny Vavy
Fony izy namorona an’ireo ray aman-drenintsika voalohany, ny Raintsika any an-danitra dia nampiseho ny fitiavany tamin’ny fanomezana azy ireo ny fanomezana mahatalanjona, dia ny fifanintonana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Nataony tao amin’izy ireo ny faniriana hanambady sy hanandrana ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, faniriana mahery aoka izany, hany ka tsy nisalasalana ny faharetan’ny taranak’olombelona. Rehefa mieritreritra ny fanambadiana sy ireo fampanantenana fahafinaretana sy fahasambarana asehony ho an’ny olombelona isika, dia azo antoka fa mahatsiaro ho voatosika hidera ny Andriamanitsika tsy manan-tsahala noho ny namoronany fomba kanto toy izany mba hamenoana ny tany.—Genesisy 1:27, 28.
Tsy mahagaga àry raha toa vao tamin’ny nikomiany, Satana Devoly dia nandray ho adidy ny fanimbana an’io zavatra naorina mahafinaritra natao hanomezana fiainana ny fitambaran’ny taranak’olombelona io. Tamin’ny famitahana ny sain’ny olona teraka tao anatin’ny tsy fahatanterahana, dia tsy sarotra taminy mihitsy ny nanimba ny fihetsik’izy ireo teo anoloan’ny fampiasana ny fahafahana hiteraka azony avy tamin’Andriamanitra. Ahariharin’ny Baiboly fa na dia tamin’ny andron’ny safodrano aza, ‘ny fironan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany.’ (Genesisy 6:5, 6; 8:21) Avy eny an-danitra ireo anjely dia efa nahita sahady ny fianakavian’olombelona tafalentika tao anatin’ny filalaovan-dratsy.
Nisy anjely niditra an-tsehatra
Tsy nomen’Andriamanitra faniriana hanana firaisan’ny lahy sy ny vavy tamin’ny olombelona ny anjely. Niharihary tokoa anefa fa Satana dia afaka nanipy hevi-dratsy ny amin’izany tao amin’ny sasany tamin’izy ireny. Tamin’izany no nanombohan’ny anjely sasany naniry izay natokan’Andriamanitra ho an’ny olombelona tafaray tamin’ny alalan’ny fatorana mendri-kajan’ny fanambadiana. Ireny “zanak’ilay Andriamanitra marina” ireny, tonga ratsy fanahy, dia nandao ny fonenany tany an-danitra ka tonga teto an-tany mba hanambady vehivavy (Genesisy 6:2). Ny fanapahan-kevitr’izy ireo dia avy amin’ny fanirian-dratsy noforonin’ny tenany ihany fa tsy faniriana voajanahary sasany nomen’Andriamanitra azy ireny akory. Koa satria ny zavaboary ara-panahy dia mety hamelona filana eo amin’ny lahy sy ny vavy tsy araka ny natiora, dia tsy mahagaga raha afaka nanao toy izany koa ny olombelona. Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, Joda mpianatra dia nampitaha tokoa ny fitondran-tenan’ireo anjely izay nitsiriritra ny zanakavavin’ny olombelona, tamin’ny an’ny olona izay raiki-pitia amin’ny lehilahy toa azy na vehivavy toa azy. Izao no nosoratany:
“Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin’ny fatorana mandrakizay ao amin’ny maizina ho amin’ny andro fitsarana lehibe. Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin’ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa [mba hampiasana izany tsy araka ny natiora, TV], dia aseho ho fananarana amin’ny iaretany fijaliana amin’ny afo maharitra mandrakizay.”—Joda 6, 7.
