FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/12 p. 28
  • Jona araka ny ahitan’ny klerjy azy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Jona araka ny ahitan’ny klerjy azy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Jona araka ny ahitan’ny klerjy azy
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/12 p. 28

Jona araka ny ahitan’ny klerjy azy

Ny bokin’i Jona dia “tsy tokony hoheverina mihitsy ho toy ny boky ara-tantara”. Izany no nambaran’i Timo Veijola, dokotera amin’ny teolojia finlanday. Tamin’ny fanadinadinana natao taminy, dia nanantitrantitra Atoa Veijola fa ny bokin’i Jona “raha ny marina dia tsy ara-tantara toy ny tsy maha-izany ny ‘Dian’i Gulliver’ na ‘Don Quichotte’. Ny tantara, raha ny marina dia lahateny fanakianana izay ny tapany aminy lehibe indrindra dia mahatsikaiky sy mampiseho hadalana tsotra izao”.

Moa ve ny hevitr’io teolojiana io misy vidiny toy ny an’i Jesosy Kristy izay, tamin’ny fisiany talohan’ny naha-olombelona azy dia nahita maso ny fisetran-java-tsarotra nodiavin’i Jona? Moa ve Jesosy nihevitra ny tantaran’i Jona ho toy ny ‘lahateny fanakianana mampiseho hadalana tsotra izao’? Tamin’ny naha-vavolombelona nahita maso azy, dia toy izao no nampisehoan’i Jesosy ny fandikany ny zava-nitranga tao amin’ny faminaniany: “Fa tahaka ny nitoeran’i Jona hateloan’andro sy hateloan’alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, dia toy no hitoeran’ny Zanak’olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany. Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin’ny nitorian’i Jona teny.” (Matio 12:40, 41). Ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty dia tokony ho zava-nitranga ara-tantara toy ny namonjena an’i Jona tamin’ny fifaranan’ny fivahinianany tao an-kibon’ilay hazandrano. Fa raha ny amin’ny taranaka nihaino ny fitorian’i Jona, izany dia tokony ho zavatra tena nisy sahala amin’ny nandre an’i Jesosy nitory.

Sahala amin’i Timo Veijola izay nandray anjara tamin’ny fandikana ny fandikan-teny finoazin’ny Baiboly vaovao, dia mpivaofy teny sy mpitondra fivavahana maro amin’ny andro ankehitriny no misalasala ny amin’ny maha-ara-tantara ny fitantarana ny amin’i Jona. Amin’izany, ny tena hadalana dia tsy ao amin’io fitantarana io fa ao amin’ireo mpitondra fivavahana izay mandika sy mampianatra ny Baiboly nefa tsy mihevitra izany ho Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra..

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara