Nahoana no misy fivavahana lazaina fa kristiana be dia be toy izao?
RAHA FINTININA, ny ampahefatry ny mponina amin’ny tany dia milaza ho manaraka ny kristianisma sy manambara fa manaraka ny dian’i Jesosy Kristy. Izany anefa tsy mahasakana an’io ampahany amin’ny olombelona io tsy hisaratsaraka aoka izany. Araka izany, dia eo amin’ny olona 580 000 000 no toa hoe anisan’ny Eglizy katolika, nefa, hatramin’ny konsily Vatican II, dia miseho ny hantsana mampisaraka ny katolika tia fandrosoana sy ny mpanohana ny tsy fanovana mifikitra amin’ny litorjia latina. Ireo mpanaraka ny fivavahana ortodoksa eo amin’ny 74 000 000 etsy andaniny dia mizarazara ho Fiangonam-pirenena maromaro izay manaraka fombafomba tsy mitovy. Fa raha ny amin’ny protestanta izay mihoatra ny 343 000 000 izao, izy ireny koa dia voazarazara ho vahoaka samy hafa finoana, toy ny Fiangonana episkopaly, loteriana, kalvinista (presbyteriana na mpanavao), batista na metodista.
Ireny Fiangonana rehetra ireny dia mihevi-tena ho “voaorina”, “araka ny marina” sy “mendri-kaja”. Tokony hanampy izany ireo antokony kely an-jatony maro izay antsoin’ireo fivavahana lehibe indrindra katolika sy ortodoksa na protestanta amim-panarabiana hoe antokom-pivavahana.
“Araka ny marina” sa “manohitra ny finoana”
Raha ny marina, izay rehetra manontany ny Tantara amin’ny fomba tsy miangatra dia hahita fa tsy misy na dia iray aza amin’ireo Fiangonana “kristiana” mahazatra afaka mirehareha ho mampiseho ny kristianisma tamin’ny voalohany. Mifanohitra amin’izany, teo am-boalohany izy rehetra dia sampantsampany, raha lazaina amin’ny teny indraim-bava dia antokom-pivavahana. Izany aza no hita amin’ny fivavahana katolika, izay mirehareha anefa ho ny Fiangonana kristiana tranainy indrindra.
Mampahafantatra antsika tokoa ny Tantara fa tanàna maromaro no mety hihambo alohan’i Roma fa manana fahamendrehana ho anankiray tamin’ireo foiben’ny kristianisma voalohandohany. Rehefa naorina ny kongregasiona kristiana tamin’ny andro Pentekosta taona 33, dia tsy nisy kristiana tany Roma. Tsy azo lavina fa ny foiben’ny kongregasiona voalohany dia tsy iza fa Jerosalema. Marina fa misy Jiosy sy proselyta tonga tao amin’ilay tanàna masin’ny jodaisma ho amin’ny Pentekosta. Tsy isalasalana fa tonga kristiana ny sasany tamin’izy ireny ary hanorina kongregasiona ao amin’ny renivohitr’ilay empira indray kosa. Fisehoan-javatra sahala amin’izany anefa no mitranga any amin’ny tanàna maro hafa voatonon’ny Baiboly. Afa-tsy izany koa, dia ao amin’ny faran’ny lisitra amin’ny Soratra masina vao hita ny filazana an’ireo mpivahiny avy tany Roma nankany Jerosalema, raha ny marimarina kokoa dia alohan’ny Kretana sy Arabo indrindra. — Asa. 2:5-11.