Ny fanovana ho ratsy ny amin’ny lahy sy ny vavy, taloha sy ankehitriny
Fantatry ny mpianatra ny Baiboly tsara izay nitranga tany Sodoma fahiny. Ny lehilahy sy ny zatovolahy tao an-tanàna, azon-doza ny amin’ny lahy sy ny vavy, dia nitady hiray tamin’ireo vahinin’i Lota izay noheveriny ho lehilahy tsotra izao (Genesisy 19:4-11). Izany zava-niseho izany dia nitranga, tokony ho 450 taona monja taorian’ny safodrano. Tamin’izany fotoana taloha izany, dia tsy nahalana koa no nandry tamin’ny biby ny olona. Koa tokony ho 400 taona teo ho eo taty aoriana, ny Lalàna nomen’Andriamanitra ho an’ny firenen’Israely dia nandrara io fanao io inefatra, ka nety hahafaty ny fanaovana izany (Eksodosy 22:19; Levitikosy 18:23; 20:15, 16; Deoteronomia 27:21). Afa-tsy izany koa, io Lalàna io dia nanao ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy ho heloka mahafaty.—Levitikosy 18:22; 20:13.
Na dia izany aza, tao anatin’ireo taonjato nanaraka, dia niely ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy teo amin’ireo firenena nanodidina ny Israelita, hany ka imbetsaka ny Israelita no latsaka tamin’io fanao io (1 Mpanjaka 14:24; 15:12; 22:47). Indray andro, raha nampiantrano Levita ny mponina iray tany Gibea, an’ny Benjamita, dia nanodidina ny fonenany ireo lehilahy tao an-tanàna tamin’ny fiantsoantsoana hoe: “Avoahy ny lehilahy iray niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy.” (Mpitsara19:22). Noho io raharaha io, dia ringana tokoa ny fokon’i Benjamina, araka ny baikon’i Jehovah.
‘Fa inona no antony ampahatsiahivana izany tantara araka ny Baiboly mahasosotra izany?’, hoy angamba ny fanontanian’ny sasany. Satria ankehitriny isika dia miaina ao anatin’ny fitambaran’olona mbola latsaka ambany kokoa ihany eo amin’ny fikororosiana ara-pitondran-tena ka fandrahonana ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra. Jereo ny nanjary halehiben’ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy sy ny fitaomana ampihariny:
“Ny mponina ao aminy [ny an’i San Francisco] dia voaforon’ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy eo amin’ny 30 isan-jato”, hoy ny novakina tao amin’ny revio Medical Tribune tamin’ny 23 Septambra 1981.
“Ny fisehoan-javatra niavaka tao anatin’ireo taona valopolo dia teo amin’ny fitomboan’ny herin’ny fanao mahazatra ny amin’ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy eo amin’ny fiainan’ny lehilahy manambady vehivavy, ary, ny mbola misy heviny kokoa ihany, eo amin’ny vidin’izy ireo (...). Ny fandraisana tsara saika hatraiza hatraiza ny fanaon’ny lehilahy manambady lehilahy dia mampiharihary fa niova ny zavatra inoantsika lehibe indrindra”, hoy ny nambaran’ny gazety Maclean’s tamin’ny 18 Febroary 1980.
“Rehefa heverina amin’ny habetsahan’ny mpifotitra eo amin’ny fampisehoana sy ny filazam-baovao, ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy dia afaka manova ny fahamboniana ara-pitondrantena sy ny fiheverana ho araka ny mety amin’izy ireo”, hoy ny nasain’ny profesora iray any amin’ny oniversite any Sydney, any Aostralia, nomarihina.
Tsy azo lavina fa volavolaina ny fiheveram-bahoaka mba hanaovana izay hiheverany ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy ho fanao araka ny natiora na mety mihitsy aza. Izao, ohatra, no azo novakina tao amin’ny Toronto Star tamin’ny 24 Aogositra 1980: “Ireo mpikambana tanora ao amin’ny Fiangonana tafatambatra (...) dia faly rehefa mieritreritra ny fanokanana mpitondra fivavahana lehilahy mandry amin’ny lehilahy.” Nitantara toy izao ilay gazety londoniana atao hoe Daily Mail tamin’ny 5 Jona 1980: “Araka ny voalazan’ny fanitsiana vaovao, ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy dia tsy tokony hisakana intsony ny metodista tsy hanao raharaha eo anivon’ny Fiangonany.” Tetsy andaniny koa, mba hamaliana ny vehivavy iray izay nanoratra ho filazana fa tafintohina aoka izany izy nahafantatra fa ny zafikeliny 23 taona dia lehilahy mandry amin’ny lehilahy, dia izao no nambaran’ny mpanao gazety iray: “Tsy Andriamanitra no nanoratra ny Baiboly. Efa hatramin’ny nisian’izao tontolo izao no nisian’ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy (...). Amin’izao fotoana izao, dia tokony hianatra hanaiky izany araka ny maha-izy azy ianao. Rehefa dinihina tokoa, dia mbola zazalahy mahafinaritra ihany izy.”
