‘Manajà ny ray aman-dreninao’ Inona no niafaran’io fitsipi-pitondrantena tsara io?
NILAZA toy izao ny ray anankiray momba ny zanany lahy roa: “Isaky ny manome ny hevitro aho dia manao fihetsika toa zara raha manaiky ahy izy ireo.” Aiza ny fotoana izay nilazana hoe: ‘Manajà ny ray aman-dreninao.’” Etsy ankilan’izany ny talen’ny biraom-panampiana ara-pianakaviana iray dia nanao izao fanamarihana mitovy izao: “Amin’izao androntsika izao ny tanora dia tsy mianina intsony amin’ny famaliana ireo ray aman-dreniny. Mihaika mandrakariva ny fahefany izy ireny.”
Na tanora ianao na olon-dehibe dia tsy isalasalana fa tsapanao fa ankizy maro be no tsy mankato ny ray aman-dreniny sy tsy maneho fanajana azy. Ary izany dia zava-manahirana iray tokony hampiahiahy anao na inona na inona toerana misy anao. Fa nahoana no izany?
Satria ny fifanoherana eo amin’ny ray aman-dreny sy zanaka atrehinao dia anisan’ny zava-mitranga madinidinika amantarana ny fotoana misy antsika ho ny “andro farany”. Ao amin’ny Baiboly, io fiteny farany io dia manondro ny fe-potoana mialoha ny fandravana ny fandehan-javatra maneran-tany ankehitriny (II Timoty 3:1). Soa ihany fa hisy olona ho tafita velona amin’io fandringanana io mba hahita fahasambarana eo ambanin’ny fitondram-panjakana any an-danitra tena misy iray. — Daniela 2:44; Apokalypsy 21:1-4.
Fa inona raha ny marina no toerana tanan’ny tsy fankatoavana ray aman-dreny ao amin’ny faminanian’ny Baiboly momba ny fotoana misy antsika sy ny ho avy? Tao amin’ireo nomerao faramparany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, dia navoakanay ara-potoana ny faminanian’i Jesosy voatantara ao amin’ny Matio 24, Marka 13 ary Lioka 21, Kristy dia nifototra indrindra tamin’ny filazana ny toetoetr’ireo zava-miseho maneran-tany tokony hampiavaka ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, dia ny ady, ny horohorontany ary ny tsy fankatoavan-dalàna, mba tsy hanononana afa-tsy ny sasantsasany aminy. Izao indray kosa dia hahaliana antsika ny faminaniana hafa iray mifandray amin’ny fe-potoana mitovy, dia izay hita ao amin’ny II Timoty 3:1-5. Toy izay hianina fotsiny amin’ny filazalazana ireo fisehoan-javatra ivelany izay ny olombelona no tratrany, io andalan-tenin’ny Baiboly io dia manintona ny saintsika ho amin’ny fomba fihetsiky ny olona izay hanatrika ireny zava-mitranga manaitra ireny. Izao no vakintsika:
“Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina (..); ireny koa dia halaviro.”
Araka ny nanamarihanao azy dia nasehon’ny apostoly Paoly tamin’ireo teny ireo ny vokatra ateraky ny andro farany eo amin’ny olombelona miaina ao anatiny. Nomarihinao koa fa ny ‘ tsy fankatoavana ray aman-dreny’ dia tokony ho ny iray amin’ireo toetra mampiavaka io fe-potoana sarotra io.
Tanteraka amin’izao andro izao ve io faminaniana io?
Inona no mamela antsika hanizingizina fa tsy niresaka ny toe-javatra nanjaka tamin’ny androny akory i Paoly? Hoy angamba ny sasany. Rehefa heverina fa ilay apostoly dia nanohy ny faminaniany tamin’ny torohevitra isan-karazany nalefa ho an’i Timoty, iray tamin’ireo rahalahiny kristiana, dia tsy mahagaga raha toa ka misy mpamaky sasany manontany tena raha nisaintsaina tokoa ny androntsika izy (II Timoty 3:5, 14, 15). Mariho anefa fa nilaza ny heviny toy izao izy: “Any am-parany any dia hisy andro mahory.” Miharihary amin’izany àry fa nanondro fotoana mbola ho avy izy tamin’ireo teny ireo. Marina tokoa fa nanasa an’i Timoty ‘hanalavitra’ tsy misy hatak’andro ireo izay naneho toe-pitondrantena nampalahelo toy izany izy, satria toy izany sahady no zava-niseho tamin’ny mpikambana sasany tao amin’ny kongregasiona. Kanefa nampiseho ny tenin’i Paoly fa any “am-parany” any, izay mbola ho avy, ny tarehin-javatra dia ho sarotra kokoa amin’ny fomba hafa.—Jereo II Tesaloniana 2:6-12; 3:6-14.