Teo am-piandohan’ny kristianisma, Roma, noho ny toerany ara-jeografia, dia tsy foibe nety ho an’ny fandaminana asa kristiana. Tsy tany Roma fa tany Antiokia any Syria no niantsoana voalohany ny mpianatr’i Jesosy hoe kristiana (Asa. 11:26). Antiokia koa fa tsy Roma no nofidin’Andriamanitra ho fiaingana tamin’ny dia misionera telo nataon’ny apostoly Paoly (Asa. 13:1-4; 14:26; 15:35, 36; 18:22, 23). Marina fa araka ny tena mety ho azo inoana, Paoly dia hovonoina any Roma. Tsy anisan’ireo apostolin’i Jesosy roa ambin’ny folo anefa izy, satria Jodasy Isikariota nosoloana an’i Matia talohan’ny niovan’i Paoly koa aza (Asa. 1:23-26). Raha ny marina, dia tsy ananantsika na dia kely akory aza ny porofo araka ny Baiboly mampiseho fa tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo roa ambin’ny folo nankany Roma na maty tany. Jaona, velona farany tamin’ny kolejy apostolika, dia azo inoana fa ho faty any Efesosy na any amin’ny manodidina. Nefa, ny fahafatesan’ireo apostoly dia hamoha midanadana ny varavaran’ny fandrosoan’ny fivadiham-pinoana. — I Jaona 2:18, 19; II Tesaloniana 2:3, 4.
Rehefa nandeha ny fotoana dia nisy tanàna hafa nanjary nalaza teo anivon’izay tsy inona intsony fa sarisarin’ny kristianisma. Aoka hotononintsika i Alexandrie sy Carthage, atsy Afrika Avaratra, ary koa i Byzance (izay hovana anarana hoe Constantinople), any amin’ny sisin’i Azia sy Eoropa. Any andrefana, ny Eglizy manan-karena sy matanjaka miorina any Roma, any amin’ny renivohitr’ilay empira mihitsy, dia mihamalaza foana.
Tsy ela ny fandrosoan’ny fivadiham-pinoana nambaran’ireo apostoly dia nitarika fiforonan’ny klerjy. Nisy lehilahy be fahefana nitsangana ho ambonin’ny andian’ondry ary naka ny anaram-boninahitra hoe eveka. Rehefa avy niady mafy izy ireo dia hahomby amin’ny fitarihana ireo fironana na antokom-pivavahana rafin’io kristianisma niova io. Tamin’ny voalohany dia tsy nisy mihitsy eveka na tanàna niavaka ho ambony. Tsy ho ela anefa dia hatrehina ny tena fifaninanana hanana fahefana, ka tamin’izany ireo antokom-pivavahana na sampantsampany isan-karazany avy amin’ny kristianisma tany am-boalohany dia hiady voninahitra mba hoheverina fa Fiangonana “araka ny marina” ka noho izany dia ho afaka hihevitra ny hafa ho “manohitra ny finoana”.
Tamin’ny voalohany ireo antokom-pivavahana
Izao no azo vakina ao amin’ny anankiray amin’ireo boky vao haingana indrindra navoaka momba io raharaha io: “Ao anatin’ny kristianisma, inona no atao hoe finoana tsy eken’ny fiangonana? Na ny marimarina kokoa, taiza ny Fiangonana? (...) Ny kristianisma [nivaona] dia teraka tao anatin’ny fisafotofotoana, tao anatin’ny ady hevitra an-tsoratra sy tao anatin’ny fisarahana, ary tao anatin’izany faritra izany no nitomboany. Niandalana, ny Eglizy ortodoksa nanana rafitra ekleziastika manokana dia nipoitra tamin’ny farany (...). Miharihary fa ireny ady ireny, sahala amin’ny mitovy aminy rehetra, dia tsy nanana zavatra nampandroso manokana (...). Tamin’ny taonjato 1 sy faha-2 taorian’i Jesosy Kristy, ny tapany afovoany sy atsinanana amin’ny faritra mediteraneana dia feno hevitra ara-pivavahana tsy tambo isaina izay niady mba hielezana (...). Araka izany àry, raha vao teo am-boalohany dia niara-nisy ny karazana kristianisma maro izay tsy nanan-javatra firy niombonana (...). Tsy azo atao ny manaporofo fa hoe nisy fandrosoan-javatra nanapaka nisongadina teo amin’ny kristiana talohan’ny antenatenan’ny taonjato faha-3. Raha hainay ny mitsara azy, raha vao teo amin’ny faran’ny taonjato voalohany sy saika nandritra ny taonjato faha-2, ny ankamaroan’ny mpianatra dia nino hevitra nolazaina fa kristiana miorina amin’ny fahalalana feno ny amin’ny toe-tenan’Andriamanitra maro karazana na nanaraka antokom-pivavahana mpamohafoha niangona nanodidina ny mpampianatra nahay nanao fahagagana (...). Ny ortodoksia dia anankiray monja tamin’ireo endrika isan-karazany notafin’ny kristianisma tao anatin’ny taonjato faha-3, ary angamba izy io tsy nitsangana ho amin’ny toerana lehibe talohan’i Eusèbe [izany hoe teo am-piandohan’ny taonjato faha-4].” — Tantaran’ny kristianisma (anglisy), nosoratan’i Paul Johnson.
Ny fihodinan’ny fisehoan-javatra dia nambaran’ny apostoly Paoly tamin’izao teny izao: “Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; ary hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ny anganongano.” — II Timoty 3:3, 4.
Ny sasany tamin’ireny mpampianatra nivadika ireny dia nanjary izay antsoin’ny fivavahana lazaina fa kristiana hoe Rain’ny Eglizy. Raha lazaina amin’ny ankapobeny, dia avahana ny Ray “anténicéens” sy ny Ray “postnicéens”, ka ny fiolahana dia voamariky ny “konsily eokimenika voalohany” novorin’i Constantin, emperoran’i Roma mpanompo sampy, tamin’ny 325, tany Nicée, any Azia Minora.
Ny toerana voalohany tanan’i Roma
Tsara ny manamarika fa tsy nonina tany Roma akory ny ankamaroan’ireo “Ray” tamin’ny taonjato faha-2 sy faha-3. Ambonin’izany, izy ireny dia tsy nanoratra tamin’ny teny latina, fa tamin’ny teny grika. Ny amin’izany, dia nanambara toy izao ny Encyclopédie britannique: Hatrany akaikin’ny 250, ny ankamaroan’ireo mpitondra kristiana any Andrefana dia niteny grika fa tsy latina (ohatra, Irénée sy Hippolyte). Ankoatr’izany, ny fototry ny teolojia latina dia tsy avy any Roma fa avy atsy Afrika Avaratra (ohatra Tertullien sy Cyprien).”
Nandritra ireo taonjato voalohandohany nisian’ny fivadiham-pinoana, iza avy moa ireo foibe lehiben’ny teolojia lazaina fa kristiana? Tsy Roma izany fa Antiokia, Aleksandria, Kartazy, Kaisaria, Jerosalema ary tanàna maromaro hafa any Azia Minora. Ny amin’izany, ny Encyclopédie catholique (anglisy) dia nanao izao fanamarihana izao: “Na dia nahery sy nohajaina aza i Roma tamin’ny taonjato faha-2 (...), dia tsapa ho nisy fahabangana tanteraka tamin’ny literatiorany tamin’izany fotoana izany. Ny literatiora latina àry dia zandriny [zandrin’ny zavatra voasoratra tamin’ny teny grika] efa ho taonjato roa sy tapany. Naningana i Tertullien, nefa tamin’ny farany koa izy dia nanohitra ny finoana. Talohan’ny antenatenan’ny taonjato faha-4, dia Ray latina iray monja [Cyprien tany Kartazy, atsy Afrika Avaratra] no niseho (...). Nanomboka tamin’i Cyprien (maty tamin’ny 258) ka hatramin’i Hilaire [izay maty tany amin’ny 367], dia tsy nisy tsotra izao fotsiny ny teolojia.”
Ahoana àry no hahombiazan’ny Eglizin’i Roma amin’ny fanerena hanaiky ny fahamboniany teo amin’ireo Eglizin’ny tanàna hafa izay namoaka “Rain’ny Eglizy” maro lavitra anefa? Tsy isalasalana fa ny anankiray amin’ireo fanazavana dia noho ny lazan’ny toerany, dia ny renivohitry ny empira. Izy io tokoa dia Eglizy nanan-karena izay nanome fanampiana ho an’ny fitambaran’olona nahantra kokoa nipetraka tany amin’ny tanàna hafa, ka izany dia nanome fahefana sasany ny evekany. Araka ny fandehan’ny fotoana, io eveka io dia hanomboka hitaky ny zo hanao fitsarana ambonin’ny an’ireo eveka hafa raha misy fandikana ny lalàm-pifehezana ekleziastika.