Ny fiheveran’ny Baiboly ny amin’ny fiharatsiana eo amin’ny lahy sy ny vavy
Nisy aza mpanompon’Andriamanitra sasany nanaiky ho voataonan’ny fampielezan-kevitr’izao tontolo izao aoka izany ka nieritreritra fa ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy mbamin’ny fanovana ratsy hafa sahala amin’izany eo amin’ny lahy sy ny vavy, rehefa dinihina dia ‘tsy dia ratsy manao ahoana’. Ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Israely fahiny anefa dia mampiseho mazava tsara fa tsy maintsy novonoina ho faty ny lehilahy nandry tamin’ny lehilahy. Raha ny amin’izay mahakasika ny Soratra grika kristianina, dia izao no vakina ao amin’ny 1 Korintianina 6:9, 10, araka ny fandikan-tenin’ny Teny velona: “Aza manao hevi-dravina ny amin’izany: tsy hisy anjara amin’ny fandovana an’io fanjakana io mihitsy [ny an’Andriamanitra] ho an’ny ratsy fitondran-tena, (...) ny mpanitsakitsa-bady n any mpanova fanao ho ratsy: mpiliba, mpanaram-po amin’ny filan’ny nofo, lehilahy mandry amin’ny lehilahy.” Ao amin’io fandikan-teny io ihany, dia izao no voasoratra ao amin’ny Romanina 1:26, 27: “Ny vehivavy ao aminy dia namela ny firaisan’ny lahy sy ny vavy araka ny natiora mba hanaraka fanao tsy araka ny natiora. Toy izany koa ny lehilahy, tsy nitady intsony ny fitiavan’ny vehivavy araka ny sitrak’Andriamanitra izy ireo fa maimay tamin’izy samy izy, ka nanao zavatra mahamenatra ny samy lehilahy.” Manampy teny toy izao ny andininy faha-32 amin’io toko io ihany: “Izay manao toy izany dia mendrika ny fahafatesana.”
Na dia mety hahagaga tokoa aza izany, ny olona sasany izay nanaraka fanao toy ny fandriana amin’ny biby dia tsy nahatsapa ho nanao fahadisoana tena lehibe. Melohina ara-pitondran-tena anefa ny fandriana amin’ny biby. Izany dia mahaforona antony mahavoaroaka eo amin’ny fiangonana kristianina. Toy izany koa, dia nisy olona nilaza fa tsy mahafantatra izay atao marina hoe fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy. Inona àry izany?
Inona no atao hoe fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy?
Mba hahitana mazava izany, dia aoka hodinihintsika ny filazana ny heviny omen’ny diksionera maromaro:
Grand Larousse encyclopédique: “Toetr’olona (lehilahy sy vehivavy) tsy mahatsiaro fetezana hiaraka afa-tsy amin’ny lehilahy toa azy na vehivavy toa azy.”
Dictionnaire alphabétique et analogique de la langue française nataon’i P. Robert: “Fironana, fitondrantenan’ny lehilahy manambady lehilahy.” (homosexual) “ny lehilahy na vehivavy mahatsiaro ho maniry fatratra firaisana amin’ny lehlahy tahaka azy na vehivavy tahaka azy”.
Dictionnaire alphabétique Quillet: “Fanao novana ho ratsy arahin’ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy.”