Kanefa angamba ianao efa nahare mpanao fanadihadiana toy izao na toy iry nanohana fa ny ankamaroan’ny tanora aza dia mifanaraka tsara amin’ny ray aman-dreniny. Raha raisina amin’izay voalaza ao amin’ny II Timoty 3:1-5, ahoana no fiheveran izany karazam-panizingizinana izany? Alohan’ny hanatsoahan-kevitra dia aoka hojerentsika ny fomba nisoratan’ny faminanian’i Paoly eo amin’ny fototry ny tantaran’ny Baiboly.
“Manajà ny rainao sy ny reninao”
Toy izany no ilazalazana ny fahadimy amin’ny Didy Folo (Eksodosy 20:12). Ireo teny ireo dia tokony ho tafalentika tao amin’ny fitadidian’ireo tanora Jiosy (Deoteronomia 5:16; 6:6, 7). Tsy azo atao ny nisaintsaina fa ny olona anankiray dia afaka ny tsy hankato ny ray aman-dreniny. Ny tsy fankatoavana tokoa dia noheverina indraindray ho toy ny heloka mahafaty (Deoteronomia 21:18-21). Ny fomba fiaina nampiavaka ny Fahiny dia namela ny ray aman-dreny hanara-maso ny zanany, tamim-pitiavana tokoa, nefa tamin’ny fomba akaiky. Voalamina araka ny ohatry ny razambe ny fianakaviana. Voafaritra tsara ny anjara asan’ny ray aman-dreny. Fa raha ny amin’ireo zanaka, izy ireny dia noraisina toy ny fitahiana sarobidy ary nisy andraikitra maro be momba ny fambolena nankinina taminy. — Jereo ny Salamo 127:3.
Kanefa, rehefa nanomboka nivily tamin’ny lalan’i Jehovah ilay firenena dia tsy maintsy nitotongana ny fiainam-pianakaviana. Tokony ho 800 taona taorian’ny namoahana ny Didy Folo dia nanao izao fanamarihana izao ny mpaminany Mika: “Fa ny zanakalahy manamavo ny rainy, ny zanakavavy mitsangan-kanohitra ny reniny (...); ary ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony.” (Mika 7:6). Toy izany koa, Ezekiela dia nilazalaza tamin’ireto teny ireto ny toe-javatra nanjaka tamin’ny androny tao Jerosalema: “Ao aminao no anozonana ray aman-dreny”. (Ezekiela 22:7). Izany tsy fanajana ny ray aman-dreny nanafintohina izany dia iray tamin’ireo famantarana ny fikororosiana ara-pitondrantena niely toy ny fahalovam-pery. Vokatr’izany Andriamanitra dia niseho ho voatery nanao fandaharam-pamaizana mafy ho fanoherana ilay firenena manontolo. — Jeremia 1:15, 16.
Raha raisina amin’izay voalaza tetsy aloha, tsy isalasalana fa hiaiky ianao fa ny fitondrantenan’ny tanora amin’ny taonjato faharoapolo dia hita ho nandona ny fon’i Paoly tamin’ny lafiny maro. Ny hevitra malalaka deraina aoka izany ankehitriny eo amin’ny lafin’ny fitaizana tokoa dia tsy fantatra tamin’ny taonjato voalohany. Tsy tokony hohadinointsika àry fa ireo fianarana izay mampahita antsika ny fiainam-pianakaviana ankehitriny ho tsara, dia tsy miraharaha mihitsy ny fotopoto-pitsipika izay, araka an’Andriamanitra dia tokony hanapaka ny fitondrantenan’ny ankizy (Efesiana 6:1-3). Anefa, raha ampitahaintsika amin’ny fampianaran’Andriamanitra ny fihetsika sy ny fitondrantenan’ny ankamaroan’ny tanora amin’izao andro izao, dia tsy ho sahirana isika hahatakatra ny antony ilazan’ny Baiboly ny taranaka ankehitriny ho ‘tsy mpankato’. Tsy te-hilaza akory izahay fa mpikomy avokoa ny zanaka rehetra. Kanefa, ny mitranga dia sady miely aoka izany ny tsy fankatoavana no sady mampahatahotra loatra ka tsy azo odian-tsy hita.
Kanefa, moa ve ny ‘tsy fankatoavana ray aman-dreny’ fisehoan-javatra maneran-tany tokoa? Moa ve ny fifanoherana eo amin’ny ray aman-dreny sy zanaka ampy fiharihariana mba hanehoana fa miaina amin’ny “andro farany” isika? — II Timoty 3:1, 2.
[Teny notsongaina, pejy 4]
‘Tsy mpikomy avokoa akory ny ankizy rehetra, kanefa fisehoan-javatra miely loatra sy mampahatahotra loatra ny tsy fankatoavana ka tsy azo odian-tsy hita.”