Ankoatr’izany, raha azon’i Constantin, emperoran’i Roma mpanompo sampy tsara fa afaka mampiasa ny kristianisma heterodoksa izy mba hanamafisana ny empira mihena hery izao, dia tsy niafina tamin’ny evekan’i Roma koa fa ny fivavahan’ny mpanompo sampy dia manana fahefana hanao izay hitiavan’ny vahoaka kokoa ny kristianisma novana ho ratsy asehony. Marina tokoa fa ny Eglizy romana dia efa nametra ny Paka ho alahady, andro mamin’ny mpanompo sampy, nefa tamin’izany fotoana izany ireo Fiangonana tany Atsinanana dia mbola nankalaza foana an’io fety io ny 14 Nisana, araka ny fanisanandro Jiosy, na andro inona na andro inona ao anatin’ny herinandro izy io. Etsy andaniny koa, raha nisy Eglizy maromaro tany Atsinanana nirona hanaraka an’i Arius izay nanohitra ny fampianarana ny amin’ny trinite, Roma kosa dia dodona ny hanaraka ny hevitry ny mpanompo sampy ny amin’ny andriamanitra telo izay iray.
Tamin’ireo raharaha roa ireo, Constantin dia hanambara ankarihary fa manohana ny Eglizin’i Roma. Mba hanaovana izany, tamin’ny 321 izy dia namoaka lalàna ny amin’ny fitandremana ny alahady, avy eo dia nodidiany ny hanarahana ny fampianarana ny amin’ny Trinite na Andriamanitra telo izay iray tao amin’ny konsilin’i Nicée tamin’ny 325. Nafangarony koa ny kristianisma tsy izy sy fanompoam-pivavahan’ny Romana mpanompo sampy mba hananganana finoana vaovao “ho hita hatraiza hatraiza” na “katolika” ho fivavaham-panjakana.
Taty aoriana, tamin’ny 382, ny emperora Gratien dia hanome amin’ny alalan’ny lalàm-panorenana an’i Damase, evekan’i Roma, ny zo hihaino ny fangatahana fitsarana ambony ataon’ny eveka hafa, na dia ireo monina any amin’ny faritra lavitra indrindra” amin’ny empira. Na dia notoherin’ireo eveka tatsinanana aza izany fanapahan-kevitra izany, ary nanao toy izany koa ny sasantsasany tamin’ireo mpiray raharaha aminy tatsinanana, izany dia tsy isalasalana mihitsy fa hanitatra ny herin’ny evekan’i Roma. Ankoatr’izany, Damase dia nanaiky ny voninahitra ho pontifex maximus, raharaha nialan’ny tenan’i Gratien tamin’ny farany, noho ny fiheverana fa tsy mety amin’ny kristiana izany. Tsy nampaninona an’i Damase anefa ny fiahiahian’ny fieritreretana toy izany. Araka ny Encyclopédie catholique (anglisy), io fanomezana anaram-boninahitra io dia heverina foana ho “ny anankiray amin’ireo anaram-boninahitra lehibe indrindra” entin’ny papa. Amin’ny teny frantsay koa izy io dia matetika no antsoina hoe “le souverain pontife”, fitenenana izay mandika ara-bakiteny ny teny latina hoe pontifex maximus.
Tsy fifanarahana, fisarahan-kevitra sy fanitsiana
Mazava ho azy fa ny fahamboniana takin’ny evekan’i Roma dia tsy neken’ny olona rehetra avy hatrany akory. Tany amin’ny tanàna any Atsinanana toa an’i Aleksandria, Jerosalema, Antiokia ary indrindra fa Constantinople, ireo filohan’ny laharana hafa tamin’ny kristianisma novana dia niodina hanohitra izany fandrombahana fahefana izany. Nefa raha niray hevitra tamin’ny fanoherany ny fanapahan’i Roma ireny manamboninahitra ireny dia tsy nanao toy izany velively izy ireny tamin’ny lafin’ny fampianarana. Tany amin’ireny tanàna ireny sy ny maro hafa koa, ny fisian’ny fampianarana nifandrafy dia hiteraka fiforonan’ny antokom-pivavahana maro karazana izay samy nilaza tena ho manaraka an’i Kristy.