Dictionnaire de la langue du XIXe et du XXe siècle (fanontan’ny C.N.R.S.): “Fitondran-tena miavaka amin’ny fanintonana foana na indraindray tsapan’ny olona iray amin’ny lehilahy toa azy na vehivavy toa azy.”
Tsara ny manamarika fa araka ireo filazana hevi-teny ireo, ny teny hoe (homosexualité) dia manondro ankoatra ny zavatra hafa ny fironan’ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy, ny fanintonana eo aminy, ny faniriany fatratra, raha lazaina amin’ny teny indraim-bava dia ny FILANY lehilahy tahaka azy na vehivavy tahaka azy. Ny Baiboly anefa dia manavaka tsar any fanaovana ny ratsy amin’ny fironana na fanirian-dratsy. Indraindray tokoa, ny fironana toy izany ao amin’ny saina sy ny tenan’ny olona iray dia maharitra na dia ao aza ny fiezahana mitohy ataony mba hanesorana izany tsy ho ao. Araka izany, noho ny toerana nipoirany, na noho ny anton-javatra hafa koa aza, ny sasany amin’ireo rahalahintsika na ireo anabavintsika kristianina, indraindray dia mahatsiaro fanintonan’ny lehilahy tahaka azy na vehivavy tahaka azy. Iadiany anefa izany faniriana mafy ratsy sy araka an’i Satana izany ka tsy mety ho lavo amin’izany izy. Noho izany, dia tsy azo heverina ho sodomita miasa izy ireny. Arahiny maso akaiky ny eritreriny, noho ny fahafantarana fa raha avelany hitombo ao aminy ny faniriana maloto ka torontoronina, dia tsy maintsy hiseho amin’ny fanaovan-dratsy.—Jakoba 1:14, 15; Kolosianina 3:5-10.
Nefa kosa, izay melohin’Andriamanitra, araka ny voalaza ao amin’ny Baiboly ka mahaforona antony mahavoaroaka, dia ny “fitondran-tena”, ny “atao” na ny ‘fanao ratsy’ ataon’ilay sodomita amin’ny lehilahy tahaka azy na vehivavy tahaka azy. Raha raisina amin’izany heviny izany, ny “homosexualité” dia tsy hoe tsy maintsy milaza fanarahana sodomia. Ny fanaovan-javatra rehetra mahafaoka fara faharatsiny fampiasana ny faritra maha-lahy na maha-vavy ny anankiray, na fanorohana, na fanafosafoana ny faritra maha-lahy na maha-vavy ny anankiray izany, na fikosohana ny faritra maha-lehilahy na maha-vehivavy azy amin’ny vatany, na manaram-po amin’ny fanao hafa sahala amin’izany mba hahafinaritra ny nofo miaraka amin’ny lehilahy raha lehilahy ny tena, na vehivavy raha vehivavy ny tena, dia karazana “homosexualité”. Rehefa miresaka hoe “homosexuels”, ny ankamaroan’ny olona dia mieritreritra ny lehilahy. Io teny io anefa dia manondro koa ny vehivavy manaraka fanao sahala amin’izany, na dia hoe “lesbiennes” aza no ilazan’ny maro azy.
Aoka hariantsika ny fahalotoam-pitondrantena
Ny olona izay mahatsapa fahamaimaizana amin’ny samy lehilahy na samy vehivavy indraindray dia tokony hiady mafy amin’ny fironany. Nefa, tokony hitandrina isika rehetra mba tsy ho voan’ny olona izay mety hanaiky hotapahin’ny filan-dratsiny. Nisy tokoa fotoana nanaovan-javatra teo amin’ny samy lehilahy na samy vehivavy, nanaraka ny natao izay tsy ratsy ho azy akory (ohatra: manasa na mikosoka lamosin’olona rehefa mandro na manaiky avy aminy ny karazam-panampiana toy izany). Indraindray dia nisy olona nahatsiaro fa taitra ny fahamaimaizany rehefa nanao tolona nifampikasoham-batana mba hilalaovana izy ireo. Noho izany antony izany dia mety ny ho malina. Fantaro fa ny fanao toy ireny dia mety hitarika hanao sodomia, ary efa nitranga izany na dia teo amin’ny samy kristianina aza.