Noho ny fanantenana ny hanototra ny hantsana mampisaraka kokoa ihany ireo antokom-pivavahana mpifaninana nanana foibe tany Roma sy tany Constantinople, ary mba hanamarihana amin’ny anarana hoe “mpanohitra ny finoana” ireo “manam-pahaizana” nampianatra tany amin’ny tanàna hafa, dia halamina araka ny fandehan’ireo taonjato ny “konsily eokimenika (na hita hatraiza hatraiza) an’ny Fiangonana”. Ny voalohany, izay nivoha tamin’ny 325 tany Nicée dia natao hanimbana “fanoherana ny finoana” ny trinite na andriamanitra telo izay iray narahin’i Arius. Hisy hafa koa hatao any (efatra tao amin’io tanàna io), tany Efesosy, tany Chalcédoine (nanoloana indrindra an’i Constantinople, tany ambadik’i Bosphore), avy eo dia tany Nicée indray. Samy nanaiky ireo konsily fito voalohany ireo na ireo Fiangonana tany Atsinanana na ny Eglizy katolika. Ho anisan’ireo foto-pinoana harahina amin’ireny fivoriambe halaza ireny ny trinite, ny finoana an’i “Maria, renin’Andriamanitra”, mbamin’ny fampianarana hafa koa tsy misy ifandraisana mihitsy amin’ny kristianisma araka ny Baiboly. Ireny konsily ireny dia hanamaloka koa amin’izany fotoana izany ny “fanoherana ny finoana” isan-karazany, ka izany dia hampitombo ny fiforonan’ny fitsinjarazarana na antokom-pivavahana nivadi-pinoana vaovao avy amin’ny kristianisma.
Tsara ny manamarika fa tsy misy na dia iray aza tamin’ireny konsily voalohandohany nataon’ny Eglizy “hatraiza hatraiza” ireny natao tany Roma, dia ilay tanàna nihambo ho foibe iraisam-pirenen’ny kristianisma anefa. Ny konsily voalohany natao hoe “eokimenika” tany Roma dia tsy hatao raha tsy tamin’ny 1123. Nefa tamin’io daty io, ny “tsy fifanarahana lehibe” dia ho efa nampisaraka an’i Roma sy ireo Fiangonana tany Atsinanana. Ny fisarahan-kevitra voalohany tokoa dia nitranga tamin’ny 867 ary ny fisarahana tanteraka dia vita tamin’ny 1054. Araka izany àry, raha lazaina ara-tantara dia tsy nisy mihitsy konsily eokimenika, izany hoe nikambanana, natao tany Roma.
Tetsy andaniny koa, ny endriny hafa tatsinanana tamin’ny kristianisma izay nisaraka tamin’i Roma dia tsy hivondrona manodidina ny eveka hafa iray milaza tena ho solon’i Kristy eto an-tany. Marina fa tsy hoe tsy hahafaly ny Eglizin’i Constantinople (tanàna antsoina koa hoe “Roma vaovao”) akory ny ho tonga mitovy amin’i Roma any atsinanana. Tsy ho tonga amin’izany anefa izy. Araka ny fandehan’ny fotoana, ny Fiangonana ortodoksa koa dia hizara ho Eglizim-pirenena mahaleotena na manapa-tena, izay tsy hanaiky intsony afa-tsy ny fanomezana voninahitra voalohany ho an’ny patriarka tany Constantinople, dia Istanbul amin’ny andro ankehitriny. Amin’izao fotoana izao koa dia misy Fiangonana tatsinanana hafa maromaro tsy miankina na amin’i Roma na amin’i Constantinople. Tsy azo lavina fa mahaforona trano voazarazara aoka izany koa ny “kristianisma” tatsinanana.