Fa ahoana no nahatonga ny sasany hanjary hanao fahadisoana amin’ny lafiny momba ny lahy sy ny vavy toy ny sodomia, ny fandriana amin’ny biby, ny “voyeurisme” (fitiavana mijery miafina ny ataon’ny hafa eo amin’ny lahy sy ny vavy), ets.? Miharihary fa izy ireny dia nieritreritra be dia be ny raharaha ny amin’ny lahy sy ny vavy. Ny sasany fatra-pitia sary na boky maloto. Izy rehetra tsy an-kanavaka koa dia toa nanao “masturbation” (fitadiavana fahafinaretana irery amin’ny fikasikasihana ny faritra maha-lahy na maha-vavy). Koa satria ny fanaovana “masturbation” dia ampiarahina matetika amin’ny fanovana ho ratsy ny fanao momba ny lahy sy ny vavy, dia mety ny handinihana izany amin’ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra. Inona no lazain’ny Baiboly ny amin’izany?
Ny fiheveran’ny Baiboly ny amin’ny “masturbation”
Misy manamarina fa mampahatsiahy ny amin’ny “masturbation’ ny Baiboly ao amin’ny Genesisy toko faha-36, ary natao maty Onana noho izany antony izany. Tsy marina anefa izany. Momba an’i Onana tokoa, dia izao no ambaran’ny Soratra Masina: “Raha nandry tamin‘ny vadin’ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin’ny tany.” (Genesisy 38:9). Amin’izany, ny zavatra rehetra dia mahatonga hino fa notapahin’i Onana any firaisany tamin’i Tamara mba handrarahana ny”sperme” tamin’ny tany fa tsy hanomezana izany azy. Matoa nanao toy izany izy, dia satria tsy naniry hitaiza zanaka ho an’ny rahalahiny maty. Raha ny marina àry dia noho ny nandavana tsy hanaiky ny fotopoto-pitsipika ny amin’ny fitondrana loloha no namonoana an’i Onana..
Misy andinin-teny roa hafa ao amin’ny Soratra hebreo koa tononina ao amin’ireo boky miresaka ny amin’ny fiheveran’ny Baiboly momba ny “masturbation”. Ny voalohany, ao amin’ny Deoteronomia 23:10, 11, dia nihatra tamin’ireo Isiraelita tao amin’ny toby ara-tafika iray. Araka ny fandikan-tenin’ny Votre Bible, dia izao no vakintsika ao: “Moa ve ao aminao misy lehilahy tsy madio noho ny fandotoana tsy nahy tamin’ny alina, dia hivoaka ny toby izy. Amin’ny faran’ny takariva izy dia hisasa amin’ny rano, ary amin’ny filentehan’ny masoandro, dia ho afaka hody ao an-toby.” Tsy mikendry ny “masturbation” anefa io andinin-teny io. Toy izao tokoa no ilazalazana ny “masturbation”: “Fanao atao hiteraka fahafinaretana amin’ny fikasikasihana ny faritra maha-lahy na vavy.” (Dictionnaire alphabétique et analogique da le langue franҫaise nataon’i P. Robert). ) Jehovah dia nanao ny lehilahy hoe, rehefa tsy misy firaisan’ny lahy sy ny vavy, indraindray izy dia mandraraka tsy nahy ao anatin’ny torimasony. Izany fivoahan’ny “sperme” izany dia matetika arahin’ny nofy mitodika any amin’ny lahy sy ny vavy. Koa satria matetika tokoa no mitranga ny alina izany “fandotoana” izany, dia lazaina hoe “tamin’ny alina”.
Ny andinin-teny hafa tononina ny amin’izany dia voasoratra ao amin’ny Levitikosy 15:16, 17; izao no ambarany: “Ary raha miala amin’ny lehilahy ny azy, dia hanasa ny tenany rehetra amin’ny rano izy ary haloto mandra-paharivan’ny andro; ary hosasana amin’ny rano ny fitafiany rehetra sy ny hoditra rehetra, izay nilatsahan’ny azy; dia haloto mandra-paharivan’ny andro izany.” Hita miharihary fa io andinin-teny iod dia vao mainka tsy mahakasika ny “masturbation”. Araka ny azo inoana tokoa, izany dia manondro koa ny “fandotoana tsy nahy amin’ny alina” vao avy noresahina. Fa raha ny amin’ny fahalotoana mifandray amin’izany “nilatsahan’ny azy” izany dia ara-pombafomba fa tsy ara-pitondrantena. Izany fahatsoahan-kevitra izany dia hamarinin’ny andininy manaraka izay ilazalazana fa ny lehilahy Isiraelita iray sy ny vadiny dia voan’ny ‘fahalotoana’ toy izany koa rehefa niray tamin’ny fomba nankasitrahan’Andriamanitra anefa.
Etsy andaniny koa, moa ve ny Soratra grika kristiana miresaka ny amin’ny “masturbation”? Tsia, tsy mivaofy ny amin’io foto-kevitra io izy. Tsy miresaka akory ny amin’ny fandotoana amin’ny alina izy. Nefa tokony hotsoahiana avy amin’izany ve fa tsy manome torohevitra mety hanampy antsika hilazalaza ny fihetsika tsara tokony harahina eo anoloan’ny “masturbation” izy? Tsy izany velively. Raha sokafanao tokoa ny Baibolinao ao amin’ny Kolosiana 3:5, dia ho hitanao izao fananarana izao: “Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay ety an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po [filan’ny nofo momba ny lahy sy ny vavy, MN], fanirian-dratsy ary fieremana”. Etsy andaniny koa, ao amin’ny I Tesaloniana 4:4, 5 dia izao no vakintsika: “Mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra, tsy amin’ny filana fotsiny [voamariky ny fitsiriritana, MN], tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an’Andriamanitra.” Izany torohevitra izany dia mihatra amin’ny kristiana na manambady na mpitovo. Vao mainka anefa tokony hitandrin-tena kokoa ihany ny mpitovo, satria ireo izay tafaray amin’ny fanambadiana ihany no afaka manome fahafahampo ny fahamaimaizany amin’ny alalan’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy.
Takatrao ve ny hoe amin’ny ahoana ny “masturbation” no fandikana ny didy izay mibaiko antsika mba hamono ny “filan’ny nofo momba ny lahy sy ny vavy” eo amintsika? Marina fa Jehovah no nanome ny olombelona filana na faniriana eo amin’ny lahy sy ny vavy, toy ny nanomezany antsika filana manosika antsika hihinana sy hisotro. Noho izany, dia tsy ny filan’ny nofo momba ny lahy sy ny vavy akory no melohin’ny Baiboly, toy ny tsy anoherany ny fitiavana araka ny natiora sy mety ny sakafo sy ny fisotro. Tsy takona amintsika anefa fa noho ny tsy fahatanterahantsika dia mety hanjary tsy ho voafehy ny filantsika. Araka izany, ny olona iray dia mety hamela hitombo ao aminy, faniriana tafahoatra sakafo na fisotro misy alkaola, ka izany dia hahatonga azy ho tendan-kanina na mpimamo. Toy izany koa, ny momba ny lahy sy ny vavy dia mety ho tonga anankiray amin’ireo zavatra mitana ny saintsika lehibe indrindra ka hitarika antsika hanahaka an’ireo olona eo amin’ireo firenena izay ny “filan’ny nofony momba ny lahy sy ny vavy” dia “voamariky ny fitsiriritana”.