Taorian’ny fisarahana tany Atsinanana, dia tsy namela ny fanantenana ny hanao izay hankatoavan’ireo Fiangonana ortodoksa indray andro any ny Eglizin’i Roma fa fara faharatsiny nihevitra ny hijanona ho tompo tsy azo lavina teo amin’ny faritanin’ny tenany, ny Andrefana. Tsy nifarana anefa ny tsy fahombiazany. Nisy mpanohitra tokoa niseho tsy ela. Noheverin’ny Eglizy fa tsy azo leferina izany zavatra izany ka nanao fandaharana nahery izy mba hiadiana tamin’ireny “mpanohitra ny finoana” ireny. Tamin’izany no hanorenany ny fampijaliana ny tsy mety manaraka ny finoana katolika. Tsy hitsahatra anefa na dia izany aza ny fisarahan-kevitra. Tamin’ny taonjato faha-16, dia hipoaka ny fikomian’ny maro, noho ny antony ara-pivavahana aloha, nefa ho tafiditra amin’izany atỳ aoriana ny antony ara-politika.
Io fikomiana io izay handray ny anarana hoe Fanitsiana, dia hiteraka fianakaviam-pivavahana fahatelo izay hilaza tena fa kristiana koa. Tsy hanorina indray ny firaisan-tsaina sy ny fampianarana marina izay hampiavaka ny kristianisma tamin’ny voalohany, ny an’ny Baiboly, anefa ny protestantisma fa hivakivaky hoa ho Fiangonana sy antokom-pivavahana maro be.
Nahoana no misy “kristianisma” be dia be toy izao?
Raha anisan’ny Fiangonana iray na ny antokom-pivavahana iray milaza tena ho kristiana ianao, dia tsy isalasalana fa efa nanontany tena hoe nahoana no misy fivavahana be dia be toy izao izay manizingizina fa manaraka an’i Kristy sy mampihatra ny Baiboly. Angamba aza nahatofoka anao tamim-pahatsorana izany fisaratsarahana rehetra izany izay miova foana ho fanenjehana sy ady ara-pivavahana hatramin’ny taonjato maro. Noho izany antony izany na noho ny hafa koa, dia mety ho nitsahatra tsy nankany am-piangonana intsony ianao ka ankehitriny dia mianina amin’ny hevitrao manokana ny amin’ny kristianisma. Ao anatinao ao anefa, dia azo antoka fa heverinao fa mba tena haha-kristiana tokoa, dia ilaina ny manao zavatra bebe kokoa ihany. Noho ny Baiboly, dia fantatrao fa ireo mpianatr’i Kristy voalohany indrindra dia nahaforona fianakaviana ara-panahy niray saina sy sambatra. — Jaona 13:34, 35; Efesiana 4:1-6.
Amin’izao androntsika izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mahaforona fianakaviana kristiana sambatra koa. Tsy azo atao ny mihevitra azy ireny ho antokom-pivavahana, satria izy ireny dia tsy mpianatry ny mpampianatra na ny tompo olombelona iray, na sampan’ny Fiangonana na ny finoana hafa iray. Ny Vavolombelona dia avy amin’ny kilasy ara-tsosialy rehetra. Tsy olona no arahin’izy ireny, fa Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany. Raha manontany azy ireny ianao hoe nahoana no misy fivavahana be dia be toy izao milaza tena fa kristiana, dia hamaly anao toy izao izy ireny: “Satria ireny antokom-pivavahana rehetra ireny nanaraka olona fa tsy ny Baiboly.” Hahafaly ny Vavolombelon’i Jehovah tokoa ny hanampy anao hahita ny kristianisma marina, dia ny an’ny Soratra masina. Asa misalasala àry mamboraka ny ao am-ponao amin’ireo izay nanome anao ity gazety ity na manoratra amin’ny mpampanonta azy.
[Sarintany, pejy 6]
(Jereo ny gazety)
Ireo foibe lehibe indrindra amin’ny kristianisma tsy izy
Carthage
Rome
Byzance (Constantinople)
Nicée
Ephèse
Antioche
Jérusalem
Alexandrie
[Sary, pejy 9]
Ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana — fisaratsarahana tsy mety afaka