Ireo izay manao “masturbation” dia mihevitra ho zava-dehibe tafahoatra ny amin’ny lahy sy ny vavy. Velominy sy taitairiny amin’ny fomba azo tsinina ny faniriany eo amin’ny lahy sy ny vavy. Ary koa, tsy ny lehilahy ihany akory no voakasika amin’io zava-manahirana io. Miely eo amin’ny vehivavy koa ny “masturbation”. Na ahoana na ahoana, dia ho amin’ny fanambadiana no nanomezan’Andriamanitra fahafahana mampiasa ny amin’ny lahy sy ny vavy ho an’ny olombelona. Ary anefa izay manao “masturbation” dia mampiasa ny faritra maha-lahy na maha-vavy azy hahafinaritra ny tenany ihany, ivelan’ny fatoram-panambadiana. Raha tiany ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra, ny olona toy izany dia tokony hamono ny filan’ny nofony eo amin’ny lahy sy ny vavy. Tokony hamboly ny fifehezan-tena ilainy mba hametrahana ny amin’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny toerany eo amin’ny fiainana izy ka hamela ny faritra maha-lahy sy maha-vavy hanohitra amin’ny fomba ara-dalàna.
Izao no nambaran’i Jesosy taloha: “Izay rehetra [tsy mitsahatra, MN] mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga tamin’ny tam-pony sahady.” (Matio 5:28). Ary anefa, matetika ny olona izay manao “masturbation” dia mamelona izany karazan’eritreritra amim-pahamaizamaizana izany ary mamorona fahitan’ny eritreritra fotsiny eo amin’ny lahy sy ny vavy. Amin’ny fanaovana toy izany, dia azo antoka fa tsy manaraka ny fampianaran’i Kristy izy. Tsy azo lavina ary fa ireo izay mamelona ny faniriany mafy momba ny lahy sy ny vavy amin’ny fanaovana “masturbation” dia mandika ny toromarik’Andriamanitra izay mandidy azy HAMONO ny faniriany.
Fa ahoana no azo amonoana ny filan’ny nofon’ny tena sy hanariana ny “masturbation”? Marina fa ireo izay nanaraka an’io karazam-pitadiavana fahafinaretan’ny nofo momba ny lahy sy ny vavy avy amin’ny tenany ihany io indraindray dia tsy maintsy miady mafy mba ho afaka amin’izany. Nefa raha ao anatin’izany toe-javatra izany ianao, dia aza ketraka, satria azo atao ny miala amin’izany noho ny fanampian’i Jehovah. Voalohany indrindra, dia ilaina ny mianatra mankahala an’io fanao io (Salamo 97:10). Manaraka izany, dia tena ilaina ny mandray ao an-tsain’ny tena sy ao ampo, fanapahan-kevitra hentitra ny tsy hanao “masturbation” intsony. Izay tapa-kevitra ny handamina an’io zava-manahirana io dia tokony hanao izany ho antom-bavany mandrakariva sy hiasa mifanaraka amin’ny hataka ataony.
Tsy afaka mamela ny tenany hamelona ny faniriany tokoa izy amin’ny famakiana boky na amin’ny fanatrehana fampisehoana mety hanaitra ny filan’ny nofony momba ny lahy sy ny vavy, na koa amin’ny fandraisana anjara amin’ny resaka mety hamelona ny fironany hanao “masturbation”. Ilainy kosa ny handany hery amin’ny asa ara-panahy, amin’ny fanatrehana ireo fivoriana, amin’ny fitoriana, amin’ny fiverenana mitsidika ireo izay mankafy ny Baiboly, amin’ny fanampiana azy ireny hianatra sy amin’ny fanampiana ara-panahy olon-kafa, ka izany dia hanome azy ny hery ilainy mba hifehezana ny filan’ny nofony momba ny lahy sy ny vavy. Raha maharitra ilay zava-manahirana, dia tsy tokony hisalasala izy hamboraka izany amin’ny anankiray amin’ireo loholona ao amin’ny kongregasionany. Ny vehivavy kristiana iray izay ho tojo zava-manahirana sahala amin’izany dia mety hahita ny fanampiana sy ny fanohanana ilainy koa eo anilan’ny anankiray amin’ireo rahavaviny matotra.
Tsy isalasalana fa ilaina ny miady mafy mba tsy hivadihana hatrany amin’i Jehovah. Mendrika ny hanaovana fiezahana anefa izany. Raha miady dieny izao amin’ny fironan’ny nofontsika ratsy isika, dia hanome fandresena feno antsika Jehovah ao amin’ny fandaharan-javany marina sy madio. Amin’izay dia ho hitantsika ny fahatanterahan’ny fikasany be voninahitra: ny tany manontolo tonga paradisa dia ho feno olombelona izay samy ho nahita masoandro daholo noho ny fahafahana nampiasa ny amin’ny lahy sy ny vavy nomen’Andriamanitra antsika.
[Teny notsongaina, pejy 24]
Ny Lalàn’Andriamanitra dia nanameloka izay rehetra mety ho fandrian’ny olona amin’ny biby.
[Teny notsongaina, pejy 26]
Ahoana no nahatonga ny sasany hanjary hanao fahadisoana amin’ny lafiny momba ny lahy sy ny vavy?
[Efajoro, pejy 25]
Ny sodomia — fironana ara-dalàna ve?
Ny sarimihetsika amerikana vaovao iray mitondra ny lohateny hoe Making Love (Manao fitiavana) dia manome ohatra tsar any amin’ny fampielezan-kevtra misy hafetsen-dratsy foronin’ny mpanao fampisehoana mba hitarihana ny mpijery hihevitra ny sodomia ho fironana ara-dalàna.
“Ireo sodomita aseho ao amin’ny sarimihetsika dia mety ho mpitsabo anao, rahalahinao na mpifanila efitra aminao”, hoy ny nomarihn’ny anankiray amin’ireo mpanoratra ny Sunday News Magazine any New York. Izany toa maha-ara-dalàna izany dia tsy avy amin’ny kisendrasendra akory. “Ny faniriana lehibe indrindra azoko atao ho an’ity sarimihetsika ity, hoy ny nosoratan’ny mpandahatra azy, dia ny hahombiazany amin’ny fanovana ny fomba fiheveran’ny olona ny sodomia, mba hanjary hieritreretany fa ny fanintonan’ny lehilahy dia tsy mahatonga ny lehilahy iray ho tsy zatra ny fiainana na miharatsy.” — Izahay no manipika.
Moa ve io sarimihetsika io tonga tamin’ny “fanovana ny fomba fiheveran’ny olona ny sodomia”? Hatramin’izao izany dia toa nisy vokany teo amin’i Kate Jackson, ny anankiray tamin’ireo mpilalao azy. “Misy filan-dratsy mahagaga ateraky ny fifandraisan’ny samy lehilahy (ireo olona toa amin’ilay sarimihetsika), hoy ny nambarany tamin’ny mpanao gazety iray nanontany azy. Rehefa hitako ireo sary voalohandohany, dia fantatro izay hanaraka izany, ary anefa aho nandalo tamin’ny dingana telo: Voalohany indrindra, dia gaga aho, avy eo dia gaga aho noho ny nilazan’ny tenako hoe: ‘Azoko’ ary farany: ‘Ekeko izany.’”
Na dia afaka nanova ny fomba fiheveran’ny olona ny sodomia’ aza izany karazam-pampielezan-kevitra izany, dia mbola halan’ny Mpamorona ny tenan’olombelona toy ny hatramin’izay ihany ny sodomia. Ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny firenen’Israely dia nilaza fa “hatao maty tokoa” ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy”. (Levitikosy 20:13.) Fa raha ny amin’ny lalàna nomeny ny kristiana, izany dia mampiharihary fa tsy niova hevitra izy. Manambara tsy misy fihambahambana tokoa ny Baiboly fa ny “lehilahy mandry amin’ny lehilahy isan-karazany” dia anisan’ireo izay “tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra”. — I Korintiana 6:9, 10, Fandikan-teny Eokimenikan’ny Baiboly.